FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ORIMBATON’NY FINOANA PONTOISE (FPMOF)
CULTE PRESENTIEL AVEC SAINTE CENE
PENTECÔTE + CONFIRMATION
ALAHADY FAHA-19 MAI 2024 @ 14H30
« Ny Fanahin’ny fahamarinana (…) no ho vavolombelona hanambara Ahy.” Jn 15:26
“L‘Esprit de vérité (…) rendra témoignage de moi;» Jn 15 :26
Mpitandrina :Pasteur Alain Razafindratsimba
Zavamaneno fanombohana – Prélude(Mitsangana)
I-TENY FANOMBOHANA – INVOCATION
Mpitandrina : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
Fiangonana: Amen ! (Mipetraka ny Fiangonana)
II – FIFAMPIARAHABANA – SALUTATION
III – FIDERANA – LOUANGE
FFPM 176/1,2,3 “Avia, Fanahy Masina ô”
Famakiana mifandimby Psaumes 33:1-8
1Mihobia ho an’i Jehovah ianareo, ry olo-marina ; fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana.
2 Miderà an’i Jehovah amin’ny lokanga; mankalazà Azy amin’ny valiha tory folo.
3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy ; mitendre tsara amin’ny feo fifaliana.
4 Fa mahitsy ny tenin’i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’i Jehovah ny tany.
6 Ny tenin’i Jehovah no nanaovana ny lanitra ; ary ny fofonain’ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
8 Aoka hatahotra an’i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao. Amen
IV – VAVAKA FIDERANA – PRIERE DE LOUANGE
(Mipetraka aorian’ny vavaka)
FF 26 “Jesosy reharehako”
V – SITRAPON’ANDRIAMANITRA – VOLONTE DE DIEU
VI – FIFONANA – PRIERE DE REPENTANCE
Fiangonana :Ry Rainay be famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay ; mamelà ny helokay ; diovy izahay ho afa-pahotana ; sasao izahay mba ho afa-keloka, ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao.
Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amen.
Mihira ny fiangonana :
Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô…
J’ai soif de Ta présence
VII – FAMELAN-KELOKA – PAROLE DU PARDONVIII – FIADANANA – LA PAIX DU CHRISTHira fisaorana : FFPM 487/1,2 “Fanavaozan’izay mahagaga tokoa …”IX – FOTOANA NY S. A – MOMENTS DE S. A
X- TENIN’ANDRIAMANITRA – LA PAROLE
Hira fiomanana :* FF 6 « Ny teninao »
FF 6 « Ny teninao »
Mpitandrina : Ho aminareo anie ny Tompo – Le Seigneur soit avec vous !
Fiangonana : Ary ho amin’ny fanahinao koa – Et avec votre Esprit.
Vavaka mialoha ny teny – Prière d’illumination
Vakiteny – lecture :
Livre des Actes : ACTES DES APÔTRES 2 : 1-11
Épître : GALATES 5 : 16-25
Bonne Nouvelle : JEAN 15: 26- 27 + 16 : 12-15
Fiangonana :Ray masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana,…! Amen
Feon-zavamaneno – interlude musical
Toriteny – Prédication :
Feon-zavamaneno malefaka – Interlude musical et méditation
XI – FANEKEM-PINOANA – SYMBOLE DES APOTRES (Mitsangana)
XII – FANDRAISANA MPANDRAY – CONFIRMATION
295/1,3 “Miorena mafy”…(fanombohana)
441/1, 6 “Raiso aho,..”(aloha ny Fanekena)
298/1 “Aina no fetra …”(famaranana)
XIII – FANASAN’NY TOMPO – SAINTE CENE
254/1 “Avia ry mangetaheta”
115/1 “Jeso Tompo lehibe..”
266 “Ry Jeso Tompo ianao.”
Chorale FPMOF:” INTY AHO, IRAHO AHO”
XIV – RAHARAHAM-PIANGONANA – ANNONCES
XV – FANATITRA FISAORANA – OFFRANDES
441/1,2,3 “Raiso aho …”
Fanolorana rakitra – Présentation des offrandes : Ry tompon’ny harena ô! Fanatitra… (Mitsangana ny Fiangonana)
XVI – VAVAKA – PRIERE D’INTERCESSION
XVII –TSODRANO – BENEDICTION
Hira famaranana : *A Dieu soit la Gloire
XVIII – FANIRAHANA – ENVOI
Mpitandrina: Voninahitra ho an’Andriamanitra…
Fiangonana : Isaorana anie Andriamanitra !
