Culte

Prélude – zava-maneno (Miditra ireo Mpitarika, mitsangana ny Fiangonana)

Mpitarika  : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Fiangonana : Amena


Fiarahabàna Apôstôlika – Salutation Apostolique


Fanatonana – Fiderana – Louange


Fiantsoana ny anaran’Andriamanitra – Invocation


«Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao, Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay.

Ho mandrakizay anie ny voninahitr’i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ny asany. Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.

Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina.

Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’i Jehovah. Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.»


(Salamo 104 :1-2 ; 31-35)


«Mon âme, bénis l’Éternel! Éternel, mon Dieu, tu es infiniment grand! Tu es revêtu d’éclat et de magnificence! Il s’enveloppe de lumière comme d’un manteau; Il étend les cieux comme un pavillon.

Que la gloire de l’Éternel subsiste à jamais! Que l’Éternel se réjouisse de ses œuvres! Il regarde la terre, et elle tremble; Il touche les montagnes, et elles sont fumantes. Je chanterai l’Éternel tant que je vivrai, Je célébrerai mon Dieu tant que j’existerai.

Que mes paroles lui soient agréables! Je veux me réjouir en l’Éternel. Que les pécheurs disparaissent de la terre, Et que les méchants ne soient plus! Mon âme, bénis l’Éternel! Louez l’Éternel!»


(Psaume 104 : 1-2 ; 31-35)

Hira: FF4 “Ry Fanahy ô midina”


Fiaiken-keloka – Conféssion des péchés

Kyrie Eleison


Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danintra ô ! mamindrà fo aminay !

Ry Jesosy Tompo mpamonjy izao tontolo izao ! mamindrà fo aminay !

Ry Fanahy Masina Tomponay mpampionona ô ! mamindrà fo aminay !

Teny famelan-keloka – Pardon des péchés

(mitsangana)

Ry havana malala, ho antsika izay nibebaka marina tokoa dia henoy ka raiso ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra. Hiara-mitsangana isika.

«Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra. Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika. Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.» (Asa 2: 32; 1Kor1: 30; Rom8: 15)

Voavela ny helokareo noho’ny Anarany Masina ! Miderà ny Tompo !

C’est ce Jésus que Dieu a ressuscité, nous en sommes tous témoins.

Jésus-Christ est devenu pour nous la sagesse qui vient de Dieu. Par lui, Dieu nous rend justes, il nous choisit pour lui et il nous libère du péché. «Et vous n’avez point reçu un esprit de servitude, pour être encore dans la crainte; mais vous avez reçu un Esprit d’adoption, par lequel nous crions: Abba! Père! L’Esprit lui-même rend témoignage à notre esprit que nous sommes enfants de Dieu.» (Act 2 :32 ; 1Cor1 :30 ; Rom 8 :15)

Vos péchés vous sont pardonnés par son saint Nom ! Louez le Seigneur !

Ny Fiangonana : “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isan’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny”. Amena(Sal 32 :1,2)

Fankalazàna


Mpitarika: Voninahitra ho any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra

Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany


Zava-maneno – Interlude


Famakiana ny Tenin’Andriamanitra – Lecture de la Bible


Vavaka hampahazava ny Teny – Prière d’illumination


Fiangonana: hisaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara


Fotoanan’ny Ankizy


TORITENY – PRÉDICATION


Fanekem-pinoana – Confession de foi


Vaovaon’ny Fiangonana


Raki-pisaorana – Offrande

Fanolorana ny rakitra:

Fampianaram-pinoana – Catéchisme


« Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny ràko, izay aidina ho anareo » Lioka‬

FANDRAISANA – Saint-cène

Mpitarika: Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo

Fiangonana: Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo

Mpitarika : Aoka ho derain-tsika ny Tompo Andriamanitra

Fiangonana : Mendrika ho deraina Izy

Vavaka fanombohana – (Préface)


Antema 1 Masina! Masina ! Masina ! Jehovah Tompo, feno ny voninahitrao izao rehetr’izao, ry Tompo ô, amen.

Teny Fanorenana (Institution)

Vavaka Fahatsiarovana (Anamnèse)

Vavaka Fangatahana ny Fanahy Masina (Epiclèse)

Fiangonana: Ry Jeso Kristy Tompo ô,/ izahay izay tonga eto anatrehanao/ hiombona amin’ny latabatrao masina/ dia mangataka aminao/ mba hampiraisainao aminao,/ tahaka ny sampana amin’ny voaloboka.

Ampianaro hifankatia tahaka ny nitiavanao anay izahay. Ary aoka izahay hiara-manana/ amin’ny Fiangonana masina manontolo/ ny fiononana sy ny fifaliana aminao,/ dia Ianao izay miara-manjaka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina/ Andriamanitra Ray marina / hatramin’ny taloha indrindra ka ho

mandrakizay – Amen!

