Culte

Prélude – zava-maneno (Miditra ireo Mpitarika, mitsangana ny Fiangonana)

Mpitarika  : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Fiangonana : Amena


Fiarahabàna Apôstôlika – Salutation Apostolique


Fanatonana – Fiderana – Louange


Fiantsoana ny anaran’Andriamanitra – Invocation


«Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro. Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ny seza fiandrianany. Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina. Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro »

Salamo 97 : 1-4


 L’Éternel règne: que la terre soit dans l’allégresse, Que les îles nombreuses se réjouissent!

Les nuages et l’obscurité l’environnent, La justice et l’équité sont la base de son trône.

Le feu marche devant lui, Et embrase à l’entour ses adversaires.

Ses éclairs illuminent le monde, La terre le voit et tremble;

Psaume 97 : 1-4


Vavaka fiderana – Prière d’Adoration


Fiaiken-keloka – Conféssion des péchés


Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danintra ô ! mamindrà fo aminay !

Ry Jesosy Tompo mpamonjy izao tontolo izao ! mamindrà fo aminay !

Ry Fanahy Masina Tomponay mpampionona ô ! mamindrà fo aminay !

Teny famelan-keloka – Pardon des péchés

(mitsangana)

Ry havana malala, ho antsika izay nibebaka marina tokoa dia henoy ka raiso ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra. Hiara-mitsangana isika.

Matokia anaka, voavela ny helokao (Mat 9:2). Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay (Jao 3:16). Minoa an’I Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao (Asa 16:31). 

Voavela ny helokareo noho’ny Anarany Masina ! Miderà ny Tompo !

Prends courage, mon enfant, tes péchés te sont pardonnés (Mat 9 :2). En effet, Dieu a tant aimé le monde qu’il a donné son Fils unique afin que quiconque croit en lui ne périsse pas mais ait la vie éternelle (Jean 3 :16). Crois au Seigneur Jésus et tu seras sauvé, toi et ta famille (Actes 16 : 31)

Vos péchés vous sont pardonnés par son saint Nom ! Louez le Seigneur !

Ny Fiangonana : “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isan’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny”. Amena(Sal 32 :1,2)

Fankalazàna


Mpitarika: Voninahitra ho any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra

Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany


Zava-maneno – Interlude


Famakiana ny Tenin’Andriamanitra – Lecture de la Bible


Vavaka hampahazava ny Teny – Prière d’illumination


Fiangonana: hisaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara


Fotoanan’ny Ankizy


« Que ton règne vienne, que ta volonté soit faite sur la terre comme au ciel » Matthieu 6 :10


TORITENY – PRÉDICATION


Fanekem-pinoana – Confession de foi


Vaovaon’ny Fiangonana


Raki-pisaorana – Offrande

Fampianaram-pinoana – Catéchisme

FANDRAISANA – Saint-cène

Mpitarika: Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo

Fiangonana: Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo

Mpitarika : Aoka ho derain-tsika ny Tompo Andriamanitra

Fiangonana : Mendrika ho deraina Izy

Vavaka fanombohana – (Préface)


Antema 1 Masina! Masina ! Masina ! Jehovah Tompo, feno ny voninahitrao izao rehetr’izao, ry Tompo ô, amen.

Teny Fanorenana (Institution)

Vavaka Fahatsiarovana (Anamnèse)

Fangatahana ny Fanahy Masina (Epiclèse)

Fraction du pain et Elévation de la coupe

Vavaka fanetren-tena – Prière d’humilité

Tompo ô  ! Tsy mendrika hatao hoe zanakao aho.

         Tompo ô  ! Tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafotranoko aho.

Tompo ô  ! Tsy mendrika ny hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy amin’ny latabatrao akory aho.

Kanefa hoy Ianao hoe «  Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy  » Amena

Seigneur, je ne suis pas digne, d’être appelé ton enfant. (Luc 15.21)

Seigneur, je ne suis pas digne, que tu entres sous mon toit  (Mat 8.8)

Seigneur, je ne suis pas digne, de ramasser les miettes qui tombent de ta table. (Mar 7.28)

Mais Tu dis Seigneur : « Celui qui vient à moi, je ne le mettrai pas dehors. » (Jean 6.37) Amen

FANDRAISANA (Communion)

VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA – INTERCESSION

TSODRANO – BÉNÉDICTION


Fanirahana – Envoi

Mpitarika : Voninahitra ho an’Andriamanitra Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Mandehàna amin’ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana

Fiangonana : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, AMENA

Feon-java-maneno firavana – Postule



Fenoy Tompo

Nitady zava-tsoa tsy nahavoky aho
Toy ilay vehivavy naka rano
Kanefa nomen i Jeso toky aho
Hahazo izay madio manganohano

Fiverenana:
Fenoy Tompo mitafotafo
Ity siny izay nomenao ahy
Fa miredareda toy ny afo
Izany hetahetan ny fanahy

Tsy vitsy ireo izay mbola mankamamy
Ireo zava-tsoa nomen ny tany
Kanefa re mba tiako loatra
Ny hisantatra ny fiainana any ankoatra

Ry namako izay mbola mitady
Fiadanana tsy ho doria
Ho reraka ianao hiady
Raha tsy mandray an I Jesoa Kristy.

