Culte

Prélude – zava-maneno (Miditra ireo Mpitarika, mitsangana ny Fiangonana)

Mpitarika  : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Fiangonana : Amena


Fiarahabàna Apôstôlika – Salutation Apostolique


Fanatonana – Fiderana – Louange


Fiantsoana ny anaran’Andriamanitra – Invocation





« Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho. Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao. Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’izay midina any an-davaka aho. Mankalazà an’i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina. Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.» (Sal 30. 1-5)

Salamo 30, 1-5

«Je t’exalte, ô Éternel, car tu m’as relevé, Tu n’as pas voulu que mes ennemis se réjouissent à mon sujet. Éternel, mon Dieu! J’ai crié à toi, et tu m’as guéri. Éternel! Tu as fait remonter mon âme du séjour des morts, Tu m’as fait revivre loin de ceux qui descendent dans la fosse. Chantez à l’Éternel, vous qui l’aimez, Célébrez par vos louanges sa sainteté! Car sa colère dure un instant, Mais sa grâce toute la vie; Le soir arrivent les pleurs, Et le matin l’allégresse.» (Ps 30. 1-6)

Psaume 30, 1-6


Vavaka fiderana – Prière d’Adoration


Fiaiken-keloka – Conféssion des péchés


Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danintra ô ! mamindrà fo aminay !

Ry Jesosy Tompo mpamonjy izao tontolo izao ! mamindrà fo aminay !

Ry Fanahy Masina Tomponay mpampionona ô ! mamindrà fo aminay !

Teny famelan-keloka – Pardon des péchés

(mitsangana)

Ry havana malala, ho antsika izay nibebaka marina tokoa dia henoy ka raiso ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra. Hiara-mitsangana isika.

« Izao no fitiavana : tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra’noho ny fahotantsika ; fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy ; ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra » 1Jn4. 10 ; Rom5. 8 ; 1Pet3.18

Voavela ny helokareo noho’ny Anarany Masina ! Miderà ny Tompo !

Vos péchés vous sont pardonnés par son saint Nom ! Louez le Seigneur !


Ny Fiangonana : “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isan’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny”. Amena(Sal 32 :1,2)

Fankalazàna


Mpitarika: Voninahitra ho any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra

Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany


Zava-maneno – Interlude


Famakiana ny Tenin’Andriamanitra – Lecture de la Bible


Vavaka hampahazava ny Teny – Prière d’illumination


Fiangonana: hisaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara


Fotoanan’ny Ankizy


TORITENY – PRÉDICATION


Fanekem-pinoana – Confession de foi


Vaovaon’ny Fiangonana


Raki-pisaorana – Offrande


Fanolorana ny rakitra :

Ankatoky ny Fandraisana:

Fandraisana ny fanasàn’ny Tompo (Sainte Cène)

Mpitarika: Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo

Fiangonana: Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo

Mpitarika : Aoka ho derain-tsika ny Tompo Andriamanitra

Fiangonana : Mendrika ho deraina Izy


Vavaka fanombohana (Préface)

/
Antema 1: Masina! Masina! Masina! Jehovah Tompo, feno ny voninahitrao izao rehetr’izao, ry Tompo ô, amen.

Teny Fanorenana (Institution)


Vavaka Fahatsiarovana (Anamnèse)


Vavaka fangatahana ny Fanahy Masina (Epiclèse)


Fraction du pain et Elévation de la coupe

« Le pain que nous rompons est communion au corps du Seigneur Jésus-Christ;

La coupe de bénédiction que nous bénissons est communion au sang du Seigneur Jésus-Christ. »

Vavaka Fanetren-tena  :

Tompo ô  ! Tsy mendrika hatao hoe zanakao aho.

Tompo ô  ! Tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafotranoko aho.

Tompo ô  ! Tsy mendrika ny hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy amin’ny latabatrao akory aho.

Kanefa hoy Ianao hoe «  Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy  » Amena

Seigneur, je ne suis pas digne d’être appelé ton enfant. (Luc 15.21)

Seigneur, je ne suis pas digne que tu entres sous mon toit  (Mat 8.8)

Seigneur, je ne suis pas digne de ramasser les miettes qui tombent de ta table. (Mar 7.28)

Mais Tu dis Seigneur : « Celui qui vient à moi, je ne le mettrai pas dehors. » (Jean 6.37) Amen


FANDRAISANA (Communion)

Aorian’ny Fandraisana :

VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA – INTERCESSION


TSODRANO – BÉNÉDICTION

Hira : « Que la grâce de Dieu »


Fanirahana – Envoi

Mpitarika : Voninahitra ho an’Andriamanitra Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Mandehàna amin’ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana

Fiangonana : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, AMENA

Feon-java-maneno firavana – Postule



Je louerai l’Éternel

Je louerai l’Éternel 
de tout mon cœur,
Je raconterai toutes tes merveilles,
Je chanterai ton nom.
Je louerai l’Éternel
de tout mon cœur,
Je ferai de toi le sujet de ma joie,
Alléluia !


