FANOMPOAM-PIVAVAHANA
ANKATOKY NY FANDRAISANA + FETY NY RENY
ALAHADY TRINITE 28 MAY 2024
Zava-maneno fanombohana – Prélude
Miditra ny mpandray anjara miaraka @ Mpitandrina (mitsangana ny rehetra)
I-TENY FANOMBOHANA – INVOCATION
Mpitandrina:Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Au nom du Père, du Fils et du Saint-Esprit.
Fiangonana:Amen(mipetraka ny Fiangonana)
II-FIFAMPIARAHABANA – SALUTATION APOSTOLIQUE ET ACCUEIL
III-FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA – LOUANGE
FFPM 233 Ô RY RAY MALALA
Famakiana mifandimby ny Salamo faha-116:1-6
1 Izaho tia an’i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ny fifonako Izy.
2 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
3 Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ny fiainan-tsi-hita*; Nahita fahoriana sy alahelo aho.
4 Dia niantso ny anaran’i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
5 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
6 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy. Amen
IV-VAVAKA FIDERANA – PRIERE deLOUANGE(mipetraka aorian’ny vavaka)
FFPM 146 ANAO NY DERA
V-SITRAPON’ANDRIAMANITRA
VI-VAVAKA FIFONANA SY FIEKEN-KELOKA – PRIERE DE REPENTANCE & CONFESSION DE PECHE
Raiso ary ny fifonan’ny Fiangonana:
Ry Rainay be famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay ; mamelà ny helokay ; diovy izahay ho afa-pahotana ;
sasao izahay mba ho afa-keloka, ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao.
Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amen.
Mihira ny fiangonana: Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danitra ô…… Amen
FFPM 445/3 HE MANOLOTENA AHO
VI-TENY FAMELAN-KELOKA SY FIADANANA – DECLARATION ET ACCUEIL DU PARDON (mitsangana ny Fiangonana)
VII-Fifampizarana fiadanana – PARTAGE de PAIX
FFPM 8 DERA LAZA HERY HAJA
VIII-FANKALAZANA – GLORIA
Mpitandrina:Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra –
Gloire à Dieu dans les lieux très hauts
Fiangonana:Aryfiadanana ho etyambonin’nytany, amin’nyolonaankasitrahany !
Et paix sur la terre parmi les hommes qu’IL agrée. (mipetraka aorian’izany)
IX-FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY SEKOLY ALAHADY : VAVAKA – PRIERE POUR LES ENFANTS
X-FIHAINOANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA – LITURGIE DE LA PAROLE
FFPM 319/1 Mba iraho ny Fanahy
Vavaka hampazava ny teny – Prière d’illumination :
Vakiteny – Lectures bibliques :
(Mitsangana ny fiangonana)
Fiangonana (mihira) :Ray masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana,
nyteninao no Fahamarinana !
Ô Père saint, sanctifie-nous par ta vérité, ta parole est la vérité ! Amen
Feon-zavamaneno fohy
TORITENY – PREDICATION
Feon-zavamaneno malefaka – Interlude musical et méditation
XI-FANEKEM-PINOANA APOSTOLIKA – SYMBOLE DES APOTRE (mitsangana ny Fiangonana)
“Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.
Ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana Tompontsika / Izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina / nanterak’i Maria Virijina / nijaly raha nanapaka Pontio Pilato / nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, / maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita / nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo / niakatra ho any an-danitra, / mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha / avy any no hiavian’ny hitsara ny velona sy ny maty /
Mino ny Fanahy Masina, ny Fiangonana masina / manerana izao tontolo izao / ny fiombonan’ny olona masina, ny famelan-keloka / ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena
ANTOKO MPIHIRA FPMOF
XII-RAHARAHAM-PIANGONANA – LES ANNONCES
XIII-FANATITRA FISAORANA – OFFRANDES
FFPM 432/1,2 MANDRA-PIHAVIN’NY TOMPO
XIV-FANOLORANA ny RAKITRA – PRESENTATION des RECOLTES
Ry Tompo ny harena ô, fanantitra an-tsitrapo, atolotray izao, mba raiso ka tahianao
(Mitsangana ny fiangonana)
XV-ANKATOKY NY FANDRAISANA – PRÉPARATION A LA SAINTE CÈNE
FFPM 318/1 Mandrosoa ry mpanarato
Fampianarana:
“Ny tenin’Andriamanitra no ataovy Fanohitra ny asa”
Vavaka fanoloran-tena – Prière de don de soi – fahanginana- silence
XVI-FANAMBARANA NY RAHARAHA NOHEVERIN’NY KOMITY
XVII-VAVAKA sy FANGATAHAM-PITAHIANA – PRIERE D’INTERCESSION
Hira:FFPM 617/1 AZA MANADINO
FFPM 617/1 AZA MANADINO
Mpitandrina:Ho aminareo anie ny Tompo!
Fiangonana:Ary ho amin’nyfanahinao !
XVIII-TSODRANO – BENEDICTION
Hira :FFPM 617/2HIANAO NO FIEREKO
FFPM 617/2HIANAO NO FIEREKO
XIX-FANIRAHINA – ENVOI
Mpitandrina:Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina
Izay hatramin’ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay!. Mandehana amin’ny fiadanana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fahalalana, finoana sy ny asa !
