CULTE PRESENTIEL
.Fiarahabana Apostolika – Salutation Apostolique
Mpitarika – Officiant :
“Amin’ny anaran’ny Ray sy ny zanaka ary Fanahy Masina”. Amen.
« Au nom du Père, du Fils et du Saint-Esprit »
Fiangonana -Assemblée: AMEN
Mpitarika –
« Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo». Amen.
“La grâce et la paix de la part de Dieu notre Père, de son Fils Jésus Christ soient avec vous”
Salamo 146 / Psaume 146
Dera ho an’Andriamanitra, Mpamonjy tokana
1 Haleloia. Miderà an’i Jehovah, ry fanahiko.
2 Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an’Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.
3 Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.
4 Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; Ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.
5 Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny,
6 Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,
7 Izay manome rariny ho an’ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an’ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;
8 Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
9 Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
10 Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin’ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.
Hira: 317/ 1 “Ô Ry Rain’ny fahazavana”
.Vavaka fanatonana sy Fiderana – Prière d’Adoration
. Zava-maneno – Jeu d’orgue
.Sitrapon’Andriamanitra – Volonté de Dieu
“ Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika” ( 1Jaona 2.5)
