CULTE PRESENTIEL AVEC SAINTE CENE

Marc 10 : 6

«Fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona. »

« Mais au commencement de la création, Dieu fit l’homme et la femme.» Marc 10 : 6

Zava-maneno fanombohana – Prélude(Mitsangana)

I-TENY FANOMBOHANA – INVOCATION

Mpitandrina: Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

Fiangonana : Amen ! (Mipetraka ny Fiangonana)

II-FIFAMPIHARABANA – SALUTATION

III- FIDERANA – LOUANGE

Famakiana mifandimby salamo 90:1-2 +12-17

1 Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra Hianao.

2 Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.

12 Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.

13 Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ny mpanomponao.

14 Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ny andro rehetra hiainanay.

15 Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.

16 Aoka hiseho amin’ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ny zanany.

17 Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ny tananay; Eny, ny asan’ny tananay, ampitoero izy.

Amen

IV-VAVAKA FIDERANA- PRIERE DE LOUANGE

(Mipetraka aorian’ny vavaka)

V-VAVAKA FIFONANA – PRIERE

Fiangonana:Ry Rainay be famindrampo ô, ….

Mihira ny fiangonana:

Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô…

VI-TENY FAMELALAN-KELOKA – LE PARDON

VII-TENIN’ANDRIAMANITRA – PAROLE DE DIEU

Mpitandrina : Ho aminareo anie ny Tompo – Le Seigneur soit avec vous !

Fiangonana : Ary ho amin’ny fanahinao koa –Et avec votre esprit.

Vavaka mialoha ny teny – Prière d’illumination

Vakiteny – lecture:

Fiangonana: Ray masina ô,…! Amen

Feo-java maneno – interlude musical

Toriteny – Prédication:

Feo-java maneno malefaka – Interlude musical

VIII-FANEKEM-PINOANA (Mitsangana)

IX-FANASAN’NY TOMPO – SAINTE CENE

Antema1: Masina Masina Masina…

X-FANATITRA FISAORANA – OFFRANDES

Fanolorana rakitra – Présentation des offrandes: Ry tompon’ny harena ô! Fanatitra… (Mitsangana ny Fiangonana)

XI-RAHARAHAM-PIANGONANA + ASSEMBLEE GENERALE EXTRA ORDINAIRE

XII-VAVAKA – PRIERE D’INTERCESSION

XIII-TSODRANO – BENEDICTION

XIV-FANIRAHANA – ENVOI

Mpitandrina: Voninahitra ho an’Andriamanitra…

Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra !

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!

“Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao.” Ohabolana 16:3

Feon-java-maneno firavana – Postlude


FIHIRANA

1. Andriananahary masina indrindra!
Ny anjelinao izay mitoetra Aminao
Mifamaly hoe : Masina indrindra
Andriananahary, Telo Izay Iray.

2. Andriananahary masina indrindra!
Na tsy hita aza izao ny voninahitrao!
Masina indrindra Hianao irery.
Andriananahary, Telo Izay Iray.

3. Zava-manana aina samy mankalaza
Sady manambara Anao Izay Tompony izao;
Hianao irery no mitahy azy,
Andriananahary, Telo Izay Iray.

1. He, tonga ho antsika
Ny Tompo mora fo,
Mpamonjy, havantsika,
Ilay mamindra fo !
Andeha mba hifaly
Isika ry zareo :
Nahazo Mpampifaly,
Ka manandrata feo !

2. Hajao ny Tompontsika,
Mpanjaka lehibe
Andriamanitsika,
Mpanala rofy be ;
Avia mba hidera
Ry mino tsara fo !
Avia manatera
Ny saotra ao am-po !

1. He, ny fiantsoana
Feno fitiavana,
Teny masina sy to,
Ho anao, ry ory fo.

2. Hoy Jesosy Tomponao
 » Manatona Ahy re, »
« Ry miasa fatratra »
« Sy mivesatra entana! »

  1. Avia, ry mangetaheta ô,
    Ka aza dia mba mamoy fo
    Fa indro misy rano velona
    Izay omena mba hamelona
    Anao mahantra sy variana,
    Ry zanak’ondry very làlana !

1. Jeso Tompo lehibe
Iraky ny Rainy ;
Nolatsain’ny marobe
Tsy mba nohajainy !

Fiv : Jeso tia, Jeso tia
Maty voahombo ;
Maty tany Kalvary,
Maty re ny Tompo !

2. Ory loatra fahizay,
Zanak’ondry mora ;
Maty mba ho solonay
Sady voakora !
Jeso tia, sns…

1. Ry Jeso Tompo, Ianao
Isaorako tokoa izao ;
Ny ranao sy ny tenanao
No nihinanako izao !

2. Ry foko faly ambarao
Ny soa azonao izao !
Jesosy monina ao am-po,
Endrey ny hafaliako !

1. O, mandrosoa ry mpanaraton’i Jeso,
‘Zay no baiko azontsika ka mandrosoa
Jesosy Tompo no mibaiko : « Mandrosoa,
Raiso ka arotsahy ny haratonao ! »

Fiv : Miaingà namako ô ! Jeso no mibaiko
Mandrosoa, mandrosoa, mandrosoa tokoa
Aza kivy koa, na dia tsy mahazo
« Mandrosoa amin’ny lalina kokoa ! »

2. O, mandrosoa ry mpanaraton’i Jeso,
Saina mora kivy aoka ho lavinao ;
Fa ny mora kivy dia hanenina tokoa :
« Raiso ka arotsahy ny haratonao ! »
Miaingà, namako ô, sns…

Arovy aho, Tompo,
Atolotro izao
Ny tenako hanompo
Sy hankalaza Anao !
Omeo ahy hery
Sy faharetam-po,
Arovy tsy ho very
Izay anjarako !


VAKITENY

Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. Ary tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan’aina rehetra, dia izany no anarany. Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin’ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. Ary ny taolan-tehezana izay nalain’i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.

Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Fa miendrika Izay anton’ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon’ny famonjena ireo amin’ny fahoriana. Fa iray no nihavian’izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe « rahalahy »

Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Fa miendrika Izay anton’ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon’ny famonjena ireo amin’ny fahoriana. Fa iray no nihavian’izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe « rahalahy »