Culte
Prélude – zava-maneno (Miditra ireo Mpitarika, mitsangana ny Fiangonana)
Mpitarika : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Fiangonana : Amena
Fiarahabàna Apôstôlika – Salutation Apostolique
Fanatonana – Fiderana – Louange
Fiantsoana ny anaran’Andriamanitra – Invocation
«Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. Hankalaza Anao isan’andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria. Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin’ny asany rehetra. Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika. Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin’ny fotoany. Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra
Salamo 145 : 1-2 ; 8-9 ; 14-16
«Louange. De David. Je t’exalterai, ô mon Dieu, mon roi! Et je bénirai ton nom à toujours et à perpétuité. Chaque jour je te bénirai, Et je célébrerai ton nom à toujours et à perpétuité. L’Éternel est miséricordieux et compatissant, Lent à la colère et plein de bonté. L’Éternel est bon envers tous, Et ses compassions s’étendent sur toutes ses œuvres. L’Éternel soutient tous ceux qui tombent, Et il redresse tous ceux qui sont courbés. Les yeux de tous espèrent en toi, Et tu leur donnes la nourriture en son temps. Tu ouvres ta main, Et tu rassasies à souhait tout ce qui a vie.»
Salamo 145 : 1-2 ; 8-9 ; 14-16
Vavaka fiderana – Prière d’Adoration
Fiaiken-keloka – Conféssion des péchés
Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danintra ô ! mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo mpamonjy izao tontolo izao ! mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay mpampionona ô ! mamindrà fo aminay !
Teny famelan-keloka – Pardon des péchés
(mitsangana)
Ry havana malala, ho antsika izay nibebaka marina tokoa dia henoy ka raiso ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra. Hiara-mitsangana isika.
«Fa ankehitriny, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. »
Voavela ny helokareo noho’ny Anarany Masina ! Miderà ny Tompo !
« Ainsi parle maintenant l’Éternel, qui t’a créé, Celui qui t’a formé, Ne crains rien, car je te rachète, Je t’appelle par ton nom : tu es à moi !»
Vos péchés vous sont pardonnés par son saint Nom ! Louez le Seigneur !
Ny Fiangonana : “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isan’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny”. Amena(Sal 32 :1,2)
Fankalazàna
Mpitarika: Voninahitra ho any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany
Zava-maneno – Interlude
Famakiana ny Tenin’Andriamanitra – Lecture de la Bible
Vavaka hampahazava ny Teny – Prière d’illumination
Fiangonana: hisaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara
Fotoanan’ny Ankizy
« Que ton nom soit sanctifié » (Mathieu 6 :9b)
TORITENY – PRÉDICATION
Fanekem-pinoana – Confession de foi
Vaovaon’ny Fiangonana
Raki-pisaorana – Offrande
Fanolorana ny rakitra :
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA – INTERCESSION
TSODRANO – BÉNÉDICTION
Fanirahana – Envoi
Mpitarika : Voninahitra ho an’Andriamanitra Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Mandehàna amin’ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana
Fiangonana : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, AMENA
Feon-java-maneno firavana – Postule
FIHIRANA
Andriamanitra ! He mahagaga
1. Andriamanitra ! He mahagaga,
ny zavatra nataon’ny tananao
Ny kintana sy kotrokoranandro
Ampisehoanao ny herinao
MIDERA ANAO ANDRIAMANITRA ô
FA LEHIBE, FA LEHIBE (x2)
Mais quand je songe, ô sublime mystère
Qu'un Dieu si grand a pu penser à moi
Que son cher fils est devenu mon frère
Et que je suis l'héritier du grand Roi
Alors mon coeur redit la nuit, le jour :
