- Cet évènement est passé.
Ankatoky ny fandraisana
novembre 27, 2022 @ 15:30 - 17:30

ANKATOKY NY FANDRAISANA
Lohahevitra: Ny mahafaly ny Tompo no katsaho ary ny voninahitry ny Tompo no banjino.
Pasteur Alain RAZAFINDRATSIMBA
I- Fampidirana:
Ity no fiaraha-mandinika Soratra Masina farany iarahantsika amin’ity taona 2022 ity, ho amin’ny ankatoky ny fandraisana, hanomanantsika ny fo amam-panahintsika mba ho mendrika ny fanasan’I Jesosy Kristy amin’ny fiarahana latabatra aminy.
Hivavaka isika: Ry Andriamanitra Rainay any an-danitra ô! Rainay amin’ny alalan’I Jesosy Kristy Tomponay velona ianao, misaotra anao izahay fa mbola omenao izao fotoana izao ho entinay mandintena.
Ampafataro anay àry Tompo ô! izay sitrakao ataonay mba hinananay ny mofonaina sy hisotroanay ny rano velona amim-panetren-tena, ary hiraisana sy iombonanay tanteraka Aminao. Amen
Ny lohahevitra hiarahantsika mandinika amin’ity alahady ankatoka ny fandraisana ity dia hoe: “ny mahafaly ny Tompo no katsaho ary ny voninahitra ny Tommpo no banjino.
Ny andinin-tSoratra Masina hiaingantsika, hatao hazondamosin’izao fampianarana izao dia ny tapany farany amin’I Hagay1, 8: “Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.”
II- Fanazavana sy fampiharana:
Andeha ho jenrentsika voalohany àry aloha ny hoe (…) dia hakasitrahako izany, (…).
Ahoana ny hanazavaintsika izany. Raha lazaina amin’ny fomba hafa io dia hoe: dia hahafaly Ahy izany, izany hoe hahafaly ny Tompo. Inona no hahafaly ny Tompo? Raha nirahin’Andriamanitra hiakatra tany an-tendrombohitra ny Israely, haka hazo mba hanamboarany ny tranon’Andriamanitra, dia notanterahin’izy ireo izany ka faly Andriamanitra. Izy Andriamanitra Tompo mihitsy no manambara izany eto.
Ka izany koa no itaomana antsika hoe: ny amin’ny fanaovantsika ny asan’ny Tompo, izay hahafaly ny Tompo no tokony ho katsahintsika.
Q: Ahoana àry ny hampiharantsika izany hoe ny hahafaly ny Tompo no katsaho eo amin’ny fanaovantsika ny asan’Andriamanitra?
R: Valiny, amin’ny asa fanompoana rehetra ataontsika, ny tarigetrantsika dia ny hahafaly ny Tompo fa tsy ny hahafaly ny olona fotsiny. Foto-kevitra lehibe eo amin’ny fianantsika kristiana izany.(…)
Ny apoastoly Paoly dia nifikitra tamin’io foto-kevitra io ka sahy niteny hoe “Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho, dia tsy mpanompon’i Kristy. (Gal.1:10) Ary izany ihany koa no mbola nilazany tany Kolosia hoe: “ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona.” (Kol.3:23).
Ka aoka àry isika tsy hanao tahaka any Pontio Pilato, izay nitady ny hahafaly ny olona fotsiny, eny fa na dia fantany aza fa tsy mifanaraka amin’ny marina izany, tamin’ny nitsarany an’I Jesosy.
Koa ny fanontaniana tsy maintsy hapetrantsika eo anoloan’ny asa fanompoana ny Tompo ataontsika dia izao: Faly ve ny Tompo @ izao asa ataoko izao; faly ve ny Tompo @ izao fomba fiasako izao; faly ve ny Tompo @ izao fotoana anaovako azy izao…? Fa raha sanatrian’izany mantsy tsy hahafaly ny Tompo ny ataontsika, hahasoa antsika sy ny fiangonana ve ny fiainana itoeran’ny alahelon’Andriamanitra? Tsia, ry havana (…)
Ny hojerentsika fararoa dia ny amin’ny hoe: “(…) sady hankalazaina Aho, hoy I Jehovah”
Inona no dikan’izany? Ny dikan’izany dia mazava: hahazoan’Andriamanitra voninahitra ny asa ataontsika ho Azy. Izany hoe, ny Tompo Andriamanitra, amin’ny asa ampanaoviny antsika Fiangonana (ianao, izaho, isika), dia tsy mikendry afa-tsy ny Voninahiny. Araka izany, amin’ny asan’ny Tompo ataontsika dia ampirisihana hibanjina hatrany ny voninahitr’Andriamanitra isika.
