FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ORIM-BATON’NY FIANONANA PONTOISE (FPMOF)

CULTE PRESENTIEL AVEC SAINTE CENE

ALAHADY 1 MANARAKA NY TRINITE

2 MAI 2024 @ 14h30

Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, (…) no hamadika Ahy.” (Marc 14:18)

« Je vous le dis en vérité, l’un de vous, (…), me livrera.. » (Marc 14 :18)

Mpitandrina:Pasteur Alain Razafindratsimba

I-TENY FANOMBOHANA – INVOCATION

Mpitandrina: Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

Fiangonana : Amen ! (Mipetraka ny Fiangonana)

II-FIFAMPIHARABANA – SALUTATION APOSTOLIQUE & ACCUEIL

III- FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA – LOUANGE

Famakiana mifandimby salamo 130:1-8

1Tao amin’ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,

2 Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako.

3 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?

4 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.

5 Niandry an’i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.

6 Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.

7 Manantenà an’i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;

8 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ny helony rehetra. Amen

IV-VAVAKA FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA – PRIERE DE LOUANGE

(Mipetraka aorian’ny vavaka)

V-SITRAPON’ANDRIAMANITRA

VI-VAVAKA FIFONANA – PRIERE DE REPENTANCE

Fiangonana:Ry Rainay be famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay ; mamelà ny helokay ; diovy izahay ho afa-pahotana ; sasao izahay mba ho afa-keloka, ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao.

Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amen.

VII-TENY FAMELAN-KELOKA – LE PARDON

VIII-FIZARANA FIADANANA – LA PAIX DU CHRIST

IX- FANKALAZANA – GLORIA

Mpitandrina : Voninahitra any @ avo indrindra ho an’Atra.

Fiangonana:Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany, amin’ny olona ankasitrahany! Amen

X- FOTOANA NY ANKIZY SY S.A (VAVAKA)

XI-TENIN’ANDRIAMANITRA – La parole de Dieu

/Vavaka mialoha ny teny – Prière d’illumination

Vakiteny – lecture:

Fiangonana: Ray masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana,…! Amen

Toriteny – Prédication:

XII-FANEKEM-PINOANA APOSTOLIKA – SYMBOLE DES APOTRES(Mitsangana)

XIII-SAKRAMENTAN’NY FANASAN’NY TOMPO – SAINTE CENE

Antema 1 (Fiangonana): Masina, Masina, …

XIV-RAHARAHAM-PIANGONANA – ANNONCES

XV-FANATITRA FISAORANA – OFFRANDES

Fanolorana rakitra – Présentation des offrandes: Ry tompon’ny harena ô! Fanatitra… (Mitsangana ny Fiangonana)

XVI-VAVAKA – PRIERE D’INTERCESSION

XVII-TSODRANO – BENEDICTION

XVIII-FANIRAHANA – ENVOI

Mpitandrina: Voninahitra ho an’Andriamanitra…

Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra !

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!

« Fiangonana mampandroso ny olona sy ny tranon’Andriamanitra. » (Ezra 8:36)


FIHIRANA

753 – Tiako ny hiaraka Aminao

  • Hiaraka Aminao aho, Ô ry Jeso Tompoko
    Tsy manana olon-kafa aho
    Fa Ianao no fiainako ;
    Hanara-dia Anao, ‘zay no faniriako
    Hifikitra Aminao aho, Jesoa !
    Tiako ny hiaraka, sns…
  • Hiaraka Aminao aho, Ô ry Jesoa Tompoko
    Hitory Teny soa amin’ireo havako ;
    Hanara-dia Anao, zay no faniriako
    Hanohy ny asanao aho, Jesoa !
    Tiako ny hiaraka, sns…

Fiv : Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa
N’aiza n’aiza hitondranao ahy,
Tiako ny hiaraka Aminao Jesoa
Fa Ianao no miantso ahy !

FF 11 – Faly aho

Faly aho raha hoy izy ireo tamiko
“Handeha isika ho any an-tranon’I Jehovah,
Ny tongotray efa mijoro
Ao anatin’ny vavahadinao
Ry Jerosalema, ry Jerosalema.
Dia ianao ry Jerosalema,
Izay efa vita tahaka ny tanàna
Efa voalamina tsara.
Any no hiakaran’ny firenena,
Ny firenen’I Jehovah,
Mba hisaotra ny Anarany
Mba hisaotra ny Anarany
Mba hisaotra ny Anaran’i Jehovah.”

A CHERCHER : 12 JEHOVAH O

Faly aho raha hoy izy ireo tamiko
“Handeha isika ho any an-tranon’I Jehovah,
Ny tongotray efa mijoro
Ao anatin’ny vavahadinao
Ry Jerosalema, ry Jerosalema.
Dia ianao ry Jerosalema,
Izay efa vita tahaka ny tanàna
Efa voalamina tsara.
Any no hiakaran’ny firenena,
Ny firenen’I Jehovah,
Mba hisaotra ny Anarany
Mba hisaotra ny Anarany
Mba hisaotra ny Anaran’i Jehovah.”

