Cinquième dimanche du Carême
Avec Sainte-Cène
Prélude – zava-maneno (Miditra ireo Mpitarika, mitsangana ny Fiangonana)
Mpitarika : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Fiangonana : Amena
Fiarahabàna Apôstôlika – Salutation Apostolique
Fanatonana – Fiderana – Louange
Fiantsoana ny anaran’Andriamanitra – Invocation
«Fony Jehovah nampody an’i Ziona avy tamin’ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika. Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho an’ireny. Eny, zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika. Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin’ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan’ny riaka any amin’ny tany atsimo. Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana. Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.»
«Quand l’Éternel ramena les captifs de Sion, Nous étions comme ceux qui font un rêve. Alors notre bouche était remplie de cris de joie, Et notre langue de chants d’allégresse;
Alors on disait parmi les nations: L’Éternel a fait pour eux de grandes choses! L’Éternel a fait pour nous de grandes choses; Nous sommes dans la joie.
Éternel, ramène nos captifs, Comme des ruisseaux dans le midi!
Ceux qui sèment avec larmes Moissonneront avec chants d’allégresse. Celui qui marche en pleurant, quand il porte la semence, Revient avec allégresse, quand il porte ses gerbes.»
Vavaka fiderana – Prière d’Adoration
Vavaka fiaiken-keloka – Conféssion des péchés
Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danintra ô ! mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo mpamonjy izao tontolo izao ! mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay mpampionona ô ! mamindrà fo aminay !
Teny famelan-keloka – Pardon des péchés
(mitsangana)
Ry havana malala, ho antsika izay nibebaka marina tokoa dia henoy ka raiso amin’ny fifaliana sy amin’ny fanantenana eo am-pitsanganana ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra.
« Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy (2Kor5 :17)
Voavela ny helokareo noho’ny Anarany Masina ! Miderà ny Tompo !
« Si quelqu’un est en Christ, il est une nouvelle créature. Les choses anciennes sont passées ; voici, toutes choses sont devenues nouvelles. Et tout cela vient de Dieu, qui nous a réconciliés avec lui par Christ, et qui nous a donné le ministère de la réconciliation. » (2Corinthien 5 :17)
Vos péchés vous son pardonnés par son saint Nom ! Louez le Seigneur !
Ny Fiangonana :
“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isan’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny”. Amena (Sal 32 :1,2)
Fankalazàna
Mpitarika: Voninahitra ho any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany
Zava-maneno – Interlude
Fotoanan’ny Ankizy
Famakiana ny Tenin’Andriamanitra – Lecture de la Bible
Vavaka hampahazava ny Teny – Prière d’illumination
Fiangonana: hisaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara
TORITENY – PRÉDICATION
Feon-javamaneno sy vavaka mangina
Fanekem-pinoana Apostolika
Vaovaon’ny Fiangonana
Fanatitra – Offrande
Fanolorana ny rakitra :
Ankatoky ny Fandraisana
Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo – Saint cène
Mpitarika : Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo
Fiangonana : Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo
Mpitarika : Aoka ho derain-tsika ny Tompo Andriamanitra
Fiangonana : Mendrika ho deraina Izy
Vavaka fanombohana (Préface)
Antema 1 : Masina ! Masina ! Masina ! Jehovah Tompo, feno ny voninahitrao izao rehetr’izao, ry Tompo ô, amen.
Teny Fanorenana (Institution)
Vavaka Fahatsiarovana (Anamnèse)
Fangatahana ny Fanahy Masina (Epiclèse)
Fraction du pain et Elévation de la coupe
Vavaka fanetren-tena :
Tompo ô ! Tsy mendrika hatao hoe zanakao aho.
Tompo ô ! Tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafotranoko aho.
Tompo ô ! Tsy mendrika ny hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy amin’ny latabatrao akory aho.
Kanefa hoy Ianao hoe « Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy » Amena
FANDRAISANA (Communion)
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA – INTERCESSION
TSODRANO – BÉNÉDICTION
Fanirahana – Envoi
Mpitarika : Voninahitra ho an’Andriamanitra Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Mandehàna amin’ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana
Fiangonana : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, AMENA
Feon-java-maneno firavana – Postule
FIHIRANA
.1. Quand je regarde autour de moi
Je vois ta gloire, Seigneur Jésus, je te bénis.
