Culte
Prélude – zava-maneno (Miditra ireo Mpitarika, mitsangana ny Fiangonana)
Mpitarika : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Fiangonana : Amena
Fiarahabàna Apôstôlika – Salutation Apostolique
Fanatonana – Fiderana – Louange
Fiantsoana ny anaran’Andriamanitra – Invocation
«Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra! nataonao eny amin’ny lanitra ny voninahitrao. Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy. Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy? Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony, Dia ny ondry aman’osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa, Mbamin’ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin’ny lalan-dranomasina. Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!» (Salamo 8)
«Éternel, notre Seigneur! Que ton nom est magnifique sur toute la terre! Ta majesté s’élève au-dessus des cieux. Par la bouche des enfants et de ceux qui sont à la mamelle Tu as fondé ta gloire, pour confondre tes adversaires, Pour imposer silence à l’ennemi et au vindicatif. Quand je contemple les cieux, ouvrage de tes mains, La lune et les étoiles que tu as créées: Qu’est-ce que l’homme, pour que tu te souviennes de lui? Et le fils de l’homme, pour que tu prennes garde à lui? Tu l’as fait de peu inférieur à Dieu, Et tu l’as couronné de gloire et de magnificence. Tu lui as donné la domination sur les œuvres de tes mains, Tu as tout mis sous ses pieds, Les brebis comme les bœufs, Et les animaux des champs, Les oiseaux du ciel et les poissons de la mer, Tout ce qui parcourt les sentiers des mers. Éternel, notre Seigneur! Que ton nom est magnifique sur toute la terre!» (Psaume 8)
Vavaka fiderana – Prière d’adoration
Fiaiken-keloka – Conféssion des péchés
Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danintra ô ! mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo mpamonjy izao tontolo izao ! mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay mpampionona ô ! mamindrà fo aminay !
Teny famelan-keloka – Pardon des péchés
(mitsangana)
« Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao » (Isaia 48 :9)
Ny Fiangonana : “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isan’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny”. Amena(Sal 32 :1,2)
Fankalazàna
Mpitarika: Voninahitra ho any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany
Zava-maneno – Interlude
Famakiana ny Tenin’Andriamanitra – Lecture de la Bible
Vavaka hampahazava ny Teny – Prière d’illumination
Fiangonana: hisaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara
Fotoanan’ny Ankizy
TORITENY – PRÉDICATION
Fanekem-pinoana 3 – Confession de foi 3
Vaovaon’ny Fiangonana
Raki-pisaorana – Offrande
Fanolorana ny rakitra:
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA – INTERCESSION
TSODRANO – BÉNÉDICTION
Fanirahana – Envoi
Mpitarika : Voninahitra ho an’Andriamanitra Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Mandehàna amin’ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana
Fiangonana : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, AMENA
Feon-java-maneno firavana – Postule
FIHIRANA
FFPM 12 – Jehovah ô, derainay Hianao!
1. Jehovah ô, derainay Hianao!
Ankalazainay ny Anaranao!
:,:Izao rehetra izao manaja Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:
2. Mpanjakanay sy Tompo masina
Omenay eram-po ny hasina
:,:Izao rehetra izao mihoby Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:
3. Ry Masina manerinerina,
Jehovah be fitia sy marina!
:,:Izao rehetra izao misaotra Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:
4. Manerana izao tontolo izao
Ny laza sy ny voninahitrao
:,:Izao rehetra izao hanoa Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:
5. Andriananahary masina ô
Tanteraka ny fiandriananao
:,:Izao rehetra izao mitsaoka Anao,
Fa Rainay ho mandrakizay :,:
354 – Ny Mpamonjy no mitady fihavanana aminao
1. Ny Mpamonjy no mitady
Fihavanana aminao,
Izy no manambitamby
Hanatonanao izao ;
Sao manjary fandatsana
Ny fifonana aminao,
Ka ny mety mihavana
Amin’ny Mpamonjy izao !
4. Indrisy be ny fahotako,
Be ny ratsy vitako !
Sao tsy raisin’ny Mpamonjy
Ny mpanota tahaka izao ?
Miverena fa ny rany
Ampy hahadio anao !
Manatòna hosasany
lzao ankehitriny izao !
