Culte

Prélude – zava-maneno (Miditra ireo Mpitarika, mitsangana ny Fiangonana)

Mpitarika  : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Fiangonana : Amena


Fiarahabàna Apôstôlika – Salutation Apostolique


Fanatonana – Fiderana – Louange


Fiantsoana ny anaran’Andriamanitra – Invocation


«Jehovah ô, toroy ny lalan’ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin’ny farany izany. Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ny foko rehetra aho. Ampandehano amin’ny lalan’ny didinao aho; Fa izany no sitrako. Amporisiho ny foko ho amin’ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ny fieremana. Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin’ny lalanao aho. Tovy ny teninao amin’ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra. Esory ny fahafaham-baraka. izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao. Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin’ny fahamarinanao »

Salamo 119 :33-40

« Enseigne-moi, Éternel, la voie de tes statuts, Pour que je la retienne jusqu’à la fin ! Donne-moi l’intelligence, pour que je garde ta loi Et que je l’observe de tout mon cœur ! Conduis-moi dans le sentier de tes commandements ! Car je l’aime. Incline mon cœur vers tes préceptes, Et non vers le gain ! Détourne mes yeux de la vue des choses vaines, Fais-moi vivre dans ta voie ! Accomplis envers ton serviteur ta promesse, Qui est pour ceux qui te craignent ! Éloigne de moi l’opprobre que je redoute ! Car tes jugements sont pleins de bonté. Voici, je désire pratiquer tes ordonnances : Fais-moi vivre dans ta justice !»

Psaume 119 :33-40


Vavaka fiderana – Prière d’Adoration


Fiaiken-keloka – Conféssion des péchés


Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danintra ô ! mamindrà fo aminay !

Ry Jesosy Tompo mpamonjy izao tontolo izao ! mamindrà fo aminay !

Ry Fanahy Masina Tomponay mpampionona ô ! mamindrà fo aminay !

Teny famelan-keloka – Pardon des péchés

(mitsangana)


Ry havana malala, ho antsika izay nibebaka marina tokoa dia henoy ka raiso amin’ny fifaliana sy amin’ny fanantenana eo am-pitsanganana ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra.

Hiara-mitsangana isika.

Hoy Jehovah aminao :

«Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao»

«Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.» Isa 48 :9 ; Jer 31 :3

Voavela ny helokareo noho’ny Anarany Masina ! Miderà ny Tompo !

Voici ce que l’Eternel te dit :

«A cause de mon nom, je suspends ma colère ; A cause de ma gloire, je me contiens envers toi»

Esa 48 :9, Jer 31 :3

Vos péchés vous son pardonnés par son saint Nom ! Louez le Seigneur !


Ny Fiangonana :
“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isan’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny”. Amena (Sal 32 :1,2)

Fankalazàna


Mpitarika: Voninahitra ho any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra

Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany


Zava-maneno – Interlude


Famakiana ny Tenin’Andriamanitra – Lecture de la Bible


Vavaka hampahazava ny Teny – Prière d’illumination


Fiangonana: hisaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara


Fotoanan’ny Ankizy


TORITENY – PRÉDICATION


Fanekem-pinoana – Confession de foi


Vaovaon’ny Fiangonana


Raki-pisaorana – Offrande


Fanolorana ny rakitra :

VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA – INTERCESSION


TSODRANO – BÉNÉDICTION


Fanirahana – Envoi

Mpitarika : Voninahitra ho an’Andriamanitra Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Mandehàna amin’ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana

Fiangonana : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, AMENA

Feon-java-maneno firavana – Postule



Mamela heloka isan’andro

Mamela heloka isan'andro
Ianao Jesoa, Zoky be fitia (be fitia)
Nefa, nefa re, indrisy!
Fa lotoiko, fa lotoiko tamin'ny otako.

O! o! Miantsoantso aho e:
Ray malala ô (Ray malala),
O! o! Atsangano aho,
Atsangano aho fa efa trotraka.

Tsaroako dia tsaroako, eny,
Ny hadisoako, zoky be fitia (be fitia)
Kanefa, nefa re, indrisy!
Fa fiadanana, fa fiadanana no katsahiko.



Cherchez d’abord le royaume de Die
u

Cherchez d’abord le royaume de Dieu,
Et sa justice
Et toutes ces choses vous seront données en plus : 
Allélu, Alléluia !
 
Alléluia, Alléluia 
Alléluia, Allelu Alléluia
 
L'homme ne vivra pas de pain seulement, 
Mais de toute parole 
Qui sortira de la bouche de Dieu : 
Allélu, Alléluia !
 
