- Cet évènement est passé.
Toriteny
septembre 25, 2022 @ 08:00 - 17:00

« Ny « harena » tsy enti-manompo an’i Jesosy Tompo dia tsy mahasoa ary mampidi-doza amin’ny tompony. »
Ry Fiangonana malala ! ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy @n’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. Amen
Ity teksta anjarantsika anio ity, Lioka 16:19-31, izay novakian’ny mpanompon’Andriamanitra teo dia maro no mahafantatra azy nefa vitsy ny misaina sy mieritreritra izay voalazany.
Te-hitarika ny saintsika @ marina Jesosy ka dia manao fanoharana Izy @ zavatra hita-maso ho entina hanazavana ny zavatra tsy hita maso. Tantaran’olona roa samy hafa toetra no voalaza ao @ io fanoharana io dia: ny mpanankarena sy ny mahantra.
Voalaza eto fa nanaram-po fatratra t@ fahafinaretana teto an-tany ilay lehilahy mpanakarena (sakafo, fitafiana, sns…). Tsy nisy zavatra fantany afa-tsy ny tenany ihany, hany ka na dia ilay mahantra nipetraka teo anilany aza dia tsy nojereny akory, navesatra taminy ny fitiavan-tena, ka dia hadinony ilay didy lehibe sy ambony momba ny fitiava-namana. Noheveriny fa tsy ho tapitra izany fiadanany izany, tsy tsaroany fa fandalovana ny eto an-tany, eny, takona taminy fa ny fifaliana ara-nofo eto @ ity fiainana ity dia tsy hitohy any an-danitra.
Ilay mahantra indray araka ny Voalaza eto @ andininy faha-22 dia maty ka nentin’ny anjely ho any an-tratran’I Abrahama, nilaozany ny fahantrana teto an-tany, tsy nanaraka azy ny fijaliany fa fiadanana no novantaniny.
Fandalovana moa ny eto an-tany, ka namangy an-dRangahy mpanakarena koa rafahafatesana ka lasa koa izy, tsy nahatana ilay harena be, navela ny fitafiana isan-karazany, nilaozana ny lapa be voninahitra, helo afo no nidirana, fijaliana no novantanina, indry nivadika ny rasa. Ilay mahantra mpangataka indray no nanjary mpanakarena nangatahana: “ Ry Abrahama raiko ô, mamindra fo amiko, ka iraho I Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ny rantsan-tànany @ rano mba hampangatsiaka ny lelako ( A. 24). Tsy tsaroany intsony ilay tenan’I Lazarosy feno fery teo. Henoy ange ny navalin’I Abrahama azy:”Anaka, tsarovy fa enao efa nahazo ny zava-tsoanao t@ andro niainanao, fa Lazarosy kosa zava-dratsy, fa ankehitriny kosa izy no ampifaliana aty, fa ianao kosa no fadiranovana. (A.25, 26)
Indrisy, mahonena, tanteraka taminy ilay tonon-kira (FFPM 392) hoe: izay ataonao aty; hotsaraina ary. Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Izay mamafy rivotra hijinja tadio. Izany no nihantra tamin-dRampanankarena, noho ny harena tsy nentina nanompo an’Andriamanitra.
Ry Kristiana malala ô! Efa voalaza fa te-hitarika antsika @ marina Jesosy Tompontsika, moa ekenao ve ny fitarihany anao? Tsarovy fa ity mpanankarena voalaza eto ity, dia tsy nangalatra, tsy namono olona, tsy nijangajanga, no nahatonga azy ho tratran’ny fahoriana izao, fa noho ny tsy fiankinany @n’Andriamanitra, ka raha tsy miankina @n’Andriamanitra koa hianao dia ho very tahaka azy koa.
Betsaka ny harena omen’Andriamanitra antsika toy ny vola, tany, trano, zanaka, fahaizana, asa, sns…
Ireo rehetra ireo dia tsy maintsy entinao manantona Azy fa fanomezan-dehibe nomeny anao mba hisaoranao Azy sy iankinanao aminy.
Tsarovy fa nomena anao hotehirizinao sy hampiasainao ireo harena ireo, ka mbola hampamoahina hianao @ nandanianao azy.
Ry mpanankarena nahazo fanambinana ô! Tsaroanao ve fa tsy nofo ihany hianao fa fanahy koa, ary fantatrao ve fa ny fanahinao dia tsy mba mivelona @ io harena io fa velona @ tenin’Atra? Tsarovy ny tenin’I Jesosy hoe: inona soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao nefa very ny ainy.
Eto Jesosy dia tsy milaza ny harena ho ratsy na tsy ilaina akory, tsia, fa tena ilaina dia ilaina tokoa ny harena: ny harena no ahavitana ny asa rehetra, eny, na dia izao fitoriana ny filazantsara izao aza dia tsy vita raha tsy ao ny vola, fa ny tian’I Jesosy hambara amintsika @ ity fanoharana ity dia ny tsy hampilentehantsika ny fontsika @ zavatry ny tany izay mora levona.
Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa na inona na inona. Ny harena dia mpanompo tsara fa tompo ratsy kosa. Koa loza ho an’izay manankina ny fony @ zavatry ny tany.
Araka izany àry, ry havana, ny anton’ity tantara ity dia mba ho fananarana antsika tsy hiankina @ zavatra eto an-tany.
Tokony ho tsaroantsika koa anefa fa tsy noho ny fahantran’I Lazarosy na ny fijaliany teto an-tany no nahazoany fiadanana. Sanatria izany! Tsy misy tonga any an-danitra noho ny asa atao, na noho ny fijaliana fa noho ny fahatokiana an’I Jesosy sy ny fiankinana aminy. Tsaroan’ity malahelo eto ity fa ny fijaliany vetivety eto an-tany dia tsy hitovy velively @ fijaliana any @ fiainan-tsi-hina (afobe/helo) noho ny tsy fananana an’I Jesosy eo @ fiainana.
Raha tsy manana an’I Jesosy mihoatra ny tenanao hianao, mihoatra ny vady aman-janakao, mihoatra ny fanananao rehetra dia fantaro fa tsy ho anao ny lanitra sy ny fahasambarana mandrakizay.
Raha tsy mangoraka ny malahelo sy ny mijaly @ ity fiainana ity sy mamindra fo aminy hianao, dia isan’izay tsy maintsy hijaly @ fiainan-tsi-hita.
Koa noho izany dia tsarovy ilay didy lehibe sy Ambony indrindra dia ny fitiava-namana fa ny fiatiavana no miteraka fangoraham-po, ary fangoraham-po miteraka fiantrana sy fanaovan-tsoa. Ary tsarovy koa fa ny harena anananao dia tsy vokatry ny fisasaranao, fa fanomezana avy t@n’Atra ka tsy maintsy ho entina manantona Azy, eny, hampitombo ny fitiavanao Azy bebe kokoa.
Ny vola sy harena dia tsy zava-dratsy hatramin’ny voalohany, fa ny fomba fitondrana sy fampiasana azy no maha-ratsy azy, ary tsy izay manankarena tsy akory no ratsy fa betsaka ny mpanankarena izay mahavita soa t@ harenany sy ny fananany, toa an’I Abrahama, toa an’I Joba.
Ny zava-drehetra eto ambonin’ny tany dia misy lafintsarany sy lafiratsiny avokoa, ka ny lafiratsin’ny vola aman-karena no tsindrian’I Jesosy mafy @ izao fampianarany izao mba handehanan’ny olona @ lafitsarany hahaizany mampiasa ny hareny @ asa fanaovan-tsoa, @ fanompoana an’Atra.
Hoy Jesosy: “aza mihary harena ho anareo ety an-tany, fa izay itoeran’ny harenareo dia ho any koa ny fonareo.”
Ry Kristiana malala ô! Izay mandre izao toriteny izao, diniho ny tenanao, moa efa nahafoy ny zavan-tsoan’ity tany ity ve hianao noho ny fanarahanao an’I Kristy Jesosy? Moa mba efa nampiasa ny harenanao ho famonjena ny rahalahinao sy ny anabavinao ao @ Tompo ve hianao?
Tsarovy fa izay manome ny mahantra dia mampisambotra an’Atra. Fa izay manaram-po @ fahafinaretan’ny nofo dia misakana ny Fanahy Masina tsy ho ao am-pony ka lasa fitiavan-tena no manjaka ao.
Tadiavo ny harena ho mpanomponao, hikarakarana ny vady aman-janakao, ny tenanao, ny fianakavianao. Tadiavo ny harena ho enti-manao soa @ mpiara-belona, hamitana ny adidy @ mpiara-monina, @ fiangonana, hanehoam-pitiavana sy fanajana an’Anandiamanitra ho enti-mampandroso ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.
Atolory ny tenanao ho fanatitra velona masina sitrak’Atra dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary hoy ny Tompo:”tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy manona hianareo”.
Enga anie, ry havana, mba ho maro ny olona hitady ny haren’ny lanitra, dia ny finoana, famelan-keloka, ny fitiavana ny Fanahy Masina; hatoky ny tenin’Atra satria toky tsy mamitaka ny teniny.
Koa dia tolory an’Atra àry ny harenanao, mba ho fanasoavana ny tenanao sy ny hafa. Fa ny harena dia nomena anao mba hampatsiaro anao an’ILAY nanome, nomeny anao izany noho ny fitiavany anao, ka mba tokony hanome Azy koa hianao @ fo feno fitiavana sy fankasitrahana. Omeo izay mangataka aminao ary aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao. Aza mety ho resin’ny ratsy fa reseo @ soa ny ratsy. Sambatra ny miantra fa izy no hiantrana. Aoka ho mpamindra fo hianareo, tahaka ny rainareo mpamindra fo.
Voninahitra anie ho an’Atra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amen