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!
“Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao.” Ohabolana 16:3
Feon-zavamaneno firavana – Postlude
COLLATION
FIHIRANA
176 – Avia Fanahy Masino ô, midina eto aminay
- Avia Fanahy Masino ô,
Midina eto aminay
Fenoy ny hasoavanao
Ny fonay noforoninao ! - Tongava ry Mpananatro ô,
Nomen’Andriamanitra
Ho loharano velona
Hiboiboika ao am-po ! - Sokafy ny fanahinay
Hidiram-pitiavana !
Ny tenanay malemy koa
Ampaherezonao anie !
26 – Jesosy reharehako
1- Tsy misy reharehako
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy Voninahitra
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao.
2- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Izay fahavaloko
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao
3- Tsy nisy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao, tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marinao.
Fiv: Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon’ny hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao
Ampy ahy ny Fitiavanao
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao
6 – Ny teninao Jehovah Izay ianaranay
- Ny teninao, Jehovah!
Izay ianaranay,
Dia tsara, tsy miova,
Ka ifalianay
He! Tena mananjara,
Izahay ankehitrio,
Fa lova tsara fara,
No azo amin’io. - Ireo zaza teo aloha
Dia tsy nahita izao
Tsy nisy hampifoha,
Natory foana tao;
Nahantra sady ory,
Niferina aina koa,
Tsy fantany akory
Izay tena foto-tsoa. - Mamiratra indrindra.
Ny masoandronay,
Milanto sy mirindra
Ny antom-piainanay;
Ny teninao ihany
No mahatonga izao,
He! Sambatra ny tany,
Fa mahalala Anao.
295 – Miorena mafy tsara.
- Miorena mafy tsara
Amin’Ilay vatosoa
Mandrosoa, mifahara,
Mifikira mafy koa.
He! Ny Tompo manambara
Fa ho sambatra tokoa,
Ka ho tsara miafara
Ny mpanompo mahasoa. - Raha misy fahoriana
‘Zay midona aminao,
Raiso re ho fitahiana
‘Zay omen’ny Tomponao;
Fa ny lalam-pijaliana
‘Zay alehanao izao
Dia mamelom-paniriana
Hitomboan’ny herinao. - Miadia ny ady tsara,
Ho mpandresy hianao;
Tontosay izay anjara
Eo am-pelantananao;
Jeso Tompo no mijery
Sy mahita ny atao,
Koa tsy mba hisy very
‘Zay rehetra vitanao.
441 – Raiso aho ….
- Ho Anao manokana,
Ry Mpamonjy Tompo soa,
Ho Anao dia Anao tokoa :
Ho Anao mandrakizay !
298 – Aina no fetra, ry tompo mpanjaka
- Aina no fetra, ry Tompo mpanjaka,
Aina no fetra anarahana Anao,
Ka ny faneva tsy maintsy ho zaka
Ny fanompoana tsy maintsy hatao
254 – Avia, ry mangetaheta ô
1. Avia, ry mangetaheta ô,
Ka aza dia mba mamoy fo
Fa indro misy rano velona
Izay omena mba hamelona
Anao mahantra sy variana,
Ry zanak’ondry very làlana !
115 –Jeso tompo lehibe
- Jeso Tompo lehibe
Iraky ny Rainy ;
Nolatsain’ny marobe
Tsy mba nohajainy !
266 –Ry Jeso Tompo ianao
Ry Jeso Tompo, Ianao Isaorako tokoa izao ; Ny ranao sy ny tenanao No nihinanako izao ! 2. Ry foko faly ambarao Ny soa azonao izao ! Jesosy monina ao am-po, Endrey ny hafaliako !
441-Raiso aho …
- Raiso aho, Tompo ô,
Fa te ho mpanomponao !
Raiso koa ny androko
Ka anarano fo izao ! - Raiso re ny tanako
Mba hanao ny asanao ;
Raiso koa ny tongotro
Ho fanirakirakao ! - Raiso ny fahaizako
Ento mba hanaja Anao ;
Raiso koa ny volako
Ho Anao tokoa izao !
