Miditra ny mpandray anjara miaraka @ Mpitandrina (mitsangana ny rehetra)

I-TENY FANOMBOHANA – INVOCATION

Mpitandrina:Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Au nom du Père, du Fils et du Saint-Esprit.

Fiangonana:Amen

(mipetraka ny Fiangonana)

  1. II-FIFAMPIARAHABANA – SALUTATION APOSTOLIQUE ET ACCUEIL
  1. III-FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA – LOUANGE

FFPM 531/1,2,3 “Ry Jeso loharanonaina”

Famakiana mifandimby ny SALAMO faha- 98 

1 Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.

2 Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.

3Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ny taranak’i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.

4 Mihobia ho an’i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.

5 Mankalazà an’i Jehovah amin’ny lokanga, Dia amin’ny lokanga sy ny feo fihirana,

6 Amin’ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan’i Jehovah Mpanjaka.

IV-VAVAKA FIDERANA – PRIERE de LOUANGE

(mipetraka aorian’ny vavaka)

FFPM 8 “Dera, laza, hery, haja…

V-SITRAPON’ANDRIAMANITRA

VI-VAVAKA FIFONANA SY FIAIKEN-KELOKA – PRIEREDE REPENTANCE & CONFESSION DE PECHE

Raiso ary ny fifonan’ny Fiangonana:

Ry Rainay be famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay ; mamelà ny helokay ; diovy izahay ho afa-pahotana ;

sasao izahay mba ho afa-keloka, ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao.

Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amen.

FFPM 174/1,2 “Fanahy Masina ô!”

VI-TENY FAMELAN-KELOKA SY FIADANANA DECLARATION ET ACCUEIL DU PARDON

(mitsangana ny Fiangonana)

VII-Fifampizarana fiadanana – PARTAGE de PAIX

VIII-FANKALAZANA – GLORIA

O, ry Rain’ny fahazavana tsy milentika!

/

1. O, ry Rain’ny fahazavana tsy milentika!

Avy izahay mitondra ny fisaorana;

Aloky ny fasanay no ipetrahanay,

Nefa andro no nasolonao ny alinay.

2. Enga ka handroso tsara ny mazava e,

Mba ho fantatray tokoa Ilay manao hoe:

“Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”,

Hanazava sy hanitsy izay alehanao.

3. Ny Fitarikandron’aina efa hita re,

Manazava na ny kely na ny lehibe,

Mahasoa, mahahendry, mahasambatra,

Ka akory re ny andro izay hiposaka!

4. Mitsangàna, ry Ziona, ka mihazavà!

Voninahitry ny Tompo no miposaka;

Atopazy manodidina ny masonao,

Ny haren’ny firenena tonga aminao.


Fanahy Masina ô

1. Fanahy Masina ô!
Ny hevitray izao
Ovay ho vao;
Vonoy ny otanay,
Diovinao ‘zahay
Ka ny fanahinay
Onenonao.

2. Fanahy Masino ô!
Tsinjovinao izao
Ny olonao;
Mpananatro ô! Ovay
Ny eritreritray;
Ny hadisoanay
Esorinao.

3. Fanahy hendry ô!
Jereo ‘zahay izao!
Ka hazavao;
Adala izahay,
Mania ny hevitray;
Dia atoroy anay
Ny lalanao.

4. Fanahy Masino ô!
Mba asehoy izao
Ny antranao;
Be tahotra izahay,
Henoy ny hatakay,
Ka ny fanahinay
Ononinao.