Comment ne pas te louer-er-er,
Seigneur Jésus ! Comment ? Comment ?
2. Quand je regarde autour de moi
Je vois mes frères, Seigneur Jésus, merci pour eux.
Comment ne pas te louer-er-er,
Seigneur Jésus ! Comment ? Comment ?
Isan’andro isan’andro
Dia miantso ny ray
Hoe nankaiza moa ‘zay zanako zay
iIsan’andro isan’andro
Ny famindram-pony
Ianao anie ka tsy afaka ao am-pony
Fa ianao no tsy nety
Hoe handao vetivety
F’izy anie nanomana fety
Tsy hoe tsy nahalala
Tsy zanak’adala
Fa ninia ianao nivoka ny vala
Fa ianao tena tiany
Tsy foiny,tsy ariany
‘zany anie no antony niaviany
Fa raha ho avy ny andro hiverenanao
Fety anie ny ao an-trano ao
Rahoviana ianao vao ho avy
Rahoviana ianao vao mba hody
Rahoviana fa ny Tompo efa sasatra miandry
Miandry ny Dadanao
Rahoviana ianao vao ho avy
Rahoviana ianao vao mba hody
Rahoviana fa ny Tompo efa sasatra miandry
Miandry ny Dadanao
Dia nalefan’ny Ray,’lay Tokana Iray
Jesosy anie ‘lay Izy hatrizay
Tonga Izy hitady
Sy hamonjy ny very
Fa raha mody ianao tsy mandeha irery
Fa ianao mila mino,Jesosy ilay hilo
F’Izy anie no lalan’ny mino
Dia nalefan’ny Ray,’lay Tokana Iray
Jesosy anie ‘lay Izy hatrizay
Tonga Izy hitady
Sy hamonjy ny very
Fa raha mody ianao
Tsy mandeha irery
Fa raha ho avy ny andro hiverenanao
Fety anie ny ao an-trano ao
Rahoviana ianao vao ho avy
Rahoviana ianao vao mba hody
Rahoviana fa ny Tompo efa sasatra miandry
Miandry ny Dadanao
Je suis dans la joie,
IUne joie immense !
Je suis dans l’allégresse,
Car mon Dieu m’a libéré !
Je suis dans la joie,
Une joie immense !
Je suis dans l’allégresse,
Car mon Dieu m’a libéré !
Je chanterai de tout cœur
Les merveilles de Jésus, mon Seigneur !
Il m’a ôté des ténèbres,
Il m’a délivré de tout péché ! (2x
)Je suis dans la joie,
Une joie immense !
Je suis dans l’allégresse,
Car mon Dieu m’a libéré ! (2x)
Car mon Dieu est fidèle,
Il ne m’abandonne jamais !
Je n’ai plus rien à craindre,
Car mon Dieu m’a libéré !
Je suis dans la joie,
Une joie immense !
Je suis dans l’allégresse,
Car mon Dieu m’a libéré ! 2x
.
Il n’y a vraiment personne comme Jésus,
Il n’y a vraiment personne comme Jésus,
Il n’y a vraiment personne comme Jésus,
Il n’y a vraiment personne comme lui.
1. J’ai cherché, cherché, personne, personne,
J’ai cherché, cherché, personne, personne,
J’ai cherché, cherché, personne, personne,
Il n’y a vraiment personne comme lui.
2. J’ai creusé, creusé, personne, personne,
J’ai creusé, creusé, personne, personne,,
J’ai creusé, creusé, personne, personne,.
3. J’ai fouillé, fouillé, personne, personne,
J’ai fouillé, fouillé, personne, personne,
J’ai fouillé, fouillé, personne, personne,
Il n’y a vraiment personne comme lui.
.
1- Cherchez d’abord le royaume de Dieu,
Et sa justice
IEt toutes ces choses vous seront données en plus :
Allélu, Alléluia !
Alléluia, Alléluia
Alléluia, Alléluia, Alléluia
2. L’homme ne vivra pas de pain seulement,
Mais de toute parole,
Qui sortira de la bouche de Dieu :
Allélu, Alléluia !
Allélu, Alléluia !
Allélu, Alléluia !, Alléluia
.
