- Cet évènement est passé.
Ankatoky ny fandraisana
septembre 25, 2022 @ 15:30 - 17:00

Fanomanana ara-panahy alohan’ny hiraisana labatra @ Tompo Jesosy mba ho mendrika izany.
Lohahevitra : MIROTSAHA MIVANTANA AMIN’NY ASAN’NY TOMPO
Ny andalan-tsoratra masina ho hazondamosin’izao fanomanana ara-panahy izao dia ho hitantsika hatrany ao @ bokin’ny mpaminany Hagay 1:8 “Miakara any an-tendrombohitra, ka maka hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah”
Ka ny hiaingantsika dia ny ampahany faha-roa @ io andalany io izay manao hoe : « (…), ka maka hazo, (…) »
Eto dia nirahin’Andriamanitra ny vahoaka t@ alàlan’ny mpaminany Hagay hiakatra any an-tendrombohitra. Hanao inona any? Valiny: haka hazo, hanaovana ny tranon’I Jehovah.
Inona no dikan’izany? Ny dikan’izany dia ny vahoaka mihitsy no irahina hirotsaka an-tsehatra mivantana hanao ny asa.
Ahoana àry no hampiharantsika izany eo fiainam-panahintsika?
Maro ny azo ampiharantsika izany fa tari-dalana vitsivitsy no atolotra anareo mba afahanareo mieritreritra sy mandinin-teny mandritra ny herinandro alohan’ny andraisantsika ny fanasan’ny Tompo.
Ny hafatra voalohany azo tsoahina eto dia hoe: aza maniraka olona hanao ny anjaranao @ asan’ny Tompo fa ianao mihitsy no mirotsaha mivantana araka izay vitanao.
Ianao no mandeha mikapa hazo, ianao no mitaona azy. Izany no ambara eto.
Misy Kristiana zatra maniraka olona mantsy rehefa misy asa tokony hatao eo anivon’ny fiangonana.
Hita matetika izany rehefa misy zavatra karakarain’ny fiangonana, fa misy tokoa ny maniraka fotsiny fa tsy mba mafoy tena mandeha fa faly maniraka na dia manana fahafahana handeha aza.
Dia toa izany koa ohatra ny adidy ao am-piangonana (vokatra, fetim-piangonana, sns): manentana ny hafa tokoa izy kanefa izy tsy mandray anjara, fa tonga @ fitenenan’ny tanora hoe: mpandrisika fotsiny.
Ny hafatra faharoa azo raisintsika mpandray ny fanasan’ny Tompo dia hoe: ataovy izay azon’ny tananao atao! Raha misy azo ataonao mivantana dia ataovy. Ohatra: nanao fitsangatsanganana ny fiangonana teo, ny tokony nataonao dia nanao izay azonao natao. Nanao fetim-piangonana ny sabotsy lasa teo, dia tokony nandray anjara ianao araka izay azonao atao. Mbola maro ny zavatra hataontsika eo anivon’ny fiangonana, ka izay azonao atao dia ataovy. Aza manao bemarenina, na mamoron-dia hiala rehefa mba antsoina hanampy. Aza mitazam-potsiny, aza avela ny manao ihany ny manao fa mba mahay manon-tena manampy.
Ny hafatra fahatelo azo raisina dia hoe: Tongava fa aza mampitondra! Tongava any am-piangonana fa aza mampitondra olona: ity mba alatsaho any ity rakitrako ity, mba omeo any ity zavatra ity, sns.
Tsarovy fa ny fiaraha-midera, mankalaza an’Andriamanitra ao amin’ny tranony no maha fiangonana ny fiangonana ary izany no akasitrahany. Noho izany dia tsy mety ny manao fotsiny hoe ento ny adidiko fa tsy tonga miangona. Satria ny fanoloran-tena hatrany no tokony hiteraka ny asa, fa tsy misy asa mahasolo ny fanoloran-tena. Manamafy izany ny lazain’I Paoly ao @ 2 Korintiana 8:5:”ny tenany no natolony ho an’ny Tompo aloha.” Ary fantaro fa hafa ihany ny hoe: misahirana manokana @ asan’ny Tompo, izay mitondra fiandanana sy miteraka fifaliana eo @ fiainan’ny mpino.
Ry havana malala! Samia àry isika mandinin-tena ka hamaly amim-pahatsorana, amim-panetren-tena, eto anatrehan’Andriamanitra ny fanontaniana hoe: inona no tokony hibebahako manoloana izany fampianarana izany? Ary inona no fanapahan-kevitra ataoko manoloana izany?
Aoka isika samy hivavaka mangina hitondra eo @ I Jesosy ny fanapahan-kevitra nataontsika androany (…) Amen
Pasteur Alain Razafindratsimba
Alahady 25 septambra 2022 / Ankatoky ny fandraisana / FPMOF Pontoise