Olombelona aho Tompo

1. Olom-belona aho Tompo
Tsy mendrika hanonona ny anaranao
Nefa vonona aho hanompo
Mifona aho Tompo mibebaka hatramin'izao

O ry Tompo be fitia mba tantanonao ny dia
Fantatrao f'efa nania ny olona tety
Ankehitriny o mamelà
Ny heloka izay vitako
O mamelà, o mamelà ny heloko

2. Faniriako ry Tompo
Ny hiankina an-tratranao ry Tompo o
Mba omeo fo madio
Hahaizako hibanjina ny tavanao


FF 34 – Tompo Malala ô !



1. Tompo Malala ô ! Mpanjakako Ianao
Tamy aho fa resy lahatra
Noho ny famonjena vitanao
Eny, ry Tompo, tsy ho haiko adinoina intsony re
Ny fitiavana nasehonao

Fiv : Ka anio no hanavaozako ny fanompoko Anao
Fa tsy ho voavaliko, izay natolotrao
Ny fitiavana natolotrao,
Ka raiso, Tompo, ekeo re sy anjakao
Ny fiainako ho voninahitrao.

2. Tompo Malala ô ‘lay hazo fijaliana
Niaretanao tao Kalvary,
Niaretanao Mpamonjiko
No nanehoanao fa tianao ity mpanota izay
Tsy mendrika Anao akory ity
Ka anio no anavaozako, sns…

3. Tompo Malala ô ! tsy ho adinoiko intsony
Ny fitiavana natolotrao
Ny fitiavana natolotrao
Eny, ry Tompo, ity izaho izay voababonao
Fa vonona hanao ny sitrakao
Ka anio no anavaozako, sns…


Je suis né pour te louer


Je suis né pour te louer
Je suis né pour glorifier ton nom
En toutes circonstances
Apprendre à te dire merci.
Je suis né pour t'aimer,
Je suis né pour t'adorer, mon Dieu,
Obéir à ta voix,
Je suis fait pour toi.


226 – Tompo ô, mba te hihaona

Tompo ô, mba te hihaona Aminao ny olonao, Ka ny oran-dohataona Ampombay ny teninao ! Ny Fanahinao iraho Aminay izay mitalaho ! :,: Mba vokiso zava-tsoa Ny mangetaheta Anao ! :,:


FF 26 – Jesosy reharehako

T

1- Tsy misy reharehako
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy Voninahitra
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao

Fiv: Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon’ny hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao
Ampy ahy ny Fitiavanao
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao

2- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Izay fahavaloko
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao

3- Tsy nisy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao, tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marinao.

259 – Ny latabatrao, ry Jeso,



1. Ny latabatrao, ry Jeso,
Dia atrehinay izao ;
Ny fanahinay vokiso
Amin’ny fitianao !

2. Tsy nitady zo sy laza
Ianao, ry Tomponay,
Foinao ny ainao aza
Nanavotanao anay !

3. Jeso ô, ny ranao soa
No nataonao avotray
Mba hanafaka avokoa
Izay tsy mahadio anay !

4. Manomeza mofon’aina,
Tompo ô, ho tanjakay ;
Mihainoa ny mitaraina
Mamalia ny hatakay !

5. Ny fanahinay ry Tompo,
Raiso fa atolotray ;
Faly izahay hanompo
Sy hanao ny sitrakao !

107 – Maniry mafy aho



1. Maniry mafy aho, ry Jeso Tompo ô,
Hialoka eo ambany hazo fijalianao ;
Tsy misy toeran-kafa re ‘zay tena mamiko,
Ny hazo fijalianao no fiarovako !

2. Ny hazo fijalianao no itazanako
Ny tenanao izay nijaly mba ho avotro,
Ka dia kotsan-dranomasom-pitiavana
Ny tavako, ry Tompo ô, fa afa-keloka !