Ambany elatrao no tiako hitoerana
Raha tojo tafiotra ny fiainako
Tsy misy toerana hafa azo antoka
Fa eo Aminao no iriko
Eo anilanao no tiako
Tompo ô matoky aho fa mialoka Aminao
Ny tànanao no manodidina ahy
‘Reo tebitebin’ny fo dia hangina avokoa
Mitsahatra aho ambany elatrao
.Jehovah ô, derainay Hianao!
Ankalazainay ny Anaranao!
:,:Izao rehetra izao manaja Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:
Mpanjakanay sy Tompo masina
Omenay eram-po ny hasina
:,:Izao rehetra izao mihoby Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:
.Ry Fanahy mpanazava
Miandrandra Anao ‘zahay,
Aza ela fa tongava,
Taomy ny fanahinay !
Mba ho fantatray mazava
‘Zay lazain’ny Teninao,
Areheto lalandava
Ao am-po ny afonao !
Ry Jesosy, mitenena
Araka ny fombanao
Aminay izay manantena
Mba handre ny feonao !
Fo marary sy manahy
Mba tsaboy sy iantrao ;
Ny te hino fa tsy sahy,
Anehoy ny holatrao !
Miorena mafy tsara
Amin’Ilay vatosoa
Mandrosoa, mifahara,
Mifikira mafy koa.
He! Ny Tompo manambara
Fa ho sambatra tokoa,
Ka ho tsara miafara
Ny mpanompo mahasoa.
Raha misy fahoriana
‘Zay midona aminao,
Raiso re ho fitahiana
‘Zay omen’ny Tomponao;
Fa ny lalam-pijaliana
‘Zay alehanao izao
Dia mamelom-paniriana
Hitomboan’ny herinao.
Miadia ny ady tsara,
Ho mpandresy hianao;
Tontosay izay anjara
Eo am-pelantananao;
Jeso Tompo no mijery
Sy mahita ny atao,
Koa tsy mba hisy very
‘Zay rehetra vitanao.
Ry Jesosy, mitenena
Araka ny fombanao
Aminay izay manantena
Mba handre ny feonao !
Fo marary sy manahy
Mba tsaboy sy iantrao ;
Ny te hino fa tsy sahy,
Anehoy ny holatrao !
Maniry mafy aho, ry Jeso Tompo ô,
Hialoka eo ambany hazo fijalianao ;
Tsy misy toeran-kafa re ‘zay tena mamiko,
Ny hazo fijalianao no fiarovako !
Ny latabatrao, ry Jeso,
Dia atrehinay izao ;
Ny fanahinay vokiso
Amin’ny fitianao !
1. Nahafoy ny aiko Aho
Hanavotako anao.
Ka nalatsako ny rako,
Nisoloako anao.
He! ny aiko no nomeko
Ry mpanota very e!
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?
2. Lapan-dRaiko ao ambony,
Voninahi-dehibe,
No nilaozako hamonjy
Sy hanafa-doza anao,
‘Zay voafitaky satana
Sy nozoin-doza be;
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?
3. Soa be sy mahagaga
No natolotro anao,
Famonjena tsy vidina,
Famelana ny otanao,
Fitiavan-tsy voafetra,
Lova ao an-danitra ao;
Aiza izay afoinao re
Mba ho Ahy Tomponao?
4. Indro Tompo! Fa omeko
Ho Anao ny tenako,
Ka tsy misy izay tsy foiko
‘zay rehetra tianao;
Eso, latsa, tsy ahoako,
Fa ny ho mpanomponao
No ho zavatra kendreko,
Raiso re ny zanakao.
VAVAKA
Isaia 43 :16-21
16 Izao no lazain’i Jehovah, Izay manao lalana eny amin’ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ny rano manonja, 17 Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy mahery miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro: 18 Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. 19 Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany sao no hasiako ony; 20 Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin’ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. 21 Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
Filipiana 3 : 8 – 14
Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy; 9ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ny lalàna, fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny finoana; 10eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ny fijaliany ka hampitovina amin’ny endriky ny fahafatesany, 11raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ny maty. 12Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesosy ahy. 13Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, 14eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.
Jaona 8 : 1 – 11
[fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva 2Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan’ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy 3Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy, 4dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga 5Ary ao amin’ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao? 6Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsan-tànany 7Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany 8Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsan-tànany 9Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin’ny zokinjokiny ka hatramin’ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo 10Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va? 11Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony]
