Culte
Prélude – zava-maneno (Miditra ireo Mpitarika, mitsangana ny Fiangonana)
Mpitarika : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Fiangonana : Amena
Fiarahabàna Apôstôlika – Salutation Apostolique
Fanatonana – Fiderana – Louange
Fiantsoana ny anaran’Andriamanitra – Invocation
«Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; Mba ho fantatra etỳ ambonin’ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ny jentilisa rehetra. Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ny tany dia entinao; Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika. Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.» Salamo
«Ô Dieu, aie pitié de nous et bénis-nous, fais briller sur nous ton visage! Alors sur la terre, tous verront comment tu agis, toutes les nations sauront que tu es le sauveur. Ô Dieu, que les peuples te disent merci, que les peuples te remercient tous ensemble! Que les nations se réjouissent et chantent leur joie, car tu juges les peuples avec justice, et sur la terre, tu conduis les nations. Ô Dieu, que les peuples te disent merci, que les peuples te remercient tous ensemble! La terre a donné ses récoltes, Dieu, notre Dieu, nous bénit. Oui, que Dieu nous bénisse, et que tous le respectent, jusqu’au bout du monde!» Psaume
Vavaka fiderana – Prière d’Adoration
Fiaiken-keloka – Conféssion des péchés
Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danintra ô ! mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo mpamonjy izao tontolo izao ! mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay mpampionona ô ! mamindrà fo aminay !
Teny famelan-keloka – Pardon des péchés
(mitsangana)
Ry havana malala, ho antsika izay nibebaka marina tokoa dia henoy ka raiso ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra. Hiara-mitsangana isika.
« Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony.»
Voavela ny helokareo noho’ny Anarany Masina ! Miderà ny Tompo !
«Si mon peuple sur qui est invoqué mon nom s’humilie, prie, et cherche ma face, et s’il se détourne de ses mauvaises voies, je l’exaucerai des cieux, je lui pardonnerai son péché, et je guérirai son pays.»
Vos péchés vous sont pardonnés par son saint Nom ! Louez le Seigneur !
Ny Fiangonana : “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isan’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny”. Amena(Sal 32 :1,2)
Fankalazàna
Mpitarika: Voninahitra ho any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany
Zava-maneno – Interlude
Famakiana ny Tenin’Andriamanitra – Lecture de la Bible
Vavaka hampahazava ny Teny – Prière d’illumination
Fiangonana: hisaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara
Fotoanan’ny Ankizy
TORITENY – PRÉDICATION
Fanekem-pinoana – Confession de foi
Vaovaon’ny Fiangonana
Raki-pisaorana – Offrande
Fanolorana ny rakitra :
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA – INTERCESSION
TSODRANO – BÉNÉDICTION
Fanirahana – Envoi
Mpitarika : Voninahitra ho an’Andriamanitra Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Mandehàna amin’ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana
Fiangonana : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, AMENA
Feon-java-maneno firavana – Postule
FIHIRANA
J’ai soif de ta présence
1-J'ai soif de ta présence
Divin chef de ma foi
Dans ma faiblesse immense
Que ferais-je sans toi?
Ref
Chaque jour à chaque heure
Oh, j'ai besoin de toi
Viens Jésus et demeure
Auprès de moi
3-Pendant les jours d'orage
D'obscurité d'effroi
Quand faibli mon courage
Que ferais-je sans toi?
4-Ô Jésus ta présence
C'est la vie et la paix
La paix dans la souffrance
Et la vie à jamais
5-Ô Jésus ta présence
C'est la vie et la paix
La paix dans la souffrance
Et la vie à jamais
Hay teo foana i kristy
Taona sy taona nisesy nitadiavan-tsoa
Nihodikodina nefa tsy nety nitony ny fo
Ireo izay nitokiana nandao avokoa
Tany efitra sady nangiana no niainako
Hay teo foana i Kristy
Hay teo foana i Kristy
Nitady ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy
Foana izao ny fotoana izay laniko
Andro mirana sy lohataona izao ny androko
Tojo izay nantenaina aho ka dia afa-po
Ilay fiainako teo karakaina niova ho soa
Hay teo foana i Kristy
Hay teo foana i Kristy
Nitady ahy izay nania
Hay teo foana i Kristy
FF 41 – Jesoa no Mpanavotra
O! iza, iza?
Iza no hamonjy ahy
Iza, iza no hamonjy ahy re ?
Fa rerak’aho e
Fa dia reraka
Milonjy entam-pahotana
Fahotana be
O! manatona
Manatona an’i Jesoa
Fa Izy ihany
Izy no hamonjy anao
Fa noreseny
Efa noreseny na
Ny fasan’aza dia
Ny fahafatesana ! Ny fasan’aza !