FF 6 – Ny teninao

  • Ny teninao, Jehovah Ray mahery,
    Izay nomenao anay,
    Dia teny tsara sady mampahery
    Ka mampifaly ny fonay
  • Soraty re ho velona ao anaty
    Hitondra aina vaovao,
    Hitana ny finoana tsy ho faty,
    Ka hankatò ny didinao !

Fiv : Ny teninao,
Mofon’aina sakafo tokoa !
Ny teninao,
Ranon’aina satria foto-tsoa
Ny teninao no teny tsy mba maty
Maharitra mandrakizay !

254 – Avia, ry mangetaheta ô

  • Avia, ry mangetaheta ô,
    Ka aza dia mba mamoy fo
    Fa indro misy rano velona
    Izay omena mba hamelona
    Anao mahantra sy variana,
    Ry zanak’ondry very làlana !
  • Ny mofon’aina no atolony
    Anao manaiky mba ho olony,
    Ny tenany no ho fihinana
    Mba hahazoana fiainana,
    Kanefa tsy mba hovidiana anie
    Fa tena fanomezan-dehibe !

109 – Nahafoy ny aiko Aho

  • Nahafoy ny aiko Aho
    Hanavotako anao.
    Ka nalatsako ny rako,
    Nisoloako anao.
    He! ny aiko no nomeko
    Ry mpanota very e!
    Aiza izay afoinao re
    Mba ho Ahy Tomponao?
  • Lapan-dRaiko ao ambony,
    Voninahi-dehibe,
    No nilaozako hamonjy
    Sy hanafa-doza anao,
    ‘Zay voafitaky satana
    Sy nozoin-doza be;
    Aiza izay afoinao re
    Mba ho Ahy Tomponao?

266 – Ry Jeso Tompo, Ianao

  • Ry Jeso Tompo, Ianao
    Isaorako tokoa izao ;
    Ny ranao sy ny tenanao
    No nihinanako izao !
  • Ry foko faly ambarao
    Ny soa azonao izao !
    Jesosy monina ao am-po,
    Endrey ny hafaliako !

306 – Mamafaza voa, ka aza mba malaina

  • Mamafaza voa, ka aza mba malaina,
    Fa tsy fantatrao re izay ho vanona;
    Na amin’ny hariva, na amin’ny maraina,
    Mamafaza voa tsy mijanona.
  • Mamafaza voa amin’ny mahantra,
    Ka aza mba mifidy izay hasian-tsoa;
    Fa ny fo mazoto sady feno antra
    Dia homen’ny Tompo valisoa tokoa.
    Matokia re, sns…
  • Mamafaza voa amin’ny malemy,
    Ary mba ampio izay reraka ao am-po;
    Asehoy Jesosy loharanon-kery,
    Ao no anovozy izay ilain’ny fo:
    Matokia re, sns…
  • Miasà, sakaiza! milofosa tsara
    Dieny misy asa azonao atao;
    Matahora sao tsy vita ilay anjara
    lzay napetraky ny Tompo aminao.
    Matokia re, sns…

Fiv : :,: Matokia re, matokia re,
Hisy amboara ho anao anie!:,:

A CHERCHER : FFPM 21 Derao Andriamanitra

  • Mamafaza voa, ka aza mba malaina,
    Fa tsy fantatrao re izay ho vanona;
    Na amin’ny hariva, na amin’ny maraina,
    Mamafaza voa tsy mijanona.

Fiv : :,: Matokia re, matokia re,
Hisy amboara ho anao anie!:,:


TEXTE BIBLIQUE

1ère lecture: Fihavanana Taloha:Eksodosy 24.3-8

3

Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin’ny olona ny teny rehetra izay nataon’i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’i Jehovah dia hataonay.

4

Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ny folo, araka ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.

5

Ary ny zatovo amin’ny Zanak’Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr’ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’i Jehovah.

6

Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny ra kosa natopiny teo amin’ny alitara.

7

Dia naka ny bokin’ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay sy hekenay.

8

Ary nalain’i Mosesy ny ra ka natopiny tamin’ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran’ny fanekena izay nataon’i Jehovah taminareo ny amin’izany teny rehetra izany.

2ème lecture: Epistily – Epîtres: Hebreo 9.11-15

11

Fa Krisy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ny tebernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tànana, izany hoe, tsy isan’izao zavatra ary izao,

12

ary tsy mba nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay.

13

Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-batotr’ombivavy afafy amin’izay voaloto no manamasina hatramin’ny fanadiovana ny nofo,

14

mainka fa ny ran’i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoanareo an’Andriamanitra velona.

15

Ary noho izany dia Mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany, mba hahazoan’izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.

Vaovao Mahafaly – Nouvelle Alliance: Marka 14.12-26

12

Ary tamin’ny voalohan’ny andro fihinana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?

13

Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.

14

Ary lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro?

15

Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.

16

Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.

17

Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin’ny folo lahy.

18

Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.

19

Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?

20

Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin’ny roa ambin’ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin’ny lovia no izy.

21

Fa ny Zanak’olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan’izay olona hahazoana ny Zanak’olona hatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy ary akory.

22

Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.

23

Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan’izy rehetra izany.

24

Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ny fanekena,izay alatsaka hamonjy ny maro.

25

Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pihavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

26

Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.