Cherchez d’abord le royaume de Dieu

Cherchez d’abord le royaume de Dieu,
Et sa justice
Et toutes ces choses vous seront données en plus : 
Allélu, Alléluia !
 
Alléluia, Alléluia 
Alléluia, Allelu Alléluia
 
L'homme ne vivra pas de pain seulement, 
Mais de toute parole 
Qui sortira de la bouche de Dieu : 
Allélu, Alléluia !
 
Alléluia, Alléluia 
Alléluia, Allelu Alléluia

Le Seigneur nous a aimés

1. Le Seigneur nous a aimés
Comme l'on n'a jamais aimé.
Il nous guide chaque jour
Comme une étoile dans la nuit.
Quand nous partageons le pain,
Il nous donne son amour.
C'est le pain de l'amitié, le pain de Dieu.

C'est mon corps, prenez et mangez
C'est mon sang, prenez et buvez,
Car je suis la vie et je suis l'amour.
O Seigneur emporte-nous dans ton séjour !

2. Le Seigneur nous a aimés
Comme l'on n'a jamais aimé.
Pour les gens de son village,
C'était le fils du charpentier.
Il travailla de ses mains
Comme l'ont fait tous ses voisins.
Il connut le dur labeur de son métier.

C'est mon corps, prenez et mangez
C'est mon sang, prenez et buvez,
Car je suis la vie et je suis l'amour.
O Seigneur emporte-nous dans ton séjour !

3. Le Seigneur nous a aimés
Comme l'on n'a jamais aimé.
Son amour était si grand,
Qu'il en mourut sur une croix.
Son amour était si fort,
Qu'il triompha de la mort.
Il sortit de son tombeau libre et vainqueur.

C'est mon corps, prenez et mangez
C'est mon sang, prenez et buvez,
Car je suis la vie et je suis l'amour.
O Seigneur emporte-nous dans ton séjour !

4. Le Seigneur nous a aimés
Comme l'on n'a jamais aimé.
Il rassemble tous les hommes
Et les fais vivre de sa vie ;
Et tous les chrétiens du monde
Sont les membres de son corps
Rien ne peut les séparer de son amour.

C'est mon corps, prenez et mangez
C'est mon sang, prenez et buvez,
Car je suis la vie et je suis l'amour.
O Seigneur emporte-nous dans ton séjour !

Antso ho anao

Raha misy ratra am-po 
Na azom-pahoriana ianao
Dia lalana lalovana io
mba hanefena anao
Na dia mavesatra aza
Tsy hanarina ny finoana
Ho maivana aminao
Rehefa Jesoa no antsoina

tsarovy koa fa maro
No mivavaka ho anao
Izay efa niharam-pahoriana mafy toy izao
Iray no hitokiany
Dia Jesoa zay tsy mandao
Nampody ny aizan-dava
Ho maraina vaovao

Matetika na sambany ianao
No hiharam-pitsapana toy izao
Dia aoka hazava tsara
Fa misy tiany ambara

Fitiavana no anton’ izao;
sady efa antso ataony aminao
Hiovanao fo raha tsy fantatrao
Valio izao antso izao

Na maloka aza ny andronao
Tsy mety mibaliaka
Hijery anao hatrany anie
’lay Andriamanitsika
Mahay ny zavatra rehetra ’zay tsy takatrao
Hampody ny aizin-dava ho maraina vaovao

Matetika na sambany ianao
No hiharam-pitsapana toy izao
Dia aoka hazava tsara
Fa misy tiany ambara

Fitiavana no anton’ izao;
sady efa antso ataony aminao
Hiovanao fo raha tsy fantatrao
Valio izao antso izao

Na maloka aza ny andronao
Tsy mety mibaliaka
Hijery anao hatrany anie
’lay Andriamanitsika
Mahay ny zavatra rehetra ’zay tsy takatrao;
Ka manatsotra tanana Izy ta-handray anao

Comment ne pas te louer

Comment ne pas te louer-er-er
Comment ne pas te louer-er-er
Comment ne pas te louer-er-er
Seigneur Jésus ! Comment ? Comment ? (2x)

1. Quand je regarde autour de moi
Je vois ta gloire, Seigneur Jésus, je te bénis.
Comment ne pas te louer-er-er,
Seigneur Jésus ! Comment ? Comment ?
Comment ne pas te louer-er-er
Comment ne pas te louer-er-er
Comment ne pas te louer-er-er
Seigneur Jésus ! Comment ? Comment ?