3. Am-pototry ny hazo izay nijalianao
No itoerako ho hazavain’ny tavanao ;
Ataoko fatiatoka ny zava-mora lo,
Ny hazo-fijalianao no tombon-dahiko !

266 – Ry Jeso Tompo, Ianao


1. Ry Jeso Tompo, Ianao Isaorako tokoa izao ;
Ny ranao sy ny tenanao No nihinanako izao !

2. Ry foko faly ambarao Ny soa azonao izao !
Jesosy monina ao am-po, Endrey ny hafaliako !

FF 10 – Mivavaka aho satria



1. Miloatra avy ao am-poko
Ny tonom-bavako
Maneho ny fanajako
Sy fankatoavako
Ny Tompoko Tsitoha
Nitahy hatrizay
Hatramin’ny taloha
Sy ho mandrakizay.

Fiv : Mivavaka aho satria tena mino
Mino sy mankato
Manaja sady tia an’Andriamanitro
Mivavaka aho satria tena faly
Faly sy manantena ny avotrao
Omena mandrakizay doria

2. Mibahana ato am-poko
Fanahin’I Kristy
Mitaiza tsy miato
Ka mahafaly ery
Manesika ahy hivoatra
Hiasa bebe kokoa
Ka ataony tafahoatra
Ny hasoavako.
Mivavaka aho satria tena mino sns…

VAVAKA


Acte des apôtres

27 Après qu’ils les eurent amenés en présence du sanhédrin, le souverain sacrificateur les interrogea en ces termes:

28 Ne vous avons-nous pas défendu expressément d’enseigner en ce nom-là? Et voici, vous avez rempli Jérusalem de votre enseignement, et vous voulez faire retomber sur nous le sang de cet homme!

29 Pierre et les apôtres répondirent: Il faut obéir à Dieu plutôt qu’aux hommes.

30 Le Dieu de nos pères a ressuscité Jésus, que vous avez tué, en le pendant au bois.

31 Dieu l’a élevé par sa droite comme Prince et Sauveur, pour donner à Israël la repentance et le pardon des péchés.

32 Nous sommes témoins de ces choses, de même que le Saint Esprit, que Dieu a donné à ceux qui lui obéissent.

33 Furieux de ces paroles, ils voulaient les faire mourir.

34 Mais un pharisien, nommé Gamaliel, docteur de la loi, estimé de tout le peuple, se leva dans le sanhédrin, et ordonna de faire sortir un instant les apôtres.

35 Puis il leur dit: Hommes Israélites, prenez garde à ce que vous allez faire à l’égard de ces gens.

36 Car, il n’y a pas longtemps que parut Theudas, qui se donnait pour quelque chose, et auquel se rallièrent environ quatre cents hommes: il fut tué, et tous ceux qui l’avaient suivi furent mis en déroute et réduits à rien.

37 Après lui, parut Judas le Galiléen, à l’époque du recensement, et il attira du monde à son parti: il périt aussi, et tous ceux qui l’avaient suivi furent dispersés.

38 Et maintenant, je vous le dis ne vous occupez plus de ces hommes, et laissez-les aller. Si cette entreprise ou cette oeuvre vient des hommes, elle se détruira;

39 mais si elle vient de Dieu, vous ne pourrez la détruire. Ne courez pas le risque d’avoir combattu contre Dieu.

40 Ils se rangèrent à son avis. Et ayant appelé les apôtres, ils les firent battre de verges, ils leur défendirent de parler au nom de Jésus, et ils les relâchèrent.

41 Les apôtres se retirèrent de devant le sanhédrin, joyeux d’avoir été jugés dignes de subir des outrages pour le nom de Jésus.


Apocalypse 5: 11-14

 11 Je regardai, et j’entendis la voix de beaucoup d’anges autour du trône et des êtres vivants et des vieillards, et leur nombre était des myriades de myriades et des milliers de milliers.

12 Ils disaient d’une voix forte: L’agneau qui a été immolé est digne de recevoir la puissance, la richesse, la sagesse, la force, l’honneur, la gloire, et la louange.

13 Et toutes les créatures qui sont dans le ciel, sur la terre, sous la terre, sur la mer, et tout ce qui s’y trouve, je les entendis qui disaient: A celui qui est assis sur le trône, et à l’agneau, soient la louange, l’honneur, la gloire, et la force, aux siècles des siècles!

14 Et les quatre êtres vivants disaient: Amen! Et les vieillards se prosternèrent et adorèrent.


Jean 21 : 1-19

121 Après cela, Jésus se montra encore aux disciples, sur les bords de la mer de Tibériade. Et voici de quelle manière il se montra.

