FANOMPOAMPIVAVAHANA ANTAROBIA

ANKATOKY NY FANDRAISANA

« Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola mana-pinoana va hianareo?.” Marka 4 :40

« Pourquoi avez-vous ainsi peur? Comment n’avez-vous point de foi?. » Marc 4 :40

I-TENY FANOMBOHANA – INVOCATION

Mpitandrina:Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Au nom du Père, du Fils et du Saint-Esprit.

Fiangonana:Amen(mipetraka ny Fiangonana

II-FIFAMPIARAHABANA – SALUTATION APOSTOLIQUE ET ACCUEIL

III-FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA – LOUANGE

Famakiana mifandimby ny Salamo faha-30:1-12 

1 Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho.

2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.

3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]

4 Mankalazà an’i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.

5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.

7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.

8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:

9 Inona no soa azo amin’ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?

10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.

11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,

12 Mba hankalazan’ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.

Amen

IV-VAVAKA FIDERANA – PRIERE de LOUANGE

(mipetraka aorian’ny vavaka)

V-SITRAPON’ANDRIAMANITRA

VI-VAVAKA FIFONANA SY FIAIKEN-KELOKA – PRIERE DE REPENTANCE & CONFESSION DE PECHE

Raiso ary ny fifonan’ny Fiangonana:

Ry Rainay be famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay ; mamelà ny helokay ; diovy izahay ho afa-pahotana ;

sasao izahay mba ho afa-keloka, ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao.

Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amen.

Mihira ny fiangonana: Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danitra ô…… Amen

VII-TENY FAMELAN-KELOKA SY FIADANANA DECLARATION ET ACCUEIL DU PARDON

(mitsangana ny Fiangonana)

VIII-Fifampizarana fiadanana – PARTAGE de PAIX

IX-FANKALAZANA – GLORIA

Mpitandrina:Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra

Gloire à Dieu dans les lieux très hauts

Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany, amin’ny olona ankasitrahany !

Et paix sur la terre parmi les hommes qu’IL agrée.

(mipetraka aorian’izany)

X-FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY SEKOLY ALAHADY : VAVAKA – PRIERE POUR LES ENFANTS

XI-FIHAINOANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA LITURGIE DE LA PAROLE

Mpitandrina: Ho aminareo anie ny Tompo

Le Seigneur soit avec vous 

Fiangonana:Ary ho amin’ny fanahinao koa!

Et avec votre esprit.

Vavaka hampazava ny teny – Prière d’illumination :

Vakiteny – Lectures bibliques :

(Mitsangana ny fiangonana)

Fiangonana (mihira) :Ray masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana,

nyteninao no Fahamarinana !

Ô Père saint, sanctifie-nous par ta vérité, ta parole est la vérité ! Amen

Feon-zavamaneno fohy

TORITENY – PREDICATION

Feon-zavamaneno malefaka – Interlude musical et méditation

XII-FANEKEM-PINOANA APOSTOLIKA – SYMBOLE DES APOTRES

(mitsangana ny Fiangonana)

Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.
Ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana Tompontsika / Izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina / nanterak’i Maria Virijina / nijaly raha nanapaka Pontio Pilato / nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, / maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita / nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo / niakatra ho any an-danitra, / mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha / avy any no hiavian’ny hitsara ny velona sy ny maty /

Mino ny Fanahy Masina, ny Fiangonana masina / manerana izao tontolo izao / ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka  / ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena

ANTOKO MPIHIRA – CHORAL

XIII-RAHARAHAM-PIANGONANA – LES ANNONCES

XIV-FANATITRA FISAORANA – OFFRANDES

XV-FANOLORANA ny RAKITRA – PRESENTATION des RECOLTES

(Mitsangana ny fiangonana)

XVI-ANKATOKY NY FANDRAISANA – PRÉPARATION A LA SAINTE CÈNE

Fampianarana: “Miasa @ fotoanan’ny Tompo”

Vavaka fanoloran-tena – Prière de don de soi – fahanginana- silence

XVII-FANAMBARANA NY RAHARAHA NOHEVERIN’NY KOMITY

XVIII-VAVAKA sy FANGATAHAM-PITAHIANA – PRIERE D’INTERCESSION

XIX-TSODRANO – BENEDICTION

XX-FANIRAHINA – ENVOI

Mpitandrina:Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina

Izay hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay!. Mandehana amin’ny fiadanana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fahalalana, finoana sy ny asa !

Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra ! Beni soit le nom de Seigneur

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Au nom du père, du fils et du Saint Esprit. Amen

Feon-java-maneno firavana!(Postlude)

Ankino amin’i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.” Ohabolana16:3

Pasteur Alain RAZAFINDRATSIMBA

FIHIRANA

198 – Isaoranay Jehovah

  • Isaoranay jehovah,
    Fa Tompo lehibe
    Izay tsy mba manova
    Ny famindramponao,
    Miorina aminay izao
    Ny fiangona-masinao;
    Torina aminay
    Ny teny mampiray
    Ka ravoravo izao
    Izahay midera Anao.
  • Derao Jesosy Tompo,
    Izay Mpamonjinao,
    Hiraonao re, ry foko,
    Ny fitiavany.
    Haleloia, haleloia!
    Haleloia, haleloia!
    Jesosy avotray
    Dia Zanaky ny Ray,
    Ny ainy no voaray,
    Hisolo helokay!
  • Derainay, ry Fanahy
    Izao ny asanao,
    Tsy misy mampanahy,
    Izay tarihinao,
    Ka anjakao, re, ny fonay,
    Arovy ny fiangonanay,
    Velomy izahay,
    Ataovinao mahay
    Manoka-po izao
    Handray ny aim-baovao!