2. Quand je regarde autour de moi
Je vois mes frères, Seigneur Jésus, merci pour eux.
Comment ne pas te louer-er-er,
Seigneur Jésus ! Comment ? Comment ?
Comment ne pas te louer-er-er
Comment ne pas te louer-er-er
Comment ne pas te louer-er-er
Seigneur Jésus ! Comment ? Comment ? (3x)


FF 7 – Tsy hainay ny hangina

1. Tsy hainay ny hangina
Ka tsy hankalaza ny Avo
Nameno fitahiana
Ka tsy mba namela ho lavo.

Fiv : Ka dera ry Ray!
Sy saotra no atolotray ho Anao
Raiso (fo sy fanahy), fo faly loatra
No entinay midera Anao.
Ny sainay tsy ampy hahalala
Ny fatran’ny fitiavanao
Ka raiso ry Tompo Malala
Ny fankasitrahana Anao (ry Ray).

2. Tsy hainay hadinoina
‘Lay fara-fitiavanao, Ray o!
Fa maty novonoina
Ny Zanakao hamonjy anay.
Ka dera ry Ray o! sns…


354 – Ny Mpamonjy no mitady fihavanana aminao


1. Ny Mpamonjy no mitady
Fihavanana aminao,
Izy no manambitamby
Hanatonanao izao ;
Sao manjary fandatsana
Ny fifonana aminao,
Ka ny mety mihavana
Amin’ny Mpamonjy izao !

2. Dieny misy hafanana
Ka mangoraka ny fo,
Manatòna ny Mpamonjy
Sao dia mangatsiaka indray !
lzao no andro famonjena,
Ka vonjeo sao neninao ;
Ry mpanota, miverena
Izao ankehitriny izao !

3. Sao ity no toriteny
Fara-fanasana anao ;
Sao anio no fotoana
Fara-ahavelomanao !
K’aza mba misalasala
Sao manjary neninao
Raha tsy mety mahalala
Izao fotoana mety izao !

4. Indrisy be ny fahotako,
Be ny ratsy vitako !
Sao tsy raisin’ny Mpamonjy
Ny mpanota tahaka izao ?
Miverena fa ny rany
Ampy hahadio anao !
Manatòna hosasany
lzao ankehitriny izao !


486 – Inona no hahasaraka ahy


1. Inona no hahasaraka ahy
Amin’ ny fitiavanao, Jeso?
Fahoriana ve, sa ahiahy?
Fahantrana, sa famoizampo ?

Fiv : Tsia, ry Jeso Tompo be fitia,
Izaho tsy mivadika Aminao
Fa mandrakizay doria doria
Izaho dia hanaraka Anao.

2. Inona no hahasaraka ahy
Amin’ ny fitiavanao, Jeso ?
Zo sy laza sy fakampanahy?
Sa harena, zava-mora lo?
Tsia, ry Jeso, sns…

3. Inona no hahasaraka ahy
Amin’ ny fitiavanao, Jeso?
Sabatra, sa fanenjeha-mafy?
Sa mosary, ady be manjo?
Tsia, ry Jeso, sns…

4. Inona no hahasaraka ahy
Amin’ ny fitiavanao, Jeso?
Faty ve no hampivadika ahy,
Loza, hery, fahefana koa?
Tsia, ry Jeso, sns…

5. Eny, izao rehetra izao, ry Tompo,
Tsy mba hahasaraka Aminao!
Na inona hanjo ity mpanompo,
Dia hijoro, tsy handao Anao!
Velona aho, Tompo, eny maty,
Dia tsy mivadika Aminao!
Hianao no velona ao anaty,
Ka doria, ny foko ho Anao!


261 – Ankehitrio no isehoanao

1. Ankehitrio no isehoanao
Ry Jeso Tompo, izay malalanay,
Ankehitrio no anandramanay
Ny hafaliam-ben’ny lanitrao !

2. Ampiomany ao am-po izahay
Hampahadio ny eritreritray,
Hahatakaranay ny avotrao
Izay nambaranao tao Kalvary !

3. Eto no anoloranao anay
Ny mofon’aina, rano velona
Eto no ialanay sasatra
Amin’ny adinay sy rafinay

4. Ry Jeso ô, miandry izahay
Ny fiavian’ny voninahitrao
Ho toy ny andro vao miposaka
Ho toy ny rano mahavelona !

5. « Raiso ny Tenako » no teninao
« Ary ny Rako ho fiainana »
Am-pitiavana no andraisanay
Na dia tsy mendrika aza izahay !