Fiangonana: Isaorana anie Andriamanitra ! Beni soit le nom de Seigneur
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Au nom du père, du fils et du Saint Esprit. Amen
Feon-java-maneno firavana!(Postlude)
« Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy no hanefa zany”. 1Tesaloniana 5:24
« Celui qui vous a appelés est fidèle, et c’est lui qui le fera » 1 Thessaloniciens 5 :24
Pasteur Alain RAZAFINDRATSIMBA
FIHIRANA
233 – O! Ray Malala, asehoy
- O! Ray Malala, asehoy
Ny hasoavanao;
Sasao ho afa-keloka
Izahay ho zanakao: - O! Ray Malala, mba henoy
Ny feonay zanakao;
Tantano ao an-dalana
Hankany aminao:
Ho mafy, sns… - O! Ray Malala, hitanao
Ny hasambaranay;
Ny avotr’ain’ny Zanakao
No itokianay:
Ho mafy, sns…
Fiv : Ho mafy ny fiezakay
Handia ny lalanao,
Tsy hisy hijanonanay,
Raha tsy an-tranonao.
146 – Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray
- Anao ny dera,
ry Zanaky ny Ray !
Anao ny fandresena
ry Mpanjakanay !
Ny fasana nivoha
noho ny herinao,
Ny Anaranao tsitoha
tsy voatana tao ! - Ianao nandresy,
lao re ny fasana,
Ny fanjakan’ny ota
koa ho lasana !
Ny herin’i Satana vato nikodia ;
Ny Anaranao nandresy
haharitra doria !
Anao ny dera, sns… - He, ravo aho !
Izy no santatra
Izaho koa hifoha
mba ho sambatra !
Ny fandresen’i Jeso
lovako tokoa,
Ny Anarany Tsitoha
hanangana ahy koa !
Anao ny dera, sns…
Fiv : Anao ny dera,
ry Zanaky ny Ray !
Anao ny fandresena
ry Mpanjakanay !
445 – Jeso mora fo indrindra
- He manolo-tena aho,
Ho Anao, ry Tompo soa!
Ka ny heloko rehetra
Mba sasaonao avokoa.
Enga ka omenao ahy
Fo madio sy vaovao,
Mba hahaizako manefa
‘Zay rehetra sitrakao
8 – Dera, laza, hery, haja
- Dera, laza, hery, haja,
Ho an’Andriamanitra
Tompon’aina, Zanahary,
Rain’ny voninahitra !
Izy no mpanao antsika
Sady ivelomana ;
Fototr’aina, foto-tsoa,
Izy ivavahana
Hihira isika hoe : Haleloia,
Dera ho an’Andriamanitra !
:,:Dia Haleloia, Haleloia :,: - Ray Tsitoha, tsy miova,
Tia sy mamindra fo,
Mahasoa isan’andro,
Izy no isaorana !
Vatolampy tsy mifindra,
Tokin’olombelona ;
Fiarova-mahavonjy,
Izy itokiana
Hihira isika hoe : Haleloia,
Dera ho an’Andriamanitra !
:,:Dia Haleloia, Haleloia! :,:
319 – Mba iraho ny Fanahy ry Jesosy Tompo ô!
- Mba iraho ny Fanahy
Ry Jesosy Tompo ô!
Mba hanampy sy hitahy
Ny mpiasa irakao.
Tany mafy no asaina,
Nefa kely izahay,
Marobe no tsy misaina,
Raha itorianay!
Tanteraho re ny toky,
lzay nomenao fahizay,
Ka mombà anay mpitory
Mandra-podimandrinay!
432 – Mandra-piavin’ny Tompo
- Mandra-pihavin’ny Tompo, mivavaha !
Ny teny tsara nomeny tadidio,
Ny adidinao tontosay sy efao !
Mijery ny ataonao ny Ray. - Mandra-piavin’ny Tompo, miasà !
Ampitomboy ireo talenta azonao !
Vola, fahaizana, aina, hery koa
No anompoy ny Tompo Tsitoha !
Fiv : Raha mpanompo tsara hianao,
He, ny Tompo faly aminao !
Koa tanteraho ireo adidinao
Mba ho mpanompo mahasoa !
!
318 – Mandrosoa, ry mpanarato
- Mandrosoa, ry mpanarato,
Aza ketraka izao!
Mandrosoa tsy miato,
Jeso re no herinao.
Ka ny jentilisa maro,
Havana sy tapaka,
Mba toroy ampahafantaro
An’Ilay Mpanafaka!
!
617 – Aza manadino ahy
- Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!
Aza mba manary ahy
Hanalavitra Anao;
Mitodiha ry Mpanjaka!
Ka Jereo ny olonao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka! - Hianao no fiereko,
Vatolampy, heriko!
Na kamboty aza aho,
Faly manana Anao;
Afa-tahotra ny foko,
Raha miandrandra Anao;
Aza manadino ahy,
Ry Mpihaino vavaka!
!
LECTURE BIBLIQUE
1ère lecture: Fihavanana Taloha:Deoteronomia 4.32-40
32 Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin’ny andro izay namoronan’Andriamanitra olombelona tety ambonin’ny tany ary hatramin’ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
33 Moa efa nisy firenena nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao amin’ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
34 Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin’ny firenena hafa va Andriamanitra amin’ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tànana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
35 Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin’ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan’ny afo.
37 Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ny heriny lehibe,
38 handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho hianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’izao anio izao.
39 Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
40 Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa hianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro hianao any amin’ny tany, izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
2ème lecture: Epistily – Epîtres: Romana 8.14-17
14 Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.
15 Fa tsy nandray fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba Ray ô.
16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
Vaovao Mahafaly – Nouvelle Alliance: Matio 28.16-20
1
16 Ary ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy halehany.
17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.
18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
19 koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