Alléluia, Alléluia 
Alléluia, Allelu Alléluia


Manana anao

Efa reraky ny fiainana aho
Tsy nahita izay nombana intsony
Saika latsaka tanatin’ny famoizam-po aho
Tsy haiko intsony izay natao

Soa fa tonga Ianao nanarina ahy
Nampitraka, namonjy ny fanahy
Nositraninao ‘lay fery tato anatiko
Izay nandratra ny foko

Manana aho Tompo ô!
Fa manana Anao
Niova ny fiainako
Tompo ô! Tao Aminao

Tsy nanenina aho
Raha nandray Anao
Tsy ho toy izao ny fiainako
Raha toa tsy tao Aminao

Tiako ianao

Tiako Ianao e,
Tena mamiko e,
Tena tiako indrindra, Malalan'ny foko Ianao Jesosy o!
Tsy hatakaloko an'iza n'iza
Tsy ho soloiko n'inona n'inona e
Fa hatramin'ny farany, ny antsika sy Ianao
Hatramin'ny farany

Afoiko izay mamin'ny foko ety
dia omeko Anao
Na handao ahy aza izao tontolo izao
Izaho tsy hiala Aminao
Na faly aho, nalahelo aho teo foana Ianao
Narary aho, nania aho tsy nilaozanao
Ka inty aho mivoady fa Anao, Anao hatramin'ny farany

Tiako Ianao e,
Tena mamiko e,
Tena tiako indrindra, malalan'ny foko Ianao Jesosy o!
Tsy hatakaloko an'iza n'iza
Tsy ho soloiko n'inona n'inona e
Fa hatramin'ny farany, ny antsika sy Ianao
Hatramin'ny farany

Afoiko izay mamin'ny foko ety
dia omeko Anao
Na handao ahy aza izao tontolo izao
Izaho tsy hiala Aminao
Na faly aho, nalahelo aho teo foana Ianao
Narary aho, nania aho tsy nolaozanao
Ka inty aho mivoady fa Anao, Anao hatramin'ny farany

Tiako Ianao e,
Tena mamiko e,
Tena tiako indrindra, malalan'ny foko Ianao Jesosy o!
Tsy hatakaloko an'iza n'iza
Tsy ho soloiko n'inona n'inona e
Fa hatramin'ny farany, ny antsika sy Ianao
Hatramin'ny farany

Tiako Ianao e,
Tena mamiko e,
Tena tiako indrindra, malalan'ny foko Ianao Jesosy o!
Tsy hatakaloko an'iza n'iza
Tsy ho soloiko n'inona n'inona e
Fa hatramin'ny farany, ny antsika sy Ianao
Hatramin'ny farany

Tsy hatakaloko an'iza n'iza
Tsy ho soloiko n'inona n'inona e
Fa hatramin'ny farany, ny antsika sy Ianao
Hatramin'ny farany
Fa hatramin'ny farany, ny antsika sy Ianao
Hatramin'ny farany
Fa hatramin'ny farany, ny antsika sy Ianao
Hatramin'ny farany


Famonjena tsy vidiana

1-Misy famonjena anie
Ho anao zay reraka ao am-po
Ka na ory ianao na manam-be
Dia mitovy avokoa
Fa tsy misy hafa eo amin?y Ray
Satria ny vola mantsy
tsy mahavonjy ny fanahy

2-Ireo ratsy rehetra vitanao
Adinoy avokoa ka ibebaho
Fa raha miaiky ny helokao ianao
Izy hamela anao
Koa mba manantona
Raha mandre ny feo
Araraoty ny fotoana
Ndrao ianao ho very eo

REF :
Andriamanitra irery no antsoy
Raha sendra misy maha ory anao
Ka ny tena izay lazainy no henoy
Sy hankatoavy dia ho vonjena
ianao,ianao


FF 8 – Masoko manganohano



1. Masoko manganohano,
Nitomany feno rano
Noho ny helok’efa vita,
Dia mitony raha nahita
Masonao be fiantra
Ry Mpamonjy ny mahantra
O Voavotrao ‘lay very
Ry fitiavana mahery.

2.Tanako mangadihady
Nisarangotra nitady
Fanavotana sy Vonjy
F’efa resy ka nilonjy.
Dia noraisinao ry Tompo
Na dia tànana maloto
O voavotrao ‘lay very
Ry Fitiavana mahery.

3. Foko tena fahavalo
Nefa resy ka mimalo
Raha nifona fa naditra
Hitanao nipitrapitra.
Babo ka tsy afaka ho aiza
’Zay noraisinao ho sakaiza
O voavotrao ‘lay very
Ry Fitiavana mahery.