Vavaka: « Rainay izay any an-danintra»

Fanamasinana – Fraction du pain et Elévation de la coupe

Vavaka Fanetren-tena :

Tompo ô ! Tsy mendrika hatao hoe zanakao aho.

Tompo ô ! Tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafotranoko aho.

Tompo ô ! Tsy mendrika ny hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy amin’ny latabatrao akory aho.

Kanefa hoy Ianao hoe « Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy » Amena

FANDRAISANA (Communion)


Aorian’ny Fandraisana :

VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA – INTERCESSION

TSODRANO – BÉNÉDICTION


Fanirahana – Envoi

Mpitarika : Voninahitra ho an’Andriamanitra Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Mandehàna amin’ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana

Fiangonana : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, AMENA

Feon-java-maneno firavana – Postule


Toi qui disposes

1. Toi qui disposes
De toutes choses
Et nous les donnes chaque jour,
Reçois, ô Père,
Notre prière
De reconnaissance et d’amour.

2. Le don suprême
Que ta main sème
C’est le pardon, c’est notre paix,
Et ta clémence,
Trésor immense,
Est le plus grand de tes bienfaits.

3. Que par ta grâce
L’instant qui passe
Serve à nous rapprocher de toi
Et qu’à chaque heure,
Vers ta demeure,
Nos coeurs s’élèvent par la foi.

Fanahy Masina

Tompo ô kasiho indray ny fonay 
Arotsay aminay ny Fanahy 
Ny Fanahy Masinao,
Toy ny tamin'ny Pantekosta 
Tompo ô midina ovay ny fiainanay (2x)

Fanahy Masina ô ... Avia
Fanahy Masina ô midina re
Fanahy Masina ô fenoy aho
Vohaiko ho Anao ny foko hanjakao

Tompo ô kasiho indray ny fonay 
Arotsay aminay ny Fanahy 
Ny Fanahy Masinao,
Toy ny tamin'ny Pantekosta 
Tompo ô midina ovay ny fiainanay

Fanahy Masina ô ... Avia
Fanahy Masina ô midina re
Fanahy Masina ô fenoy aho
Vohaiko ho Anao ny foko hanjakao (2x)

Vohaiko ho Anao ny foko hanjakao (4x)

Fa tsara ianao

Izao fiainako izao
Efa napetrako aminao
Dia Ianao Jesoa ilay Mpamonjy efa nekeko ho Andriamanitro
K’izay mitranga amiko
Anio rahampitso rahatrizay
Ekeko fa tendrinao
Raha mbola Ianao no miahy

Ka dera no atolotro 
ho Anao ry Tompo ô
Fa tsara Ianao (2x) 
sady mpanao ny tsara koa
Izay rehetra ataonao 
sy avelanao hitranga koa
dia mahasoa satria tsara Ianao
sady mpanao ny tsara koa

Ry olona ô lazaiko izao 
f’izay mitranga eo aminao
Raha mbola Jeso ilay Mpamonjy 
no ekenao ho Andriamanitrao
Dia lalana hahatsara anao 
ho fiainana ho anao indray
Sy hitondra fiadanana 
ety sy ho rahatrizay

Ka dera no atolotro 
ho Anao ry Tompo ô
Fa tsara Ianao (2x) 
sady mpanao ny tsara koa
Izay rehetra ataonao 
sy avelanao hitranga koa
Dia mahasoa satria tsara Ianao
sady mpanao ny tsara koa (2x)

Que la grâce de Dieu

Que la grâce de Dieu soit sur toi 
Pour t'aider à marcher dans ses voies.
Reçois tout son pardon
Et sa bénédiction…
Va en paix, Dans la joie, Dans l'amour.

FF 47 – Fiadanana



1. Ianao ‘zay mitady ny fiadanan-tsoa
Amin’izao fiainana izao
Ka mandeha mankatsy, ary sy aroa
Mikorana ary koa milalao
Kanefa tsy mahita izay mahasoa
Fa vizana foana ny nofo
Inty misy Fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao

Fiv : Jesosy, Jesosy,
(Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No Fiainana atoroko Anao (Jeso)
Jesosy, Jesosy,
(Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No hany hampiadana anao
Koa raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy
Hanapaka ny fiainanao
Dia hohitanao’Lay Fiadanana
Haharitra ho mandrakizay

2. Ianao ianjadiam-pahoria-marobe
Amin’izao fiainana izao
Tsy misy hazavana fo toa haizim-be
No mandrakotra ny fiainanao
Ka mila ho kivy sy hamoy fo
Noho ‘reo adim-piainana maro
Inty misy fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao
Jesosy, Jesosy, sns…


190 – Ry Fanahy mpanazava

1. Ry Fanahy mpanazava
Miandrandra Anao ‘zahay,
Aza ela fa tongava,
Taomy ny fanahinay !
Mba ho fantatray mazava
‘Zay lazain’ny Teninao,
Areheto lalandava
Ao am-po ny afonao !