201 – Midina Tomponay

  • Midina, Tomponay !
    Ampionao izahay
    Hidera Anao
    Ray soa tia anay,
    Hery sy tanjakay
    Zay hotompoinay
    :,: Mandrakizay :,:
  • Avia, Jeso ô!
    Reseo ny rafinay
    Ho lavonao
    Arovy izahay
    Amin’ny herinao
    Ny fitarainanay
    :,: Henoinao :,:
  • Fanahy Masina ô!
    Tariho izahay
    Hanaiky ‘zao
    Mahery Ianao
    Ny fonay anjakao
    Aza ilaozanao
    :,: Mpananatra ô :,:
  • Ry Telo ‘zay Iray!
    Dera mandrakizay
    Omena Anao
    Ny voninahitrao
    Aoka ho hitanay
    Ka raisonao ‘zahay
    :,: Ho aminao :,:

445 – Jeso mora fo indrindra

  • He manolo-tena aho,
    Ho Anao, ry Tompo soa!
    Ka ny heloko rehetra
    Mba sasaonao avokoa.
    Enga ka omenao ahy
    Fo madio sy vaovao,
    Mba hahaizako manefa
    ‘Zay rehetra sitrakao!

139 – He! Vita re ny ady izao!

  • He! Vita re ny ady izao!
    Ny ota efa resy re,
    Ny feo mifaly no atao.
    Haleloia!

341 – Tompo ô! ampitandremo

  • Tompo ô! ampitandremo
    Izay lazainao izahay;
    Hazavao ka mba omeo
    Hery ny fanahinay;
    Ka ny fo ampionony
    Tsy hitebiteby intsony;
    :,:Mba diovy ,hamasino
    Izahay , ry Tompo ô ! :,:
  • Ka rehefa hodimandry
    Izahay,ry Tomponay,
    Tsy ho taitra,fa hiandry
    Ny handraisanao anay
    Ry Jesosy Tompon’aina,
    Hianao no antenaina,
    :,:Hianao no hanazava
    Ny hodianay ary:,:

275 – Raisonao, ry Tompo soa

  • Raisonao ry Tompo soa,
    Ny fanatitray izao;
    Hamasino avokoa
    Izay atolotray Anao;

Fiv : :,: Raiso re, ho Anao,
Ho fanati-tsitrakao! :,:

313 – Miantrà ny firenena, ry Jesosy Tomponay !

  • Miantrà ny firenena,
    Ry Jesosy Tomponay!
    Ambarao ny famonjena
    lzay nataonao fahizay;
    Asehoinao ny hery
    Namonjenao marobe;
    :,: Ry Mpamonjy olom-bery!
    Mamonje indray anie.:,:
  • Mba heveronao ny Nosy
    Itoeranay izao;
    Iantraonao, ry Jesosy,
    Ny tsy mahalala Anao;
    Iantrao ‘reo faritany
    Anjakan’ny aizim-be,
    :,: Mba ho tonga faingana any
    Ny mazava lehibe.:,:
  • Be ny tany tsy voasa,
    Vitsy ny mpanomponao;
    Koa izahay mpiasa
    Ao an-tanimbolinao
    Mba omeo fo minia
    Hankatò ny teninao,
    :,: Ka aoka mba hikely aina
    lzahay hiasa ao.:,:
  • Mankanesa, ry mpitory!
    Ao an-tany lavitra ao,
    Be tsy mahalala akory
    An’i Jeso Tomponao,
    He, ny fahantrany, indrisy!
    He, ny hadalan’ny ao!
    :,: Fa ny olona tsy misy
    Hampianatra azy izao.:,:
  • Ny harena anomezo
    Sy ny fahendrena koa.
    Eny, Kristiana! Aelezo
    lzay rehetra mahasoa;
    Mankanesa re ‘zay tia
    Ny Mpamonjy lehibe;
    :,: Miantrà ka manampia
    Ny mahantra marobe.:,:

FF 26 – Jesosy reharehako

1- Tsy misy reharehako
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy Voninahitra
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao

2- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Izay fahavaloko
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao

3- Tsy nisy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao, tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marinao.

Fiv: Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon’ny hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao
Ampy ahy ny Fitiavanao
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao

330 – Sambatra ny mankato

  1. Sambatra ny mankato
    Izay lazain’ny Tompon’aina,
    Sy manaiky eram-po
    Fa hanolotra sy saina,
    Ka mitandrina ny didy
    Toy ny zava-tsarobidy.
  2. Sambatra izay mandà
    Raha taomina hanota,
    Ka dia halatsa-dra
    Tsy mba mety resin’ota,
    Tsy ekeny ny mpanimba,
    Na ireo mpanazimba.
  3. Sambatra ny olona
    Izay misaina ao am-pony
    Andro aman’alina
    Ny lazainao, ry Mpamonjy;
    Fa ataonao toy ny hazo
    Maitso tsara, tsy malazo.

LECTURES BIBLIQUES

Fivavahana taloha : JOBA 38.1-11

1 [Ny teny navalin’i Jehovah an’i Joba] Ary teo anatin’ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’i Joba ka nanao hoe:

2 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ny teny tsy misy fahalalana?

3 Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:

4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.

5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?

6 Teo amin’inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,

7 Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?

8 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,

9 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,

10 Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana

11 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?

Epistily – Epitres : 2 Korintiana 5.14-17

14 Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra;

15 ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.

16 Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.

17 Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.

Vaovao Mahafaly : Marka 4.35-41

35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin’ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

36 Fa tsy nahoan’i Jesosy izany teny nataony izany, fa* hoy Izy tamin’ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.[*Na: Ary nony ren’i Jesosy ny teny nataony, dia]

37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’i Jakoba.

38 Ary dia tonga tao an-tranon’ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan’i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.

39 Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.

40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy an-drazazavavy.

41 Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.

.