Efa noreseny izao
Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao
Ka mba mifalia !
Mifalia ianao
Fa Jesoa Tompo no
Mpanavotra anao
Ry Jesoa Tompo ô !
Ry Jesosy Tompo ô !
Mba raiso re ny foko
Ho anao izao !
Fa famonjena fanavotan-dehibe
Sy avotr’aina koa
No he atolotrao Fa novonoina !
Novonoina Ianao
Hisolo voina
Mba hisolo voina anay
Fa noresenao
Efa noresenao na
Ny fasan’aza dia
Ny fahafatesana
Ny fasan’aza !
Efa noreseny izao
Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao
Ka mifaly re !
Ka mifaly izahay
Fa Jesoa Tompo no
Mpanavotra anay !
FF 39 – Faniriako
1. Ray o! mba faniriako,
Raha toa ka sitrakao
Ny handova lanitra
Dieny ety an-tany
Kanefa tsy izaho irery
F’ireo izay mino Anao
Hiaraka amiko
Hatrany hatrany.
Fiv : Endrey ny fiainanay anilan-dRay
Ny Tompo iray, Fanahy iray
Iraisana avokoa ‘reo asa soa
Iray ny fo, iray ny loha
Ray o! nahoana moa e!
Raha atomboka anio?
2. Ray ô! mba faniriako
Raha toa ka sitrakao
Ny ho zanaka manoa
Feno fahendrena
Hilofo hatrany koa
Hamita ireo asanao
Ka tsy hirehareha
Fa hanetry tena.
Endrey ny fiainanay anilan-dRay sns…
303 – O mandrosoa, ry mpanaraton’i Jeso
1. O, mandrosoa ry mpanaraton’i Jeso,
‘Zay no baiko azontsika ka mandrosoa
Jesosy Tompo no mibaiko : « Mandrosoa,
Raiso ka arotsahy ny haratonao ! »
Fiv : Miaingà namako ô ! Jeso no mibaiko
Mandrosoa, mandrosoa, mandrosoa tokoa
Aza kivy koa, na dia tsy mahazo
« Mandrosoa amin’ny lalina kokoa ! »
2. O, mandrosoa ry mpanaraton’i Jeso,
Saina mora kivy aoka ho lavinao ;
Fa ny mora kivy dia hanenina tokoa :
« Raiso ka arotsahy ny haratonao ! »
Miaingà, namako ô, sns…
3. O, mandrosoa ry mpanaraton’i Jeso,
Mbola ao ny hazandrano ho azonao
Tsy azonao anio, ampitso mandrosoa,
« Raiso ka arotsahy ny haratonao ! »
Miaingà, namako ô, sns…
4. Mba mitoera Jeso ao antsambonay,
Mba ho renay lalandava ny Teninao !
Ny baikonao, ry Tompo, no andrasanay
Handrotsahanay izao ny haratonay.
Miaingà, namako ô, sns…
473 – Mombà anay, ry Jeso Tompo ô
1. Mombà anay, ry Jeso Tompo ô !
Fa maizina ny alina aty;
Tsy misy vonjy raha tsy aminao;
Mpamonjy tia ô ! Mombà anay !
2. Mandalo koa ny andronay ety ,
Ka mihalò ny fifalianay;
Miovaovao izao rehetra izao;
Ry tsy miova ô ! Mombà anay.
3. Aza mba mivahiny aminay,
Aza mihevitra ny helokay;
Aoka ho be ny famindranao fo;
Ry Jeso Tompo ô ! Mombà anay.
4. Tsy mahaleo tena izahay,
Fa mora resy, mora kivy koa;
Ry Jeso Tompo ! Aoka honenanao
Ety an-dasin’ny mpanomponao.
5. Ny teninao no fifalianay;
Ny masonao mitari-dalana;
Ary ny herinao no tanjakay;
Sakaiza tsara ô ! mombà anay.
6. Izay ombanao afa-tahotra,
Tsy mety kivy na mamoy fo ;
Tsy misy fahoriana izay
Haninona ny fo arovanao.
7. Rehefa tonga ny fotoana
Hitànay ilay ony maizina,
Aoka ny tavanao hazava ao,
Amin’izany re mombà anay.
FF 46 – Mba tantanonao, ry Raiko!