Que tu es bon
Ô ! Dieu d'amour ! (x 2)
Quand mon Sauveur éclatant de lumière,
Se lèvera de son trône éternel,
Et que laissant les douleurs de la terre,
Je pourrais voir les splendeurs de son ciel
Je redirai dans son divin séjour :
Rien n'est plus grand
Que ton amour ! (x 2)
MIDERA ANAO ANDRIAMANITRA ô
FA LEHIBE, FA LEHIBE (x2)
Reçois l’adoration
Reçois l'adoration
Tu es le Roi de gloire
Notre victoire
Digne es-tu Seigneur, Emmanuel (x2)
Dieu de lumière élevé dans les cieux
Rempli de grâce et de paix
Environné de louange et de feu
Gardien de l'éternité
Pourquoi quitter ce palais de bonheur
Pour un sentier de misère
Par quel amour les chemins de ton cœur
Ont su trouver nos prières
Reçois l'adoration
Tu es le Roi de gloire
Notre victoire
Digne es-tu Seigneur, Emmanuel (x2)
De cette foi que ton cœur a montrée
Je veux puiser mon secours
Sur le chemin que ta vie a tracé
Je marcherai chaque jour
Garde mes yeux des attraits de ce monde
Garde-moi près de la croix
En ce lieu saint où mon âme est féconde
D'humilité et de joie
Reçois l'adoration
Tu es le Roi de gloire
Notre victoire
Digne es-tu Seigneur, Emmanuel (x2)
Emmanuel, Emmanuel
Emmanuel, Emmanuel
Tu es saint
Et les anges acclament: "Tu es saint"
L'univers proclame: "Tu es saint"
Tu es glorifié, Dieu très saint
À jamais tu es saint (4x)
Tiako loatra
Tiako loatra, tiako loatra e ny fitiavanao
Ry Jesoa, mamy loatra e ny eo anilanao
Lavitry ny ahiahy, ravoravo ny fanahy
Tena ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao
Tena soa, tsara loatra e ny fitantananao
Ny fiainanay, matoa nivoatra e dia notahianao
Na nisedra mahamay, nenjehina aza indraindray
Dia tsy lavo fa nijoro, Ianao no niady ho anay
Ka mbola hatoky Anao, hifikitra Aminao
Tsy misy mahavita anay afa-tsy Ianao ry Jesoa tia
Ny velirano izay ataonay Aminao
Tsy hivadika AmiNao izahay
Mandrakizay doria
Abrite-moi
Abrite-moi sous tes ailes
Couvre-moi par ta main puissante
Même si les océans se déchaînent
Je les traverserai avec toi
Père, tu domines les tempêtes
Je suis tranquille car tu es là
En Jésus seul
En Jésus seul je me confie
Il me donne
force, calme et puissance
Même si les océans se déchaînent
Je les traverserai avec toi
Père, tu domines les tempêtes
Je suis tranquille car tu es là
Je suis tranquille car tu es là
Abrite-moi sous tes ailes
Couvre-moi par ta main puissante
Même si les océans se déchaînent
Je les traverserai avec toi
Père, tu domines les tempêtes
Je suis tranquille car tu es là
Même si les océans se déchaînent
Je les traverserai avec toi
Père, tu domines les tempêtes
Je suis tranquille car tu es là
En Jésus seul
En Jésus seul je me confie
Il me donne
force, calme et puissance
Même si les océans se déchaînent
Je les traverserai avec toi
Père, tu domines les tempêtes
Je suis tranquille car tu es là
Même si les océans se déchaînent
Je les traverserai avec toi
Père, tu domines les tempêtes
Je suis tranquille car tu es là
534 – Misy didy tena tsara
1. Misy didy tena tsara
‘Zay nomen’ny Tompo hoe :
Mba mifankatiava tsara
Hianareo ’zay mino e,
:,:Ka miraisa !:,:
‘Zao no didy lehibe
2. Tonga Jeso mba hanompo
Sy mba hampihavana ;
Tsy mpanaraka ny Tompo
‘Zay tsy tia namana
:,:Ka tadiavo:,:
‘Zay ho fampiraisana !
3. Fa iray tokoa ny Loha
Dia Jesosy Zanaka
Endriky ny Ray Tsitoha,
Izay halaina tahaka.
:,:Tsy ho resy:,:
Raha miray ny tafika !
4. Jeso no Ilay foto-kazo,
Tena voaloboka
Ka ny sampana halazo
Raha tafasaraka.
:,:Ikambano:,:
Ka aza mba mihataka !
FF 11 – Faly aho
Faly aho raha hoy izy ireo tamiko
“Handeha isika ho any an-tranon’I Jehovah,
Ny tongotray efa mijoro
Ao anatin’ny vavahadinao
Ry Jerosalema, ry Jerosalema.