2. Ry Jesosy, mitenena
Araka ny fombanao
Aminay izay manantena
Mba handre ny feonao !
Fo marary sy manahy
Mba tsaboy sy iantrao ;
Ny te hino fa tsy sahy,
Anehoy ny holatrao !

3. Rainay mpanome ny soa,
Mba henoy ny hatakay !
Ka ny tananao tsitoha
larovinao anay ;
Ny tanora mba tahio,
Ny vaventy hafanao,
Mba ho hitanay anio
Fa aty ny Tenanao !


255 – Ny ran’ny Zanak’ondry latsaka

1. Ny ran’ny Zanak’ondry latsaka
Namelona ahy tany Golgota !
Ka io no tena vatofantsika
Maharitra ny tafio-drivotra !
———————
Le sang de l’Agneau qui a coulé
À Golgotha m’a donné la vie
C’est la véritable ancre
Qui résiste à la tempête


98 – Indro ny Tompo Jesosy, jereo

3. Indro ny lefo-mandoza, jereo,
Nenti-namely ny Tompo!
He! Fa ny rany nirotsaka teo,
Mba hamonjena anao;
Indro Jeso, sns…

Fiv : Indro Jeso, jereo Jeso:,:
Izy izao dia mihevitra anao.
Indro Jeso, jereo.


510 – Jeso! ny hamarinanao

1. Jeso! ny hamarinanao
No lamba hitafianay,
Amin’ny andro farany,
Izany hifalianay.


261 – Ankehitrio no isehoanao

5. « Raiso ny Tenako » no teninao
« Ary ny Rako ho fiainana »
Am-pitiavana no andraisanay
Na dia tsy mendrika aza izahay !


110 – Nomeko ho anao



1. Nomeko ho anao,
Ny rako masina,
Hanavotra anao,
Izay tsy marina!
:,: Ka dia mba inona izao
No ahy taminao! :,:

2. Nafoiko ho anao
Ny zava-tsoa be,
Mba hanatonanao
Ny Raiko lehibe.
:,: Ka dia mba inona, sns :,:

3. Izaho Tomponao
Nijaly mafy re,
Hanafaka anao
Mpanota lehibe:
:,: Ka dia mba inona, sns :,:

4. Ny vonjy lehibe
Nataoko ho anao,
Ny rako nitete
Hanadio anao;
:,: Ka dia mba inona, sns :,:

5. Jesosy Tompo ô!
Izao no teniko;
Atolotro ho Anao
Ny aiko sy ny fo;
:,: Izany no isaorako
Anao Mpamonjiko :,:

6. Ny foko raisonao,
Oneno hatrety,
Ataovy lapanao
Na eto na ary;
:,: Dia tano aho, Tompo ô!
Mba ho fanananao :,:


266 – Ry Jeso Tompo, Ianao

1. Ry Jeso Tompo, Ianao Isaorako tokoa izao ; Ny ranao sy ny tenanao No nihinanako izao ! 2. Ry foko faly ambarao Ny soa azonao izao ! Jesosy monina ao am-po, Endrey ny hafaliako !

VAVAKA


Actes des Apôtres 2: 1-11

01 Quand arriva le jour de la Pentecôte, au terme des cinquante jours, ils se trouvaient réunis tous ensemble.

02 Soudain un bruit survint du ciel comme un violent coup de vent : la maison où ils étaient assis en fut remplie tout entière.

03 Alors leur apparurent des langues qu’on aurait dites de feu, qui se partageaient, et il s’en posa une sur chacun d’eux.

04 Tous furent remplis d’Esprit Saint : ils se mirent à parler en d’autres langues, et chacun s’exprimait selon le don de l’Esprit.

05 Or, il y avait, résidant à Jérusalem, des Juifs religieux, venant de toutes les nations sous le ciel.

06 Lorsque ceux-ci entendirent la voix qui retentissait, ils se rassemblèrent en foule. Ils étaient en pleine confusion parce que chacun d’eux entendait dans son propre dialecte ceux qui parlaient.