1. Mba tantanonao, ry Raiko
Izato làlan-janakao
Ny mifidy toa tsy haiko
Fa maniry indrindra Anao
Hitanao ny adi-tsaina
Mitambesatra ao an-doha
‘Zany tsikin’ny maraina
Toa ela vao hifoha
2. Moa diso ny safidiko
Raha mandroso ka mankao
Sa ‘ty làla-nofinidiko
Dia tsy ilay voasoritrao
Tanteraho ny faniriako
O ! ry Tompo tena tia
Fa ity zavatra iriko
Masina amiko doria
3. Nefa, raha tsy izay no didy
Namboarinao ho ahy
Amboary ny safidy
Sy ny ratrako am-panahy
Atolorinao ny hery
Hampijoro izay nikoa
Ka sitranonao ny fery
Sy ny ratrako ao am-po
VAVAKA
Genèse 32 : 25 – 32
225 Jacob resta seul. Or, quelqu’un lutta avec lui jusqu’au lever de l’aurore.
26 L’homme, voyant qu’il ne pouvait rien contre lui, le frappa au creux de la hanche, et la hanche de Jacob se démit pendant ce combat.
27 L’homme dit : « Lâche-moi, car l’aurore s’est levée. » Jacob répondit : « Je ne te lâcherai que si tu me bénis. »
28 L’homme demanda : « Quel est ton nom ? » Il répondit : « Jacob. »
29 Il reprit : « Ton nom ne sera plus Jacob, mais Israël (c’est-à-dire : Dieu lutte), parce que tu as lutté avec Dieu et avec des hommes, et tu l’as emporté. »
30 Jacob demanda : « Fais-moi connaître ton nom, je t’en prie. » Mais il répondit : « Pourquoi me demandes-tu mon nom ? » Et là il le bénit.
31 Jacob appela ce lieu Penouël (c’est-à-dire : Face de Dieu), « car, disait-il, j’ai vu Dieu face à face, et j’ai eu la vie sauve. »
32 Au lever du soleil, il passa le torrent à Penouël. Il resta boiteux de la hanche.
Mathieu 15 : 21-28
21 Jésus, étant parti de là, se retira dans le territoire de Tyr et de Sidon.
22 Et voici, une femme cananéenne, qui venait de ces contrées, lui cria: Aie pitié de moi, Seigneur, Fils de David! Ma fille est cruellement tourmentée par le démon.
23 Il ne lui répondit pas un mot, et ses disciples s’approchèrent, et lui dirent avec insistance: Renvoie-la, car elle crie derrière nous.
24 Il répondit: Je n’ai été envoyé qu’aux brebis perdues de la maison d’Israël.
25 Mais elle vint se prosterner devant lui, disant: Seigneur, secours-moi!
26 Il répondit: Il n’est pas bien de prendre le pain des enfants, et de le jeter aux petits chiens.
27 Oui, Seigneur, dit-elle, mais les petits chiens mangent les miettes qui tombent de la table de leurs maîtres.
28 Alors Jésus lui dit: Femme, ta foi est grande; qu’il te soit fait comme tu veux. Et, à l’heure même, sa fille fut guérie.
Fanekem-pinoana Faha efatra
Mananbara ny finoantsika an’ i Jesoa Kristy isika, dia araka ny tenin’ i Jaona Mpanao Batisa hoe : « Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao. » Jao 1.29
Sy araka ny teny natoan’ i Andrea hoe : « Efa nahita ny Mesia izahay » Jao 1.41
Sy araka ny teny nataon’i Natanaela hoe: « Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’ny Israely » Jao 1.49
Sy araka ny teny nataon’ny Samaritana hoe : « Ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. » Jao 4.42
Sy araka ny teny nataon’ i Petera hoe : « Ianao no Kristy Zanak’ Andriamanitra velona. » Mat 16.16.
« Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. » Jao 6.68
Ary araka ny teny nataon’ i Tomasy hoe :
« Tompoko sy Andriamanitro » Jao 20.28
Amena.
Nous proclamons notre foi en Jésus-Christ selon la parole de Jean Le Baptiste :
« Voici l’agneau de Dieu qui enlève le péché du monde. »
Et selon ce qu’a déclaré André : « Nous avons trouvé le Messie. »
Selon ce qu’a déclaré Nathanaël : « Tu es le fils de Dieu, tu es le Roi d’Israël »
Selon ce qu’ont déclaré les Samaritains : « Nous l’avons entendu nous-mêmes. Et nous le savons : le Sauveur du monde, c’est vraiment lui ! »
Selon ce qu’a proclamé Pierre : « Tu es le Messie, le Fils du Dieu vivant. »
« Tu as les paroles de la vie éternelle. »
Et selon la conféssion de Thomas : « Mon Seigneur et mon Dieu ! »
Amen
