Chargement Évènements
  • Cet évènement est passé.

« Tout Évènements

Ankatoky ny fandraisana

janvier 29, 2023 @ 15:30 - 17:30

Ry Fiangonana malala !

Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, Lohan’ny fiangonana, no anolorako anareo amim-pifaliana ny programa harahintsika mandritra ity taona 2023 ity ho Fiaraha-mandinika Soratra Masina ho fitaizam-panahy ho amin’ny Ankatoky ny fandraisana.

 

Araka izany, akoatran’ny fanampahan-kevitra ny amin’ireo raharaha aroson’ny mpihevi-draharahan’ny fiangonana, dia ny fanomanam-panahy no zava-dehibe ataontsika amin’ny fotoanan’ny Ankatoka amin’ny alàlan’ny fiarahana mandinika ny Soratra masina.

Tena zava-dehibe manko ny fanomanam-panahy alohan’ny iraisana lataba amin’ny Tompo.

Ka ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia tokony  hamonjy ny Ankatoka amin’ny alahady fahefatra mialoha ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

Tsarovy izao tenin’i Paoly apostoly izao : « Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy. Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka. » (1 Kor 11 :26-28)

 

Koa ny hampiavaka izao fiaraha-mandinika Soratra Masina izao dia ny fandraisana anjara mavitrika ny olona Mpandray ny Fanasan’ny Tompo : mamaky ny Soratra Masina fototra nofidiana ho an’ny fampianarana ; mamaly fanontaniana ; manapa-kevitra ; mivavaka.

Ny tanjona dia mazava : mba hahatsiaro nahazo sakafom-panahy mahasoa sy mampandroso ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo manatrika ny Ankatoka, toy izay nitranga tamin’ny andron’i Nehemia izay nilaza hoe : « Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina. » (Nehemia 8 :8)

 

Toy izao ny rafitry ny fampianarana :

  • Fanazavana ny lohahevitra
  • Fampiharana ny lesona azo amin’ny fianam-panahy
  • Fanampahan-kevitra (manokana / iombonana) taorian’ny fandinihantena sy ny fieritreretana izay fanampahan-kevitra bitsihan’ny Fanahy Masina hataontsika vokatry ny tenin’Andriamanitra niaraha-nandinika.
  • Vavaka (Mangina / iombonana): fitondrana am-bavaka izay fanampahan-kevitra noraisina eo amin’I Jesosy Kristy Tompo.

Farany, ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, dia tokony hamaky mialoha ny Soratra Masina voatondro ho dinihana amin’ny fotoanan’ny Ankatoky ny Fandraisana.

Enga anie ny Fanahy Masina hiasa ao am-pontsika tsirairay avy ka hahatonga antsika ho Fiangonana tsara toe-panahy tahaka ny voasoratra hoe: hanana toe-panahy tsara izay mandray teny amin’ny zotom-po ka mandinika ny Soratra Masina isan’andro. (Cf. Asa 17:11)

 

Ireto ny Soratra Masina ho vakiantsika Mpandray ny Fanasan’ny Tompo:

Volana Janoary  – Febroary – Mastsa:  2 Mpanjaka 19:14-19

Volana Aprily – Mey: Deoteronomia 5:25-30

Volana Jona – Septembra : Estera 4:15-17

Volana  Oktobra: Eksodosy 14 sy 15

Volana Novambra – Desambra : 1 Tantara 29:1-9

Ny lohahevitra horaisina hodinihana dia ho azonareo isaky ny alahady ny Ankatoky ny Fandraisana.

 

Pasteur Alain RAZAFINDRATSIMBA

Mpitandrina, Fianagonana FPMOF

Détails

Organisateur

  • EPMEF