Chargement Évènements
  • Cet évènement est passé.

« Tout Évènements

Edito

septembre 15, 2022

FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ORIMBATON’NY FINOANA (FPMOF)
ÉGLISE PROTESTANTE MALGACHE ÉDIFIÉE PAR LA FOI
Ry Fiangonana malala,
« Ampitomboina mandrakariva eo amintsika anie ny fahasoavana avy amin’i Jesosy Kristy Tompontsika velona, sy ny fitiavan’Andrimanitra Ray ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina. »
Amen

Faly manolotra ny arahaba ombam-pirariantsoa ho anareo rehetra mitsidika ity tranokalan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy Orimbaton’ny Finoana (FPMOF) ity.
Mety misy ny zavatra mbola tsy tonga lafatra tsara amin’ity tranokala ity fa hiezaka ny hanatsara azy hatrany isika rehetra.
Maro ny antony nanaovana ity tranokalan’ny Fiangonana ity (Site internet).
Voalohany, endrika iray entina hampiraisana antsika mpianakavin’ny finoana na ireo efa ao anatin’ny Fiangonana na ireo mbola any ivelany fa maniry ny hiray aina hidera, hisaotra ary hankalaza an’Andriamanitra amin’ny hira, amin’ny vavaka, amin’ny toriteny sy amin’ny asa fanompoana hafa rehetra ny nanaovana ity site internet-n’ny Fiangonana ity.
Faharoa, endrika iray hafa koa hanambarana fa isika fiangonana dia fahazavan’izao tontolo izao, tahaka ny kintana manazava narahan’ny Magy izay efa tsy hita intsony fa isika kristiana indray izao.
Araka izany dia misy hafatra roa tiako asongadina amintsika amin’izao fiandohana izao.

Firaisan’ny mpino :
Hoy Jesosy : “ Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao Ray ato amiko. “ (Jaona 17:21)
Anisan’ny vaindohan’ny fangatahan’i Jesosy raha nivavaka Izy ny firaisan’ny mpino.
Eto dia Jesosy tenany mihitsy no mivavaka ho antsika mba hisian’ny firaisana marina amin’ny samy mpino. Hita araka izany fa tena sarobidy amin’i Jesosy ny maha-iray ny kristiana rehetra.
Ary ny firaisana amin’i Kristy Jesosy no mampiray ny kristiana satria Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalany.
Koa dia hiara-mizotra ho amin’Ilay tena lalana isika sy hiray hevitra amin’Ilay tena fahamarinana ary hiray aina amin’Ilay tena fiainana. Ka hanao saina miara-misaina, soroka miara-milanja, tanana miara-mandray ary tongotra miara-mamindra. Koa raha misy lavo an-dalana dia mifanarina, raha misy ketraka sy reraka am-pandehana dia mifanohana, raha misy mihemotra dia mifampitarika sy mifankahery. Izay iray aina iray vatsy. Izany no kristiana miara-mamindra, kristiana mifampitsinjo, miray ao amin’I Kristy Jesosy.

Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao:
Raha miray ao amin’I Krsity Jesosy marina isika dia ho lasa fahazavan’izao tontolo izao araka ny efa nolazainy hoe:”hianareo no fahazavan’izao tontolo” (Matio 5:14). Ary izay manaraka Azy dia tsy mba handeha amin’ny maizina fa hanana fahazavan’aina.
Koa antsoina isika fiangonana, ianao, izaho hitondra ny fahazavan’I KrIsty Jesosy.
Henoy ange ny voalazan’ny mpaminany Isia 60:1-2 :” Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.”
Ka mitsagàna, mihazava hitondra ny mazava eo amin’ny manodidina antsika.
Inona no dikan’izany? Ny fizarana ny tenin’Andriamanitra, ny fitoriana ny filazantsara amin’ny olona rehetra. Miandry antsika Fiangonana araka izany ny Tompo Jesosy, miandry anao, miandry ahy hizara ny vaovao mahafaly ho an’ny hafa mba ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny filazantsara ny jentilisa.

Koa mahereza indrindra àry ry havana ary enga anie ho naman’ny mpandresy hatrany isika ho voninahitr’Andriamanitra.
Pasteur Alain RAZAFINDRATSIMBA

Détails

Organisateur

  • Pasteur Alain R.