Q: Ahoana ny hampiharantsika izany eo amin’ny asa fanompoana ataontsika na eny anivon’ny fianakaviana na ao anatin’ny Fiangonana?
R: Misy hevitra roa ireto hanampy antsika amin’ny hampiharana izany.
Ny voalohany dia: aza alam-baraka Andriamanitra. Ny faharavan’ny Tempoly tao Jerosalema sy ny tsy fahavitan’ny fanamboarana natao dia tena fahafaham-baraka ho an’Andriamanitra. Ny faharavan’ny Tempoly, teo amin’ny Jiosy, dia midika fa resy ilay nivavahana tao. Ary mbola marina izany hatramin’izao isika miteny izao fa raha misy asan’Andriamanitra tsy vita atao ao am-piangonana, dia afa-baraka ny Tompo Jesosy. Koa raha mibanjina marina ny voninahitr’Andriamanitra isika dia andao hanao izay hahavita ny asan’Andriamanitra, aza mifampiandry fa samia mahay manira-tena, samy hiasa ho an’I Kristy.
Ary izao koa no zavatra tokony ho tsaroantsika, tsy ampy fotsiny ny mahavita, fa tena atao vita tsara izay atao mba afahantsika miara-midera ny Tompo miaraka amin’ny mpanao Salamo hoe: “sady tsara Ianao no mpanao ny tsara” (Sal. 119, 68). Ka tandremo ny asa zara fa vita.
Marihina manokana izany satria fakam-panahy mora mahazo antsika amin’ny fotoana sasany amin’ny fotoam-pakalazana ny Tompo io. Tsy masaka ny fety fa mantamanta indraindray, ka tsy maintsy arenintsika izany, satria ny voninahitr’Andriamanitra no banjinintsika.
Ny hevitra faharoa dia hoe: Tandremo ny ady voninahitra. Aoka ho tsaroantsika lalandava ny filamatry ny fiangonana: ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. (Soli Deo Gloria)
Koa amin’ny asa ataontsika rehetra dia tandrovy, araka izany ny voninahitr’Andriamanitra, io no banjino. Indraindray mantsy dia toa voninahitr’olombelona no asandrantsika avo dia avo. Toa sarotiny ery isika rehefa tsy mahazo fisaorana mafana amin’ny asa ataontsika. Ary raha sendra misy fanadinoana ain’ireny teny fisaorana ireny, dia malahelo mafy isika, na tezitra mihitsy aza, ka mivoadivoady tsy hanao asa intsony.
Jesosy anefa dia manome ohatra ho antsika raha niteny hoe: “tsy mandray laza avy amin’ny olona Aho” (Jao. 5,41) Ary mampitandrina antsika koa Izy raha niteny tsy nisorona hoe: “hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin’Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo.” (Jao.5,44)
Ka izany no anafarana antsika hoe: tandremo ny ady voninahitra amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra.
III- Famaranana:
Eto am-pamaranana dia samia isika mandin-tena sy hanapan-kevitra amin’ny famaliana amim-pahatsorana, amim-panetren-tena, eto anatrehan’Andriamanitra, ireto fanontaniana ireto:
– Inona no tokony hibebahanao manoloana izany fampianarana izany?
– Inona no fanapahan-kevitra ataonao manoloana izany?
Aoka isika samy hivavaka mangina hitondra eo amin’I Jesosy ny fanampahan-kevitra nataontsika androany.
Tsarovy fa ny tenin’Andriamanitra ianarana dia tsy mety mihitsy raha tsy asiana fampiharana, raha tiantsika hitondra fanovana eo amin’ny fiainantsika izany. (…)
Fehiny: “Apetrako ny foko hankato ny didinao mandrakizay hatramin’ny farany.” Sal.119,112)
Isaorantsika ny Tompo. Ho Azy irery ny Voninahitra ary Fiadanana ho an’ny olona an-kasitrahany. Amen

