FANOMPOAM-PIVAVAHANA

ANKATOKY NY FANDRAISANA + FETY NY RENY

ALAHADY TRINITE 28 MAY 2024

Miditra ny mpandray anjara miaraka @ Mpitandrina (mitsangana ny rehetra)

I-TENY FANOMBOHANA – INVOCATION

Mpitandrina:Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Au nom du Père, du Fils et du Saint-Esprit.

Fiangonana:Amen(mipetraka ny Fiangonana)

II-FIFAMPIARAHABANA – SALUTATION APOSTOLIQUE ET ACCUEIL

III-FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA – LOUANGE

FFPM 233 Ô RY RAY MALALA

Famakiana mifandimby ny Salamo faha-116:1-6 

1 Izaho tia an’i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ny fifonako Izy.

2 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.

3 Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ny fiainan-tsi-hita*; Nahita fahoriana sy alahelo aho.

4 Dia niantso ny anaran’i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.

5 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.

6 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy. Amen

IV-VAVAKA FIDERANA – PRIERE deLOUANGE(mipetraka aorian’ny vavaka)

FFPM 146 ANAO NY DERA

V-SITRAPON’ANDRIAMANITRA

VI-VAVAKA FIFONANA SY FIEKEN-KELOKA – PRIERE DE REPENTANCE & CONFESSION DE PECHE

Raiso ary ny fifonan’ny Fiangonana:

Ry Rainay be famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay ; mamelà ny helokay ; diovy izahay ho afa-pahotana ;

sasao izahay mba ho afa-keloka, ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao.

Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amen.

Mihira ny fiangonana: Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danitra ô…… Amen

FFPM 445/3 HE MANOLOTENA AHO

VI-TENY FAMELAN-KELOKA SY FIADANANA DECLARATION ET ACCUEIL DU PARDON (mitsangana ny Fiangonana)

VII-Fifampizarana fiadanana – PARTAGE de PAIX

FFPM 8 DERA LAZA HERY HAJA

VIII-FANKALAZANA – GLORIA

Mpitandrina:Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra

Gloire à Dieu dans les lieux très hauts

        Fiangonana:Aryfiadanana ho etyambonin’nytany, amin’nyolonaankasitrahany !

        Et paix sur la terre parmi les hommes qu’IL agrée. (mipetraka aorian’izany)

        IX-FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY SEKOLY ALAHADY : VAVAKA – PRIERE POUR LES ENFANTS

        X-FIHAINOANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA LITURGIE DE LA PAROLE

        FFPM 319/1 Mba iraho ny Fanahy

        Vavaka hampazava ny teny – Prière d’illumination :

        Vakiteny – Lectures bibliques :

        (Mitsangana ny fiangonana)

        Fiangonana (mihira) :Ray masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana,

        nyteninao no Fahamarinana !

        Ô Père saint, sanctifie-nous par ta vérité, ta parole est la vérité ! Amen

        TORITENY – PREDICATION

        XI-FANEKEM-PINOANA APOSTOLIKA – SYMBOLE DES APOTRE (mitsangana ny Fiangonana)

        Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.
        Ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana Tompontsika / Izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina / nanterak’i Maria Virijina / nijaly raha nanapaka Pontio Pilato / nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, / maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita / nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo / niakatra ho any an-danitra, / mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha / avy any no hiavian’ny hitsara ny velona sy ny maty /

        Mino ny Fanahy Masina, ny Fiangonana masina / manerana izao tontolo izao / ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka  / ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena

        XII-RAHARAHAM-PIANGONANA – LES ANNONCES

        XIII-FANATITRA FISAORANA – OFFRANDES

        FFPM 432/1,2 MANDRA-PIHAVIN’NY TOMPO

        XIV-FANOLORANA ny RAKITRA – PRESENTATION des RECOLTES

        Ry Tompo ny harena ô, fanantitra an-tsitrapo, atolotray izao, mba raiso ka tahianao

        (Mitsangana ny fiangonana)

        XV-ANKATOKY NY FANDRAISANA – PRÉPARATION A LA SAINTE CÈNE

        FFPM 318/1 Mandrosoa ry mpanarato

        Fampianarana:

        Ny tenin’Andriamanitra no ataovy Fanohitra ny asa

        Vavaka fanoloran-tena – Prière de don de soi – fahanginana- silence

        XVI-FANAMBARANA NY RAHARAHA NOHEVERIN’NY KOMITY

        XVII-VAVAKA sy FANGATAHAM-PITAHIANA – PRIERE D’INTERCESSION

        Hira:FFPM 617/1 AZA MANADINO

        FFPM 617/1 AZA MANADINO

        Mpitandrina:Ho aminareo anie ny Tompo!

        Fiangonana:Ary ho amin’nyfanahinao !

        XVIII-TSODRANO – BENEDICTION

        Hira :FFPM 617/2HIANAO NO FIEREKO

        FFPM 617/2HIANAO NO FIEREKO

        XIX-FANIRAHINA – ENVOI

        Mpitandrina:Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina

        Izay hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay!. Mandehana amin’ny fiadanana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fahalalana, finoana sy ny asa !

        Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra ! Beni soit le nom de Seigneur

        Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

        Au nom du père, du fils et du Saint Esprit. Amen

        « Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy no hanefa zany”. 1Tesaloniana 5:24

        « Celui qui vous a appelés est fidèle, et c’est lui qui le fera » 1 Thessaloniciens 5 :24

        Pasteur Alain RAZAFINDRATSIMBA

        FIHIRANA

        233 – O! Ray Malala, asehoy

        • O! Ray Malala, asehoy
          Ny hasoavanao;
          Sasao ho afa-keloka
          Izahay ho zanakao:
        • O! Ray Malala, mba henoy
          Ny feonay zanakao;
          Tantano ao an-dalana
          Hankany aminao:
          Ho mafy, sns…
        • O! Ray Malala, hitanao
          Ny hasambaranay;
          Ny avotr’ain’ny Zanakao
          No itokianay:
          Ho mafy, sns…

        Fiv : Ho mafy ny fiezakay
        Handia ny lalanao,
        Tsy hisy hijanonanay,
        Raha tsy an-tranonao.