6. Mombà anay, ry Tompo tia ô,
Aza miala amin’ny fonay
Aoka ny tavanao hazava re
Amin’ny lalana alehanay !

VAVAKA


Actes des Apôtres 7 : 55-60

55 Mais Étienne, rempli du Saint Esprit, et fixant les regards vers le ciel, vit la gloire de Dieu et Jésus debout à la droite de Dieu.

56 Et il dit: Voici, je vois les cieux ouverts, et le Fils de l’homme debout à la droite de Dieu.

57 Ils poussèrent alors de grands cris, en se bouchant les oreilles, et ils se précipitèrent tous ensemble sur lui,

58 le traînèrent hors de la ville, et le lapidèrent. Les témoins déposèrent leurs vêtements aux pieds d’un jeune homme nommé Saul.

59 Et ils lapidaient Étienne, qui priait et disait: Seigneur Jésus, reçois mon esprit!

60 Puis, s’étant mis à genoux, il s’écria d’une voix forte: Seigneur, ne leur impute pas ce péché! Et, après ces paroles, il s’endormit.


Apocalypse 22: 12-20

12 Voici que je viens sans tarder, et j’apporte avec moi le salaire que je vais donner à chacun selon ce qu’il a fait.

13 Moi, je suis l’alpha et l’oméga, le premier et le dernier, le commencement et la fin.

14 Heureux ceux qui lavent leurs vêtements : ils auront droit d’accès à l’arbre de la vie et, par les portes, ils entreront dans la ville.

15 Dehors les chiens, les sorciers, les débauchés, les meurtriers, les idolâtres, et tous ceux qui aiment et pratiquent le mensonge !

16 Moi, Jésus, j’ai envoyé mon ange vous apporter ce témoignage au sujet des Églises. Moi, je suis le rejeton, le descendant de David, l’étoile resplendissante du matin. »

17 L’Esprit et l’Épouse disent : « Viens ! » Celui qui entend, qu’il dise : « Viens ! » Celui qui a soif, qu’il vienne. Celui qui le désire, qu’il reçoive l’eau de la vie, gratuitement.

18 Et moi, devant tout homme qui écoute les paroles de ce livre de prophétie, je l’atteste : si quelqu’un y fait des surcharges, Dieu le chargera des fléaux qui sont décrits dans ce livre ;

19 et si quelqu’un enlève des paroles à ce livre de prophétie, Dieu lui enlèvera sa part : il n’aura plus accès à l’arbre de la vie ni à la Ville sainte, qui sont décrits dans ce livre.

20 Et celui qui donne ce témoignage déclare : « Oui, je viens sans tarder. » – Amen ! Viens, Seigneur Jésus !

Jean 17 : 20-26

20 Ce n’est pas pour eux seulement que je prie, mais encore pour ceux qui croiront en moi par leur parole,

21 afin que tous soient un, comme toi, Père, tu es en moi, et comme je suis en toi, afin qu’eux aussi soient un en nous, pour que le monde croie que tu m’as envoyé.

22 Je leur ai donné la gloire que tu m’as donnée, afin qu’ils soient un comme nous sommes un, –

23 moi en eux, et toi en moi, -afin qu’ils soient parfaitement un, et que le monde connaisse que tu m’as envoyé et que tu les as aimés comme tu m’as aimé.

24 Père, je veux que là où je suis ceux que tu m’as donnés soient aussi avec moi, afin qu’ils voient ma gloire, la gloire que tu m’as donnée, parce que tu m’as aimé avant la fondation du monde.

25 Père juste, le monde ne t’a point connu; mais moi je t’ai connu, et ceux-ci ont connu que tu m’as envoyé.

26 Je leur ai fait connaître ton nom, et je le leur ferai connaître, afin que l’amour dont tu m’as aimé soit en eux, et que je sois en eux.


Ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana Tompontsika / Izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina / nanterak’i Maria Virijina / nijaly raha nanapaka Pontio Pilato / nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, / maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita / nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo / niakatra ho any an-danitra, / mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha / avy any no hiavian’ny hitsara ny velona sy ny maty / Mino ny Fanahy Masina, ny Fiangonana masina / manerana izao tontolo izao / ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka  / ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena”

Je crois en Dieu, le Père tout-puissant,

créateur du ciel et de la terre.

Je crois en Jésus-Christ, son Fils unique, notre Seigneur,

qui a été conçu du Saint-Esprit et qui est né de la vierge Marie ;

Il a souffert sous Ponce Pilate ;

Il a été crucifié, il est mort, il a été enseveli,

Il est descendu aux séjours des morts ;

Le troisième jour il est ressuscité des morts ;

Il est monté au ciel ;

Il siège à la droite de Dieu, le Père tout-puissant ;

Il viendra de là pour juger les vivants et les morts.

Je crois en l’Esprit-Saint ;

Je crois la sainte Eglise universelle,

La communion des saints,

La rémission des péchés,

La résurrection de la chair et la vie éternelle.

Amen.