FF 20 – Jesoa Fitiavana
Efa trotraky ny adin-tsaina
Vao mba mahatsiaro anao ry Tompo
Menatra aho tsy sahy mitaraina
Ry Jesoa Fitiavana
Kanjo tambitamby, safosafo
No nasetrinao ny ditrako
Eny tsapako fa novidiana lafo
Tamin’ ny Ranao ny tenako
Jesoa Malalako! tafio ny herinao
Hahaizako mandresy ny fakam-panahy
He, tsinontsinona izao tontolo izao
Fa fanimbana tena, saina sy fanahy
Ho reharehako ilay tanambokovoko
Hihamina eo anilanao anie ny foko
Fa eo anilanao tsy misy ny toloko
Eo no mahatsara ahy, Jesoa
175 – Avia, Fanahy ô, fanahy Masino ô
1. Avia, Fanahy ô,
Fanahy Masino ô!
Midina eto aminay
Hitari-dalana.
4. Avia Mpananatro ô!
Mombà anay tokoa;
Ampahatsiarovinao!
Ny teny mahasoa,
6. Mitomoera aty
Anatin’ny fonay;
Izany indrindra Tompo ô,
No angatahinay!
471 – He sambatra aho, Jeso
1. He sambatra aho, Jeso,
Raha miaraka Aminao
Fa ny lalanao dia lavim-pahoriana !
Ny ali-mampahory, ny raho-mitatao
Eo anilanao dia mody fitahiana !
Tano aho, Jeso, hiaraka Aminao
Izay làlana ombako e, mba hazavao !
2. Izao no faniriako manetsika ny fo :
Ho sakaizanao mandrakizay doria
N’inona mihatra, na inona manjo,
Ianao no antenaiko hitantana ny dia !
O avia, Jeso, tano aho e,
Tantanonao ny diako, Tompo, mamonje !
3. Izay sakaizanao, Jeso, no ampoky ny soa,
Feno haravoana sy lavitra manjo !
Izay rehetra ilaina anananao tokoa,
Raha miaraka Aminao mionona ny fo.
Sambatra aho Jeso, tretrika tokoa
Ravo ny fanahiko toloranao ny soa !
4. Inona no mamiko mihoatra noho Ianao ?
Tompo manan-kery sy loharanon-tsoa ?
Izay zavatra ilaiko azoko Aminao
Koa onenonao ny foko, ho lapanao tokoa !
Manjakà, Jeso, ato am-poko Ianao,
Izay fahotako e, ry Tompo, avelao !
430 – Endrika sariaka
1. Endrika sariaka no
Anompoako Anao,
Jehovah Ray !
Fa tafika nidika
Izaho dia olonao mandrakizay !
He, ny foko afa-jaly
Tena ravo, sady falifaly !
Fiv : Ka endrika sariaka no
Anompoako Anao Jehovah Ray !
2. Fa tsaroan’izany saiko,
Mandra-maty ho tadidiko
Ny nanavotanao ny aiko,
Ilay fanahy sarobidiko !
Fa nomena fahendrena
Izay ekena fa ny famonjena
Ka endrika sariaka sns…
3. Be ny zavatra mihatra
Mampahory sy mandrera-po ;
Kanefa ireny tsy handratra
Ny arovanao, ry Ilay Tsitoha !
Fa ny fony tena tony
Tsy mba kivy, tsy mba taitra intsony !
Ka endrika sariaka sns…
4. Misy ve ny mampanahy
Sy ny zava-manahirana ?
He, tsy kivy ny fanahy
Fa hijoro ka ho mirana !
Fa Jehovah, Ray mahery
Miandany sady koa mijery
Ka endrika sariaka sns…
AN 16 – Isaoranay Jehovah Tomponay
Isaoranay Jehovah Tomponay, isaoranay Andriamanitray; fa be fitia ny Tomponay, ny Tompo tia anay, Mpanjaka tia, Mpamindra fo. Deraina Hianao. Isaoranay izao, fa be fiantra Hianao, Mpanjaka be fitia. Isaoranay ny Tomponay. Ny tany aty mandray fitahiana; ny lanitra ary mamoaka ny soa, ka misy tokoa ny vokatra tsara, Jehovah Tsitoha manambina anay. Deraina ny Anaranao Andriamanitray. He! faly izahay izao manao ny hiranay! Isaoranay Andriananaharinay Mpanjaka be fitia.
VAVAKA
Josué 24: 13-15
13 Je vous donnai un pays que vous n’aviez point cultivé, des villes que vous n’aviez point bâties et que vous habitez, des vignes et des oliviers que vous n’aviez point plantés et qui vous servent de nourriture.