        146 – Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray

        • Anao ny dera,
          ry Zanaky ny Ray !
          Anao ny fandresena
          ry Mpanjakanay !
          Ny fasana nivoha
          noho ny herinao,
          Ny Anaranao tsitoha
          tsy voatana tao !
        • Ianao nandresy,
          lao re ny fasana,
          Ny fanjakan’ny ota
          koa ho lasana !
          Ny herin’i Satana vato nikodia ;
          Ny Anaranao nandresy
          haharitra doria !
          Anao ny dera, sns…
        • He, ravo aho !
          Izy no santatra
          Izaho koa hifoha
          mba ho sambatra !
          Ny fandresen’i Jeso
          lovako tokoa,
          Ny Anarany Tsitoha
          hanangana ahy koa !
          Anao ny dera, sns…

        Fiv : Anao ny dera,
        ry Zanaky ny Ray !
        Anao ny fandresena
        ry Mpanjakanay !

        445 – Jeso mora fo indrindra

        • He manolo-tena aho,
          Ho Anao, ry Tompo soa!
          Ka ny heloko rehetra
          Mba sasaonao avokoa.
          Enga ka omenao ahy
          Fo madio sy vaovao,
          Mba hahaizako manefa
          ‘Zay rehetra sitrakao

        8 – Dera, laza, hery, haja

        • Dera, laza, hery, haja,
          Ho an’Andriamanitra
          Tompon’aina, Zanahary,
          Rain’ny voninahitra !
          Izy no mpanao antsika
          Sady ivelomana ;
          Fototr’aina, foto-tsoa,
          Izy ivavahana
          Hihira isika hoe : Haleloia,
          Dera ho an’Andriamanitra !
          :,:Dia Haleloia, Haleloia :,:
        • Ray Tsitoha, tsy miova,
          Tia sy mamindra fo,
          Mahasoa isan’andro,
          Izy no isaorana !
          Vatolampy tsy mifindra,
          Tokin’olombelona ;
          Fiarova-mahavonjy,
          Izy itokiana
          Hihira isika hoe : Haleloia,
          Dera ho an’Andriamanitra !
          :,:Dia Haleloia, Haleloia! :,:

        319 – Mba iraho ny Fanahy ry Jesosy Tompo ô!

        • Mba iraho ny Fanahy
          Ry Jesosy Tompo ô!
          Mba hanampy sy hitahy
          Ny mpiasa irakao.
          Tany mafy no asaina,
          Nefa kely izahay,
          Marobe no tsy misaina,
          Raha itorianay!
          Tanteraho re ny toky,
          lzay nomenao fahizay,
          Ka mombà anay mpitory
          Mandra-podimandrinay!

        432 – Mandra-piavin’ny Tompo

        • Mandra-pihavin’ny Tompo, mivavaha !
          Ny teny tsara nomeny tadidio,
          Ny adidinao tontosay sy efao !
          Mijery ny ataonao ny Ray.
        • Mandra-piavin’ny Tompo, miasà !
          Ampitomboy ireo talenta azonao !
          Vola, fahaizana, aina, hery koa
          No anompoy ny Tompo Tsitoha !

        Fiv : Raha mpanompo tsara hianao,
        He, ny Tompo faly aminao !
        Koa tanteraho ireo adidinao
        Mba ho mpanompo mahasoa !

        !

        318 – Mandrosoa, ry mpanarato

        • Mandrosoa, ry mpanarato,
          Aza ketraka izao!
          Mandrosoa tsy miato,
          Jeso re no herinao.
          Ka ny jentilisa maro,
          Havana sy tapaka,
          Mba toroy ampahafantaro
          An’Ilay Mpanafaka!

        !

        617 – Aza manadino ahy

        • Aza manadino ahy,
          Ry Mpihaino vavaka!
          Aza mba manary ahy
          Hanalavitra Anao;
          Mitodiha ry Mpanjaka!
          Ka Jereo ny olonao;
          Aza manadino ahy,
          Ry Mpihaino vavaka!
        • Hianao no fiereko,
          Vatolampy, heriko!
          Na kamboty aza aho,
          Faly manana Anao;
          Afa-tahotra ny foko,
          Raha miandrandra Anao;
          Aza manadino ahy,
          Ry Mpihaino vavaka!

        !

        LECTURE BIBLIQUE

        1ère lecture: Fihavanana Taloha:Deoteronomia 4.32-40

        32 Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin’ny andro izay namoronan’Andriamanitra olombelona tety ambonin’ny tany ary hatramin’ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.

        33 Moa efa nisy firenena nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao amin’ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?

        34 Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin’ny firenena hafa va Andriamanitra amin’ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tànana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?

        35 Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.

        36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin’ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan’ny afo.

        37 Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ny heriny lehibe,

        38 handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho hianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’izao anio izao.

        39 Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.

        40 Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa hianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro hianao any amin’ny tany, izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.

        2ème lecture: Epistily – Epîtres: Romana 8.14-17

        14 Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.

        15 Fa tsy nandray fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba Ray ô.

        16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.

        17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.

        Vaovao Mahafaly – Nouvelle Alliance: Matio 28.16-20

        1

        16 Ary ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy halehany.

        17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.

        18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;

        19 koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

        20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.

        HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY FIDERANA