Simon Pierre, Thomas, appelé Didyme, Nathanaël, de Cana en Galilée, les fils de Zébédée, et deux autres disciples de Jésus, étaient ensemble.

Simon Pierre leur dit: Je vais pêcher. Ils lui dirent: Nous allons aussi avec toi. Ils sortirent et montèrent dans une barque, et cette nuit-là ils ne prirent rien.

Le matin étant venu, Jésus se trouva sur le rivage; mais les disciples ne savaient pas que c’était Jésus.

Jésus leur dit: Enfants, n’avez-vous rien à manger? Ils lui répondirent: Non.

Il leur dit: Jetez le filet du côté droit de la barque, et vous trouverez. Ils le jetèrent donc, et ils ne pouvaient plus le retirer, à cause de la grande quantité de poissons.

Alors le disciple que Jésus aimait dit à Pierre: C’est le Seigneur! Et Simon Pierre, dès qu’il eut entendu que c’était le Seigneur, mit son vêtement et sa ceinture, car il était nu, et se jeta dans la mer.

Les autres disciples vinrent avec la barque, tirant le filet plein de poissons, car ils n’étaient éloignés de terre que d’environ deux cents coudées.

Lorsqu’ils furent descendus à terre, ils virent là des charbons allumés, du poisson dessus, et du pain.

10 Jésus leur dit: Apportez des poissons que vous venez de prendre.

11 Simon Pierre monta dans la barque, et tira à terre le filet plein de cent cinquante-trois grands poissons; et quoiqu’il y en eût tant, le filet ne se rompit point.

12 Jésus leur dit: Venez, mangez. Et aucun des disciples n’osait lui demander: Qui es-tu? sachant que c’était le Seigneur.

13 Jésus s’approcha, prit le pain, et leur en donna; il fit de même du poisson.

14 C’était déjà la troisième fois que Jésus se montrait à ses disciples depuis qu’il était ressuscité des morts.

15 Après qu’ils eurent mangé, Jésus dit à Simon Pierre: Simon, fils de Jonas, m’aimes-tu plus que ne m’aiment ceux-ci? Il lui répondit: Oui, Seigneur, tu sais que je t’aime. Jésus lui dit: Pais mes agneaux.

16 Il lui dit une seconde fois: Simon, fils de Jonas, m’aimes-tu? Pierre lui répondit: Oui, Seigneur, tu sais que je t’aime. Jésus lui dit: Pais mes brebis.

17 Il lui dit pour la troisième fois: Simon, fils de Jonas, m’aimes-tu? Pierre fut attristé de ce qu’il lui avait dit pour la troisième fois: M’aimes-tu? Et il lui répondit: Seigneur, tu sais toutes choses, tu sais que je t’aime. Jésus lui dit: Pais mes brebis.

18 En vérité, en vérité, je te le dis, quand tu étais plus jeune, tu te ceignais toi-même, et tu allais où tu voulais; mais quand tu seras vieux, tu étendras tes mains, et un autre te ceindra, et te mènera où tu ne voudras pas.

19 Il dit cela pour indiquer par quelle mort Pierre glorifierait Dieu. Et ayant ainsi parlé, il lui dit: Suis-moi.

Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.

Ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana Tompontsika / Izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina / nanterak’i Maria Virijina / nijaly raha nanapaka Pontio Pilato / nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, / maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita / nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo / niakatra ho any an-danitra, / mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha / avy any no hiavian’ny hitsara ny velona sy ny maty / Mino ny Fanahy Masina, ny Fiangonana masina / manerana izao tontolo izao / ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka  / ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena

Je crois en Dieu, le Père tout-puissant,

créateur du ciel et de la terre.

Je crois en Jésus-Christ, son Fils unique, notre Seigneur,

qui a été conçu du Saint-Esprit et qui est né de la vierge Marie ;

il a souffert sous Ponce Pilate ;

il a été crucifié, il est mort, il a été enseveli,

il est descendu aux séjours des morts ;

le troisième jour il est ressuscité des morts ;

il est monté au ciel ;

il siège à la droite de Dieu, le Père tout-puissant ;

il viendra de là pour juger les vivants et les morts.

Je crois en l’Esprit-Saint ;

je crois la sainte Eglise universelle,

la communion des saints,

la rémission des péchés,

la résurrection de la chair et la vie éternelle.

Amen.