808 – Eo an-tratranao Jesosy



1. Eo an-tratranao Jesosy
Dia mahafinaritra;
Fa ny hafa mampahory
Ka tsy mahasambatra.
Raha Hianao no aro
Afaka ny tahotro,
Raiso ho Anao ny foko
Ry Jesosy tia ô.

2. Mampifaly ahy koa.
Jeso, ny fitianao;
Zara mamiko tokoa
Izany ampofoinao;
Na matory na mifoha
Dia eo an-tratranao;
Ry Mparnonjy Tompo soa,
Hoderaiko Hianao.

3. Izaho tena tsy tamàna,
Raha lavitra Anao
Fa mitebiteby lava
lzay tsy eo ankaikinao;
Eo an-tratranao, Jesosy,
Tsara hitoerako,
Eo ihany e! no misy
Zava-tsoa mahafa-po.


FF 41 – Jesoa no Mpanavotra



O! iza, iza?
Iza no hamonjy ahy
Iza, iza no hamonjy ahy re ?
Fa rerak’aho e
Fa dia reraka
Milonjy entam-pahotana
Fahotana be

O! manatona
Manatona an’i Jesoa
Fa Izy ihany
Izy no hamonjy anao
Fa noreseny
Efa noreseny na
Ny fasan’aza dia
Ny fahafatesana ! Ny fasan’aza !
Efa noreseny izao
Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao
Ka mba mifalia !
Mifalia ianao
Fa Jesoa Tompo no
Mpanavotra anao

Ry Jesoa Tompo ô !
Ry Jesosy Tompo ô !
Mba raiso re ny foko
Ho anao izao !
Fa famonjena fanavotan-dehibe
Sy avotr’aina koa
No he atolotrao Fa novonoina !
Novonoina Ianao
Hisolo voina
Mba hisolo voina anay

Fa noresenao
Efa noresenao na
Ny fasan’aza dia
Ny fahafatesana
Ny fasan’aza !
Efa noreseny izao
Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao
Ka mifaly re !
Ka mifaly izahay
Fa Jesoa Tompo no
Mpanavotra anay !

VAVAKA


Acte des apôtres

34 Alors Pierre, ouvrant la bouche, dit: En vérité, je reconnais que Dieu ne fait point acception de personnes,

35 mais qu’en toute nation celui qui le craint et qui pratique la justice lui est agréable.

36 Il a envoyé la parole aux fils d’Israël, en leur annonçant la paix par Jésus Christ, qui est le Seigneur de tous.

37 Vous savez ce qui est arrivé dans toute la Judée, après avoir commencé en Galilée, à la suite du baptême que Jean a prêché;

38 vous savez comment Dieu a oint du Saint Esprit et de force Jésus de Nazareth, qui allait de lieu en lieu faisant du bien et guérissant tous ceux qui étaient sous l’empire du diable, car Dieu était avec lui.

39 Nous sommes témoins de tout ce qu’il a fait dans le pays des Juifs et à Jérusalem. Ils l’ont tué, en le pendant au bois.

40 Dieu l’a ressuscité le troisième jour, et il a permis qu’il apparût,

41 non à tout le peuple, mais aux témoins choisis d’avance par Dieu, à nous qui avons mangé et bu avec lui, après qu’il fut ressuscité des morts.

42 Et Jésus nous a ordonné de prêcher au peuple et d’attester que c’est lui qui a été établi par Dieu juge des vivants et des morts.

43 Tous les prophètes rendent de lui le témoignage que quiconque croit en lui reçoit par son nom le pardon des péchés.


Apocalypse 1:9-19

 Moi Jean, votre frère, et qui ai part avec vous à la tribulation et au royaume et à la persévérance en Jésus, j’étais dans l’île appelée Patmos, à cause de la parole de Dieu et du témoignage de Jésus.

10 Je fus ravi en esprit au jour du Seigneur, et j’entendis derrière moi une voix forte, comme le son d’une trompette,

11 qui disait: Ce que tu vois, écris-le dans un livre, et envoie-le aux sept Églises, à Éphèse, à Smyrne, à Pergame, à Thyatire, à Sardes, à Philadelphie, et à Laodicée.

12 Je me retournai pour connaître quelle était la voix qui me parlait. Et, après m’être retourné, je vis sept chandeliers d’or,

13 et, au milieu des sept chandeliers, quelqu’un qui ressemblait à un fils d’homme, vêtu d’une longue robe, et ayant une ceinture d’or sur la poitrine.

14 Sa tête et ses cheveux étaient blancs comme de la laine blanche, comme de la neige; ses yeux étaient comme une flamme de feu;

15 ses pieds étaient semblables à de l’airain ardent, comme s’il eût été embrasé dans une fournaise; et sa voix était comme le bruit de grandes eaux.