Dia ianao ry Jerosalema,
Izay efa vita tahaka ny tanàna
Efa voalamina tsara.
Any no hiakaran’ny firenena,
Ny firenen’I Jehovah,
Mba hisaotra ny Anarany
Mba hisaotra ny Anarany
Mba hisaotra ny Anaran’i Jehovah.”
487 – Fanavaozana izay mahagaga tokoa
1. Fanavaozana izay mahagaga tokoa
Nomen’i Jeso ahy re !
Fahazavan’ny fanahy izay mahafa-po
Nomen’i Jeso ahy re !
Fiv : :,:Hatramin’izao dia endrey :,:
Ny fitempon’ny foko izay ravo tokoa
Onenan’ny Tompo Jeso !
2. Ny fiainako be siasia taloha
Voaova mihitsy izao !
Eny, ny fahotako izay nahavoa
Voasasany koa izao !
Hatramin’izao, sns…
3. Ny finoako, ny fanantenako dia be,
Ny tokiko fatratra koa ;
Ny fisalasalana dia levona re,
Ny saiko mandroso ho soa !
Hatramin’izao, sns…
4. Tonga mamirapiratra fatratra ery
Ny aloky ny faty re !
Ka dia tsinjoko ilay vavahady ary,
Mankao an-tanàn-dehibe !
Hatramin’izao, sns…
5. Tsy miato, mizotra mankany tokoa
Ny diako hatramin’izao ;
Hovantaniko any Ilay Tompo soa,
Jesosy malala no ao !
Hatramin’izao, sns…
444 – Ry Raiko feno antra
1. Ry Raiko feno antra!
Inty ny zanakao,
Ny foko dia mahantra
Raha lavitra aminao;
Fa tany karankaina
Izao tontolo izao
Ka reraka ny aina
Mihataka aminao.
Fiv : Ry Raiko feno antra!
Inty ny zanakao,
Ny foko dia mahantra
Raha lavitra aminao.
2. Nivezivezy aho
Nikaro-java-tsoa,
Izay rehetra hita
Nandramana avokoa;
Nandany taona maro
Nanaran-tsitrapo,
Kanefa tsy nahazo
Izay mahafa-po.
Ry Raiko feno antra!, sns…
3. Mamitaka mihitsy
Izao tontolo izao,
Ny mamy dia mangidy,
Izay tena soa tsy ao;
Koa aza mba adalainy
Intsony re, ny fo!
Andeha mba ho hendry
Hatramin’ny anio.
Ry Raiko feno antra!, sns…
4. Ry Jeso, Mofon’aina
Sy ranon’aina koa
Hianao no mahatony
Izay filan’ny fo;
Hianao no mahavoky
Hianao no manome
Izay irin’ny foko,
Dia hasambaram-be
Ry Raiko feno antra!, sns…
VAVAKA
Acte des apôtres 14: 21-27
21 Quand ils eurent évangélisé cette ville et fait un certain nombre de disciples, ils retournèrent à Lystre, à Icone et à Antioche,
22 fortifiant l’esprit des disciples, les exhortant à persévérer dans la foi, et disant que c’est par beaucoup de tribulations qu’il nous faut entrer dans le royaume de Dieu.
23 Ils firent nommer des anciens dans chaque Église, et, après avoir prié et jeûné, ils les recommandèrent au Seigneur, en qui ils avaient cru.
24 Traversant ensuite la Pisidie, ils vinrent en Pamphylie,
25 annoncèrent la parole à Perge, et descendirent à Attalie.
26 De là ils s’embarquèrent pour Antioche, d’où ils avaient été recommandés à la grâce de Dieu pour l’oeuvre qu’ils venaient d’accomplir.
27 Après leur arrivée, ils convoquèrent l’Église, et ils racontèrent tout ce que Dieu avait fait avec eux, et comment il avait ouvert aux nations la porte de la foi.
Apocalypse 21: 1-5
21 Puis je vis un nouveau ciel et une nouvelle terre; car le premier ciel et la première terre avaient disparu, et la mer n’était plus.
2 Et je vis descendre du ciel, d’auprès de Dieu, la ville sainte, la nouvelle Jérusalem, préparée comme une épouse qui s’est parée pour son époux.
