Culte
Prélude – zava-maneno (Miditra ireo Mpitarika, mitsangana ny Fiangonana)
Mpitarika : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Fiangonana : Amena
Fiarahabàna Apôstôlika – Salutation Apostolique
Fanatonana – Fiderana – Louange
Fiantsoana ny anaran’Andriamanitra – Invocation
« Hoy izaho ny amin’i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina
aminao; Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia
tsy hangozohozo aho. Izany no ifalian’ny foko sy iravoravoan’ny fanahiko; eny, ny
nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy. Hampahafantatra ahy ny lalan’aina Hianao; fa
havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-
kavanana mandrakizay » Salamo 16:2, 8-9, 11
« Je dis à l’Éternel: Tu es mon Seigneur, Tu es mon souverain bien! J’ai constamment
l’Éternel sous mes yeux; Quand il est à ma droite, je ne chancelle pas. Aussi mon
cœur est dans la joie, mon esprit dans l’allégresse, Et mon corps repose en sécurité.
Tu me feras connaître le sentier de la vie; Il y a d’abondantes joies devant ta face, Des
délices éternelles à ta droite »
Vavaka fiderana – Prière d’adoration
Fiaiken-keloka – Conféssion des péchés
Ry Andriamanitra Tompo Ray ao an-danintra ô ! mamindrà fo aminay !
Ry Jesosy Tompo mpamonjy izao tontolo izao ! mamindrà fo aminay !
Ry Fanahy Masina Tomponay mpampionona ô ! mamindrà fo aminay !
Teny famelan-keloka – Pardon des péchés
(mitsangana)
«Satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah; Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra » (2Mpan 22:19; Apok 21:5)
Voavela ny helokareo noho’ny Anarany Masina ! Miderà ny Tompo !
« Puisque que ton cœur a été touché, et que tu t’es humilié devant moi, alors
moi aussi, j’ai entendu, dit l’Éternel. Voici ce que celui qui était assis sur le
trône dit, je fais toutes choses nouvelles » 2Rois 22:19 ; Apocalypse 21:5
Vos péchés vous sont pardonné par son Nom ! Louez le Seigneur !
Ny Fiangonana : “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isan’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny”. Amena(Sal 32 :1,2)
Fankalazàna
Mpitarika: Voninahitra ho any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra
Fiangonana : Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany
Zava-maneno – Interlude
Famakiana ny Tenin’Andriamanitra – Lecture de la Bible
Vavaka hampahazava ny Teny – Prière d’illumination
Fiangonana: hisaorana anie ny Tompo noho ny filazantsara
Fotoanan’ny Ankizy
TORITENY – PRÉDICATION
Fanekem-pinoana 5 – Confession de foi 5
Vaovaon’ny Fiangonana
Raki-pisaorana – Offrande
Fanolorana ny rakitra:
Fampianaram-pinoana – Cathéchisme
Fanasan’ny Tompo – Saint Cène
Mpitarika : Asandrato ny fonareo ho eo amin’ny Tompo
Fiangonana : Asandratray ny fonay ho eo amin’ny Tompo
Mpitarika : Aoka ho derain-tsika ny Tompo Andriamanitra
Fiangonana : Mendrika ho deraina Izy
Vavaka fanombohana (Préface)
Antema 1: Masina! Masina ! Masina ! Jehovah Tompo, feno ny voninahitrao izao rehetr’izao, ry Tompo ô, amen.
Teny Fanorenana (Institution)
Vavaka Fahatsiarovana (Anamnèse)
Vavaka fangatahana ny Fanahy Masina (Epiclèse)
Fanamasinana (fraction du pain et élévation de la coupe)
Vavaka fanetren-tena – (Prière d’humilité)
Tompo ô ! Tsy mendrika hatao hoe zanakao aho.
Tompo ô ! Tsy mendrika ny hidiranao ao ambany tafotranoko aho.
Tompo ô ! Tsy mendrika ny hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy
amin’ny latabatrao akory aho.