14 Maintenant, craignez l’Éternel, et servez-le avec intégrité et fidélité. Faites disparaître les dieux qu’ont servis vos pères de l’autre côté du fleuve et en Égypte, et servez l’Éternel.
15 Et si vous ne trouvez pas bon de servir l’Éternel, choisissez aujourd’hui qui vous voulez servir, ou les dieux que servaient vos pères au delà du fleuve, ou les dieux des Amoréens dans le pays desquels vous habitez. Moi et ma maison, nous servirons l’Éternel.
Éphésiens 5: 25-31
125 Maris, aimez votre femme comme Christ a aimé l’Eglise. Il s’est donné lui-même pour elle 26 afin de la conduire à la sainteté après l’avoir purifiée et lavée par l’eau de la parole, 27 pour faire paraître devant lui cette Eglise glorieuse, sans tache, ni ride, ni rien de semblable, mais sainte et irréprochable. 28 C’est ainsi que les maris doivent aimer leur femme comme leur propre corps. Celui qui aime sa femme s’aime lui-même. 29 En effet, jamais personne n’a détesté son propre corps. Au contraire, il le nourrit et en prend soin, tout comme le Seigneur le fait pour l’Eglise 30 parce que nous sommes les membres de son corps, [formés de sa chair et de ses os]. 31 C’est pourquoi l’homme quittera son père et sa mère, s’attachera à sa femme, et les deux ne feront qu’un.[a]
Jean 15 : 13-15
213 Il n’y a pas de plus grand amour que de donner sa vie pour ses amis.
14 Vous êtes mes amis, si vous faites ce que je vous commande.
15 Je ne vous appelle plus serviteurs, parce que le serviteur ne sait pas ce que fait son maître; mais je vous ai appelés amis, parce que je vous ai fait connaître tout ce que j’ai appris de mon Père.
Fenekem-Pinoana N°3
Izaho mino an’Andriamanitra tokana / Ray Tsitoha / nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra, na hita na ny tsy hita.
Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana / Zanaka lahitok’ Andriamanitra / teraky ny Ray talohan’ izao rehetra izao.
Andriamanitra avy amin’ny Andriamanitra / Fahazavana avy amin’ny Fahazavana /
Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina / nateraka fa tsy natao / iray fomba amin’ny Ray / Izy no nahariana izao rehetra izao / nidinina avy any an-danitra ho antsika olombelona sy ho famonjena antsika /
ary tonga nofo tao amin’i Maria Virijiny noho ny herin’ny Fanahy Masina / ka tonga olombelona / nohomboana tamin’ny hazofijaliana ho antsika tamin’ny andron’ny Pontio Pilato / nijaly ary nalevina /
Nitsangana velona tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina / niakatra any an-danitra / mipetraka eo an-kavanan’ny Ray / ary ho avy indray amim-boninahitra hitsara ny velona sy ny maty / ka tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany / Izaho mino ny Fanahy Masina Tompo sy Mpamelona avy amin’ny Ray sy ny Zanaka / itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka / ary niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany /
Izaho mino ny Fiangonana iray / Masina, manerana izao rehetra izao, araka ny fanorenan’ny Apostoly /
Izaho manaiky Batisa iray ho famelan-keloka / ary miandry ny fitsanganan’ny maty sy ny fiainana ho avy.
Amena
JJe crois en un seul Dieu, le Père tout-puissant,
Créateur du ciel et de la terre, de l’univers visible et invisible.
Je crois en un seul Seigneur, Jésus Christ, le Fils unique de Dieu, né du Père avant tous les siècles
Il est Dieu, né de Dieu, lumière, née de la lumière,
vrai Dieu, né du vrai Dieu,
engendré, non pas créé, de même nature que le Père, et par lui tout a été fait.
Pour nous les hommes, et pour notre salut,
il descendit du ciel ; par l’Esprit Saint,
il a pris chair de la Vierge Marie, et s’est fait homme.
Crucifié pour nous sous Ponce Pilate,
il souffrit sa passion et fut mis au tombeau.
Il ressuscita le troisème jour,
comformément aux Ecritures, et il monta au ciel ;
il est assis à la droite du Père.
Il reviendra dans la gloire, pour juger les vivants et les morts ;
et son règne n’aura pas de fin.
Je crois en l’Esprit Saint, qui est Seigneur et qui donne la vie ;
il procède du Père et du Fils ; avec le Père et le Fils,
il reçoit même adoration et même gloire ;