07 Dans la stupéfaction et l’émerveillement, ils disaient : « Ces gens qui parlent ne sont-ils pas tous Galiléens ?

08 Comment se fait-il que chacun de nous les entende dans son propre dialecte, sa langue maternelle ?

09 Parthes, Mèdes et Élamites, habitants de la Mésopotamie, de la Judée et de la Cappadoce, de la province du Pont et de celle d’Asie,

10 de la Phrygie et de la Pamphylie, de l’Égypte et des contrées de Libye proches de Cyrène, Romains de passage,

11 Juifs de naissance et convertis, Crétois et Arabes, tous nous les entendons parler dans nos langues des merveilles de Dieu. »

Rom 8: 8-17

1Or ceux qui vivent selon la chair ne sauraient plaire à Dieu.

Pour vous, vous ne vivez pas selon la chair, mais selon l’esprit, si du moins l’Esprit de Dieu habite en vous. Si quelqu’un n’a pas l’Esprit de Christ, il ne lui appartient pas.

10 Et si Christ est en vous, le corps, il est vrai, est mort à cause du péché, mais l’esprit est vie à cause de la justice.

11 Et si l’Esprit de celui qui a ressuscité Jésus d’entre les morts habite en vous, celui qui a ressuscité Christ d’entre les morts rendra aussi la vie à vos corps mortels par son Esprit qui habite en vous.

12 Ainsi donc, frères, nous ne sommes point redevables à la chair, pour vivre selon la chair.

13 Si vous vivez selon la chair, vous mourrez; mais si par l’Esprit vous faites mourir les actions du corps, vous vivrez,

14 car tous ceux qui sont conduits par l’Esprit de Dieu sont fils de Dieu.

15 Et vous n’avez point reçu un esprit de servitude, pour être encore dans la crainte; mais vous avez reçu un Esprit d’adoption, par lequel nous crions: Abba! Père!

16 L’Esprit lui-même rend témoignage à notre esprit que nous sommes enfants de Dieu.

17 Or, si nous sommes enfants, nous sommes aussi héritiers: héritiers de Dieu, et cohéritiers de Christ, si toutefois nous souffrons avec lui, afin d’être glorifiés avec lui.

Jean 14: 15-26

215 Si vous m’aimez, gardez mes commandements. 16 Et moi, je prierai le Père, et il vous donnera un autre consolateur, afin qu’il demeure éternellement avec vous, 17 l’Esprit de vérité, que le monde ne peut recevoir, parce qu’il ne le voit point et ne le connaît point; mais vous, vous le connaissez, car il demeure avec vous, et il sera en vous. 18 Je ne vous laisserai pas orphelins, je viendrai à vous. 19 Encore un peu de temps, et le monde ne me verra plus; mais vous, vous me verrez, car je vis, et vous vivrez aussi. 20 En ce jour-là, vous connaîtrez que je suis en mon Père, que vous êtes en moi, et que je suis en vous. 21 Celui qui a mes commandements et qui les garde, c’est celui qui m’aime; et celui qui m’aime sera aimé de mon Père, je l’aimerai, et je me ferai connaître à lui.

22 Jude, non pas l’Iscariot, lui dit: Seigneur, d’où vient que tu te feras connaître à nous, et non au monde? 23 Jésus lui répondit: Si quelqu’un m’aime, il gardera ma parole, et mon Père l’aimera; nous viendrons à lui, et nous ferons notre demeure chez lui. 24 Celui qui ne m’aime pas ne garde point mes paroles. Et la parole que vous entendez n’est pas de moi, mais du Père qui m’a envoyé.

25 Je vous ai dit ces choses pendant que je demeure avec vous. 26 Mais le consolateur, l’Esprit-Saint, que le Père enverra en mon nom, vous enseignera toutes choses, et vous rappellera tout ce que je vous ai dit.


Ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana Tompontsika / Izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina / nanterak’i Maria Virijina / nijaly raha nanapaka Pontio Pilato / nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, / maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita / nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo / niakatra ho any an-danitra, / mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha / avy any no hiavian’ny hitsara ny velona sy ny maty / Mino ny Fanahy Masina, ny Fiangonana masina / manerana izao tontolo izao / ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka  / ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena”

Je crois en Dieu, le Père tout-puissant,

créateur du ciel et de la terre.

Je crois en Jésus-Christ, son Fils unique, notre Seigneur,

qui a été conçu du Saint-Esprit et qui est né de la vierge Marie ;

Il a souffert sous Ponce Pilate ;

Il a été crucifié, il est mort, il a été enseveli,

Il est descendu aux séjours des morts ;

Le troisième jour il est ressuscité des morts ;

Il est monté au ciel ;

Il siège à la droite de Dieu, le Père tout-puissant ;

Il viendra de là pour juger les vivants et les morts.

Je crois en l’Esprit-Saint ;

Je crois la sainte Eglise universelle,

La communion des saints,

La rémission des péchés,

La résurrection de la chair et la vie éternelle.

Amen.