Kanefa hoy Ianao hoe « Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy » Amena
FANDRAISANA (Communion)
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA – INTERCESSION
TSODRANO – BÉNÉDICTION
Fanirahana – Envoi
Mpitarika : Voninahitra ho an’Andriamanitra Izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Mandehàna amin’ny fiadànana, ka manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana
Fiangonana : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, AMENA
Feon-java-maneno firavana – Postule
FIHIRANA
Tsy misy soa ho ahy afa-tsy i Jeso
Tsy misy soa ho ahy afa-tsy i Jeso
Nafoiko ny haren'ny tany
Manankarena aho mahita Azy
Faly aho Amin'ny re aho (x2)
Faly aho miaraka Aminy
Jesosy tokana ihany
Na dia mahantra aza
Mbola manao hoe:
Faly ao Aminy re aho (x2)
Fony tsy nisy avotra fisoloana
Sy ho fampanekena ny Ray
Dia manolo-tena hanavotra ahy
Tamin'ny ràny i Jesosy (x2)
Faly aho miaraka Aminy
Jesosy tokana ihany
Na dia mahantra aza
Mbola manao hoe:
Faly ao Aminy re aho (x2)
Misaotra anao izahay ry Ray noho ny fitiavanao
Misaotra anao izahay ry Ray noho ny fitiavanao
Ny haizin-kitroka misy ahy indro fa nidiranao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera anao
Inona ary no havaliko Anao
Noho ireo soa efa narotsakao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera anao
Na dia tsy mendrika ry Ray ireto te hidera Anao
Dia notoloranao tokoa ny fanavotan-dehibe
Na dia mahantra aza re dia novidian’ny zanakao
Tamin’ny ràny izay madio mba isan’ny Anao
Inona ary no havaliko Anao
Noho ireo soa efa narotsakao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera anao
Dia menatra tokoa ry Ray hifanatrika aminao
Kanefa noho ny Zanakao dia indro fa manatona aho
Nanery ahy izany foko resin’ny Fitiavanao
Ilay fo maniry mafy Anao ka indro hanjakao
Inona ary no havaliko Anao
Noho ireo soa efa narotsakao
Dia hazavana lehibe no indro fa naposakao
Ka ravoravo ery ny fo izay midera anao (x2)
Tel que je suis, sans rien à moi
Tel que je suis, sans rien à moi
Sinon ton sang versé pour moi
Et ta voix qui m'appelle à toi
Agneau de Dieu, je viens, je viens
Tel que je suis, bien vacillant
En proie de doute à chaque instant
Lutte au dehors, crainte au dedans
Agneau de Dieu, je viens, je viens
Tel que je suis, ton cœur est prêt
À prendre le mien tel qu'il est
Pour tout changer, sauveur parfait
Agneau de Dieu, je viens, je viens
Tel que je suis, ton grand amour
A tout pardonné sans retour
Je veux être à toi dès ce jour
Agneau de Dieu, je viens, je viens
Je veux être à toi dès ce jour
Agneau de Dieu, je viens, je viens
Je viens, je viens
Je viens à toi Jésus
Manana anao
Efa reraky ny fiainana aho
Tsy nahita izay nombana intsony
Saika latsaka tanatin’ny famoizam-po aho
Tsy haiko intsony izay natao
Soa fa tonga Ianao nanarina ahy
Nampitraka, namonjy ny fanahy
Nositraninao ‘lay fery tato anatiko
Izay nandratra ny foko
Manana aho Tompo ô!
Fa manana Anao
Niova ny fiainako
Tompo ô! Tao Aminao
Tsy nanenina aho
Raha nandray Anao
Tsy ho toy izao ny fiainako
Raha toa tsy tao Aminao
531 – Ry Jeso loharanon’aina
1. Ry Jeso loharanon’aina
Izay foto-pahasoavana,
Ny fonay toy ny tany maina,
Fenoy fitiavana !
Ahidino ao ny tena aina
Mba hampifankatia anay,
Fandrao ho tonga very maina
Ny fitiavanao anay !
2. Ny hasomparana levony
Soloy fitiavana !
Ny lolom-po ampijanony
Ho tia fihavanana !
Ny fo malaky mankahala
Ovay ho tia namana !
Ampianaro hahalala
Ny didim-pitiavana
3. Toroy sy ampianaro
Ny fitiavanao zahay !
Mpiandry tsara o, velaro
Ny fonao mba ho hitanay !
Mba ho tarafiny tokoa
Ny fonay mbola maizina
Ka samy hifanisy soa
Sy hifamela heloka !
242 – Misaotra Anao ‘zahay, ry Ray!
1. Misaotra Anao izahay, ry Ray!
Fa tsy nafenina anay,
Izay tena sitrakao tokoa
Mba hahazoanay ny soa.
2. Ka mitariha anay izao
Handray ny toro-hevitrao
Izay lazain’ny teninao
Hanaovanay ny sitrakao.
5. Ny asan’ny Fanahinao
Mba tanteraho aminay
Hampiorina ao anatinay
Izay lazain’ny teninao.
295 – Miorena mafy tsara
1. Miorena mafy tsara
Amin’Ilay vatosoa
Mandrosoa, mifahara,
Mifikira mafy koa.
He! Ny Tompo manambara
Fa ho sambatra tokoa,
Ka ho tsara miafara
Ny mpanompo mahasoa.
2. Raha misy fahoriana
‘Zay midona aminao,
Raiso re ho fitahiana
‘Zay omen’ny Tomponao;
Fa ny lalam-pijaliana
‘Zay alehanao izao
Dia mamelom-paniriana
Hitomboan’ny herinao.
3. Miadia ny ady tsara,
Ho mpandresy hianao;
Tontosay izay anjara
Eo am-pelantananao;
Jeso Tompo no mijery
Sy mahita ny atao,
Koa tsy mba hisy very
‘Zay rehetra vitanao.