16 Il avait dans sa main droite sept étoiles. De sa bouche sortait une épée aiguë, à deux tranchants; et son visage était comme le soleil lorsqu’il brille dans sa force.

17 Quand je le vis, je tombai à ses pieds comme mort. Il posa sur moi sa main droite en disant: Ne crains point!

18 Je suis le premier et le dernier, et le vivant. J’étais mort; et voici, je suis vivant aux siècles des siècles. Je tiens les clefs de la mort et du séjour des morts.

19 Écris donc les choses que tu as vues, et celles qui sont, et celles qui doivent arriver après elles.


Jean 20. 19-31

19 Le soir venu, en ce premier jour de la semaine, alors que les portes du lieu où se trouvaient les disciples étaient verrouillées par crainte des Juifs, Jésus vint, et il était là au milieu d’eux. Il leur dit : « La paix soit avec vous ! »

20 Après cette parole, il leur montra ses mains et son côté. Les disciples furent remplis de joie en voyant le Seigneur.

21 Jésus leur dit de nouveau : « La paix soit avec vous ! De même que le Père m’a envoyé, moi aussi, je vous envoie. »

22 Ayant ainsi parlé, il souffla sur eux et il leur dit : « Recevez l’Esprit Saint.

23 À qui vous remettrez ses péchés, ils seront remis ; à qui vous maintiendrez ses péchés, ils seront maintenus. »

24 Or, l’un des Douze, Thomas, appelé Didyme (c’est-à-dire Jumeau), n’était pas avec eux quand Jésus était venu.

25 Les autres disciples lui disaient : « Nous avons vu le Seigneur ! » Mais il leur déclara : « Si je ne vois pas dans ses mains la marque des clous, si je ne mets pas mon doigt dans la marque des clous, si je ne mets pas la main dans son côté, non, je ne croirai pas ! »

26 Huit jours plus tard, les disciples se trouvaient de nouveau dans la maison, et Thomas était avec eux. Jésus vient, alors que les portes étaient verrouillées, et il était là au milieu d’eux. Il dit : « La paix soit avec vous ! »

27 Puis il dit à Thomas : « Avance ton doigt ici, et vois mes mains ; avance ta main, et mets-la dans mon côté : cesse d’être incrédule, sois croyant. »

28 Alors Thomas lui dit : « Mon Seigneur et mon Dieu ! »

29 Jésus lui dit : « Parce que tu m’as vu, tu crois. Heureux ceux qui croient sans avoir vu. »

30 Il y a encore beaucoup d’autres signes que Jésus a faits en présence des disciples et qui ne sont pas écrits dans ce livre.

31 Mais ceux-là ont été écrits pour que vous croyiez que Jésus est le Christ, le Fils de Dieu, et pour qu’en croyant, vous ayez la vie en son nom.

IManambara ny finoantsika an’ i Jesoa Kristy isika, dia araka ny tenin’ i Jaona Mpanao Batisa hoe : « Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao. » Jao 1.29
Sy araka ny teny natoan’ i Andrea hoe : « Efa nahita ny Mesia izahay » Jao 1.41

Sy araka ny teny nataon’i Natanaela hoe: « Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’ny Israely » Jao 1.49

Sy araka ny teny nataon’ny Samaritana hoe : « Ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. » Jao 4.42
Sy araka ny teny nataon’ i Petera hoe : « Ianao no Kristy Zanak’ Andriamanitra velona. » Mat 16.16. 

« Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. » Jao 6.68

Ary araka ny teny nataon’ i Tomasy hoe : 

« Tompoko sy Andriamanitro » Jao 20.28
Amena.

Nous proclamons notre foi en Jésus-Christ selon la parole de Jean Le Baptiste :

« Voici l’agneau de Dieu qui enlève le péché du monde. » Jn 1 :29

Et selon ce qu’a déclaré André : « Nous avons trouvé le Messie. » Jn1 :41

Selon ce qu’a déclaré Nathanaël : « Tu es le fils de Dieu, tu es le Roi d’Israël » Jn 1 .49 

Selon ce qu’ont déclaré les Samaritains : « Nous l’avons entendu nous-mêmes, Et nous le savons : le Sauveur du monde, c’est vraiment lui ! » Jn 4 :42

Selon ce qu’a proclamé Pierre : « Tu es le Messie, le Fils du Dieu vivant. » Mt 16 :16

« Tu as les paroles de la vie éternelle. » Jn 6 :68

Et selon la conféssion de Thomas : « Mon Seigneur et mon Dieu ! » Jn 20 :28

Amen