3 Et j’entendis du trône une forte voix qui disait: Voici le tabernacle de Dieu avec les hommes! Il habitera avec eux, et ils seront son peuple, et Dieu lui-même sera avec eux.
4 Il essuiera toute larme de leurs yeux, et la mort ne sera plus, et il n’y aura plus ni deuil, ni cri, ni douleur, car les premières choses ont disparu.
5 Et celui qui était assis sur le trône dit: Voici, je fais toutes choses nouvelles. Et il dit: Écris; car ces paroles sont certaines et véritables.
Jean 13: 31-35
131 Lorsque Judas fut sorti, Jésus dit: Maintenant, le Fils de l’homme a été glorifié, et Dieu a été glorifié en lui.
32 Si Dieu a été glorifié en lui, Dieu aussi le glorifiera en lui-même, et il le glorifiera bientôt.
33 Mes petits enfants, je suis pour peu de temps encore avec vous. Vous me chercherez; et, comme j’ai dit aux Juifs: Vous ne pouvez venir où je vais, je vous le dis aussi maintenant.
34 Je vous donne un commandement nouveau: Aimez-vous les uns les autres; comme je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres.
35 A ceci tous connaîtront que vous êtes mes disciples, si vous avez de l’amour les uns pour les autres.
Credo – Symbole de Nicée-Constantinople
N°3
Izaho mino an’Andriamanitra tokana / Ray Tsitoha / nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra, na hita na ny tsy hita.
Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana / Zanaka lahitok’ Andriamanitra / teraky ny Ray talohan’ izao rehetra izao.
Andriamanitra avy amin’ny Andriamanitra / Fahazavana avy amin’ny Fahazavana /
Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina / nateraka fa tsy natao / iray fomba amin’ny Ray / Izy no nahariana izao rehetra izao / nidinina avy any an-danitra ho antsika olombelona sy ho famonjena antsika /
ary tonga nofo tao amin’i Maria Virijiny noho ny herin’ny Fanahy Masina / ka tonga olombelona / nohomboana tamin’ny hazofijaliana ho antsika tamin’ny andron’ny Pontio Pilato / nijaly ary nalevina /
Nitsangana velona tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina / niakatra any an-danitra / mipetraka eo an-kavanan’ny Ray / ary ho avy indray amim-boninahitra hitsara ny velona sy ny maty / ka tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany / Izaho mino ny Fanahy Masina Tompo sy Mpamelona avy amin’ny Ray sy ny Zanaka / itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka / ary niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany /
Izaho mino ny Fiangonana iray / Masina, manerana izao rehetra izao, araka ny fanorenan’ny Apostoly /
Izaho manaiky Batisa iray ho famelan-keloka / ary miandry ny fitsanganan’ny maty sy ny fiainana ho avy.
amena
Je crois en un seul Dieu, le Père tout-puissant,
Créateur du ciel et de la terre, de l’univers visible et invisible.
Je crois en un seul Seigneur, Jésus Christ, le Fils unique de Dieu, né du Père avant tous les siècles
Il est Dieu, né de Dieu, lumière, née de la lumière,
vrai Dieu, né du vrai Dieu,
engendré, non pas créé, de même nature que le Père, et par lui tout a été fait.
Pour nous les hommes, et pour notre salut,
il descendit du ciel ; par l’Esprit Saint,
il a pris chair de la Vierge Marie, et s’est fait homme.
Crucifié pour nous sous Ponce Pilate,
il souffrit sa passion et fut mis au tombeau.
Il ressuscita le troisème jour,
comformément aux Ecritures, et il monta au ciel ;
il est assis à la droite du Père.
Il reviendra dans la gloire, pour juger les vivants et les morts ;
et son règne n’aura pas de fin.
Je crois en l’Esprit Saint, qui est Seigneur et qui donne la vie ;
il procède du Père et du Fils ; avec le Père et le Fils,
il reçoit même adoration et même gloire ;
il a parlé par les prophètes.
Je crois en l’Eglise, une, sainte, catholique et apostolique.
Je reconnais un seul baptême pour le pardon des péchés.
J’attends la résurrection des morts et la vie du monde à venir.
Amen.