4. Ry Jesosy! hantajaho
‘Ty mpanolo-tenanao,
Miangavy, mitalaho,
Ka iteneno, Tompo ô!
Aoka re ho tena taho
‘Zay mikambana aminao,
Ka ny foko halalaho,
Diovy ho Tempolinao.
255 – Ny ran’ny Zanak’ondry latsaka
1. Ny ran’ny Zanak’ondry latsaka
Namelona ahy tany Golgota !
Ka io no tena vatofantsika
Maharitra ny tafio-drivotra !
———————
Le sang de l’Agneau qui a coulé
À Golgotha m’a donné la vie
C’est la véritable ancre
Qui résiste à la tempête
115 – Jeso Tompo lehibe
1. Jeso Tompo lehibe
Iraky ny Rainy ;
Nolatsain’ny marobe
Tsy mba nohajainy !
530 – Fitiavana ranovelona
1. Fitiavana rano velona,
Loharano lalina;
Ka miafina ao anatiny
Ny fiainan-danitra!
2. Fitiavana no nirahina
Avy tamin-Jehovah ;
O, mba raisonao, dia ho fantatrao
Ny fahasambarana.
3. Fitiavana didy tokana
Ary didy lehibe ;
Mitoera ao, hitoeranao
Amim-piadanam-be.
VAVAKA
Josué 24: 13-15
13 Je vous donnai un pays que vous n’aviez point cultivé, des villes que vous n’aviez point bâties et que vous habitez, des vignes et des oliviers que vous n’aviez point plantés et qui vous servent de nourriture.
14 Maintenant, craignez l’Éternel, et servez-le avec intégrité et fidélité. Faites disparaître les dieux qu’ont servis vos pères de l’autre côté du fleuve et en Égypte, et servez l’Éternel.
15 Et si vous ne trouvez pas bon de servir l’Éternel, choisissez aujourd’hui qui vous voulez servir, ou les dieux que servaient vos pères au delà du fleuve, ou les dieux des Amoréens dans le pays desquels vous habitez. Moi et ma maison, nous servirons l’Éternel.
Éphésiens 5: 25-31
125 Maris, aimez votre femme comme Christ a aimé l’Eglise. Il s’est donné lui-même pour elle 26 afin de la conduire à la sainteté après l’avoir purifiée et lavée par l’eau de la parole, 27 pour faire paraître devant lui cette Eglise glorieuse, sans tache, ni ride, ni rien de semblable, mais sainte et irréprochable. 28 C’est ainsi que les maris doivent aimer leur femme comme leur propre corps. Celui qui aime sa femme s’aime lui-même. 29 En effet, jamais personne n’a détesté son propre corps. Au contraire, il le nourrit et en prend soin, tout comme le Seigneur le fait pour l’Eglise 30 parce que nous sommes les membres de son corps, [formés de sa chair et de ses os]. 31 C’est pourquoi l’homme quittera son père et sa mère, s’attachera à sa femme, et les deux ne feront qu’un.[a]
Jean 15 : 13-15
213 Il n’y a pas de plus grand amour que de donner sa vie pour ses amis.
14 Vous êtes mes amis, si vous faites ce que je vous commande.
15 Je ne vous appelle plus serviteurs, parce que le serviteur ne sait pas ce que fait son maître; mais je vous ai appelés amis, parce que je vous ai fait connaître tout ce que j’ai appris de mon Père.
Fenekem-Pinoana N°5
Fanekem-pinoana 5
Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe : Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona
Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no
ankasitrahany.
Jesosy Kristy no Tompon’izao rehetra izao,
Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery
sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria
Andriamanitra nomba Azy.
Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ny
tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema;
Izy dia novonoiny nahantony teo amin’ny hazo;
nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo.
Ary Izy nandidy anay hitory amin’ny olona ka hanambara :
fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy
famelan-keloka.
AMENA (Asan’ny Apôstôly 10/34-35;38-43
JAlors Pierre prend la parole et dit : Maintenant, je comprends vraiment que Dieu accueille tout le
monde.
Et que dans toute nation celui qui le craint et qui pratique la justice lui est agréable.
Jésus-Christ est le Seigneur de tous.
Dieu a répandu la puissance de l’Esprit Saint sur Lui.
Jésus est passé partout en faisant le bien. Il guérissait tous ceux qui étaient prisonniers de l’esprit du
mal, parce que Dieu était avec lui.
Et nous, nous sommes témoins de tout ce qu’il a fait dans le pays des Juifs et à Jérusalem.
On l’a tué en le clouant sur une croix.
Mais, le troisième jour, Dieu l’a réveillé de la mort.
Il nous a commandé d’annoncer la Bonne Nouvelle au peuple et de rendre ce témoignage : Jésus est
celui que Dieu a choisi pour juger les vivants et les morts.
Tous les prophètes ont parlé de lui en disant :
«Toute personne qui croit en Jésus reçoit par son nom le pardon des péchés. »
