FIANGONANA PROTESTANTA MALAGASY ORIMBATON’NY FINOANA PONTOISE (FPMOF)

CULTE PRESENTIEL AVEC SAINTE CENE

PENTECÔTE + CONFIRMATION

ALAHADY FAHA-19 MAI 2024 @ 14H30

« Ny Fanahin’ny fahamarinana (…) no ho vavolombelona hanambara Ahy.” Jn 15:26

 “L‘Esprit de vérité (…) rendra témoignage de moi;» Jn 15 :26

Mpitandrina :Pasteur Alain Razafindratsimba

I-TENY FANOMBOHANA – INVOCATION

Mpitandrina : Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

Fiangonana: Amen ! (Mipetraka ny Fiangonana)

II – FIFAMPIARAHABANA – SALUTATION

III – FIDERANA – LOUANGE

Famakiana mifandimby Psaumes 33:1-8

1Mihobia ho an’i Jehovah ianareo, ry olo-marina ; fa mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana.

2 Miderà an’i Jehovah amin’ny lokanga; mankalazà Azy amin’ny valiha tory folo.

3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy ; mitendre tsara amin’ny feo fifaliana.

4 Fa mahitsy ny tenin’i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.

5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’i Jehovah ny tany.

6 Ny tenin’i Jehovah no nanaovana ny lanitra ; ary ny fofonain’ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.

7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.

8 Aoka hatahotra an’i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao. Amen

IV – VAVAKA FIDERANA – PRIERE DE LOUANGE

(Mipetraka aorian’ny vavaka)

V – SITRAPON’ANDRIAMANITRA – VOLONTE DE DIEU

VI – FIFONANA – PRIERE DE REPENTANCE

Fiangonana :Ry Rainay be famindrampo ô, mitalaho Aminao izahay ; mamelà ny helokay ; diovy izahay ho afa-pahotana ; sasao izahay mba ho afa-keloka, ary havaozy ny fanahinay mba ho vonon-kanompo Anao.

Ny fitiavan’i Jesoa Kristy Zanakao Mpamonjy anay no angatahanay Aminao. Amen.

Mihira ny fiangonana :

Ry Andriamanitra Tompo Ray any an-danitra ô…

VII – FAMELAN-KELOKA – PAROLE DU PARDONVIII – FIADANANA – LA PAIX DU CHRISTHira fisaorana : FFPM 487/1,2 “Fanavaozan’izay mahagaga tokoa …”IX – FOTOANA NY S. A – MOMENTS DE S. A

X- TENIN’ANDRIAMANITRA – LA PAROLE

Hira fiomanana :* FF 6 « Ny teninao »

Mpitandrina : Ho aminareo anie ny Tompo – Le Seigneur soit avec vous !

Fiangonana : Ary ho amin’ny fanahinao koa – Et avec votre Esprit.

Vavaka mialoha ny teny – Prière d’illumination

Vakiteny – lecture :

Livre des Actes : ACTES DES APÔTRES 2 : 1-11

Épître : GALATES 5 : 16-25

Bonne Nouvelle : JEAN 15: 26- 27 + 16 : 12-15

Fiangonana :Ray masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana,…! Amen

Toriteny – Prédication :

XI – FANEKEM-PINOANA – SYMBOLE DES APOTRES (Mitsangana)

XII – FANDRAISANA MPANDRAY – CONFIRMATION

XIII – FANASAN’NY TOMPO – SAINTE CENE

XIV – RAHARAHAM-PIANGONANA – ANNONCES

XV – FANATITRA FISAORANA – OFFRANDES

Fanolorana rakitra – Présentation des offrandes : Ry tompon’ny harena ô! Fanatitra… (Mitsangana ny Fiangonana)

XVI – VAVAKA – PRIERE D’INTERCESSION

XVII –TSODRANO – BENEDICTION

Hira famaranana : *A Dieu soit la Gloire

XVIII – FANIRAHANA – ENVOI

Mpitandrina: Voninahitra ho an’Andriamanitra…

Fiangonana : Isaorana anie Andriamanitra !

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!

“Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao.” Ohabolana 16:3

Feon-zavamaneno firavana – Postlude

COLLATION

FIHIRANA

176 – Avia Fanahy Masino ô, midina eto aminay

  1. Avia Fanahy Masino ô,
    Midina eto aminay
    Fenoy ny hasoavanao
    Ny fonay noforoninao !
  2. Tongava ry Mpananatro ô,
    Nomen’Andriamanitra
    Ho loharano velona
    Hiboiboika ao am-po !
  3. Sokafy ny fanahinay
    Hidiram-pitiavana !
    Ny tenanay malemy koa
    Ampaherezonao anie !

26 – Jesosy reharehako

1- Tsy misy reharehako
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy Voninahitra
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao.

2- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Izay fahavaloko
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao

3- Tsy nisy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao, tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marinao.

Fiv: Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon’ny hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao
Ampy ahy ny Fitiavanao
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao

6 – Ny teninao Jehovah Izay ianaranay

  1. Ny teninao, Jehovah!
    Izay ianaranay,
    Dia tsara, tsy miova,
    Ka ifalianay
    He! Tena mananjara,
    Izahay ankehitrio,
    Fa lova tsara fara,
    No azo amin’io.
  2. Ireo zaza teo aloha
    Dia tsy nahita izao
    Tsy nisy hampifoha,
    Natory foana tao;
    Nahantra sady ory,
    Niferina aina koa,
    Tsy fantany akory
    Izay tena foto-tsoa.
  3. Mamiratra indrindra.
    Ny masoandronay,
    Milanto sy mirindra
    Ny antom-piainanay;
    Ny teninao ihany
    No mahatonga izao,
    He! Sambatra ny tany,
    Fa mahalala Anao.

295 – Miorena mafy tsara.

  1. Miorena mafy tsara
    Amin’Ilay vatosoa
    Mandrosoa, mifahara,
    Mifikira mafy koa.
    He! Ny Tompo manambara
    Fa ho sambatra tokoa,
    Ka ho tsara miafara
    Ny mpanompo mahasoa.
  2. Raha misy fahoriana
    ‘Zay midona aminao,
    Raiso re ho fitahiana
    ‘Zay omen’ny Tomponao;
    Fa ny lalam-pijaliana
    ‘Zay alehanao izao
    Dia mamelom-paniriana
    Hitomboan’ny herinao.
  3. Miadia ny ady tsara,
    Ho mpandresy hianao;
    Tontosay izay anjara
    Eo am-pelantananao;
    Jeso Tompo no mijery
    Sy mahita ny atao,
    Koa tsy mba hisy very
    ‘Zay rehetra vitanao.

441 – Raiso aho ….

  1. Ho Anao manokana,
    Ry Mpamonjy Tompo soa,
    Ho Anao dia Anao tokoa :
    Ho Anao mandrakizay !

298 – Aina no fetra, ry tompo mpanjaka

  1. Aina no fetra, ry Tompo mpanjaka,
    Aina no fetra anarahana Anao,
    Ka ny faneva tsy maintsy ho zaka
    Ny fanompoana tsy maintsy hatao

254 – Avia, ry mangetaheta ô

1. Avia, ry mangetaheta ô,
Ka aza dia mba mamoy fo
Fa indro misy rano velona
Izay omena mba hamelona
Anao mahantra sy variana,
Ry zanak’ondry very làlana !

115 –Jeso tompo lehibe

  1. Jeso Tompo lehibe
    Iraky ny Rainy ;
    Nolatsain’ny marobe
    Tsy mba nohajainy !

266 –Ry Jeso Tompo ianao

Ry Jeso Tompo, Ianao Isaorako tokoa izao ; Ny ranao sy ny tenanao No nihinanako izao ! 2. Ry foko faly ambarao Ny soa azonao izao ! Jesosy monina ao am-po, Endrey ny hafaliako !

441-Raiso aho …

  1. Raiso aho, Tompo ô,
    Fa te ho mpanomponao !
    Raiso koa ny androko
    Ka anarano fo izao !
  2. Raiso re ny tanako
    Mba hanao ny asanao ;
    Raiso koa ny tongotro
    Ho fanirakirakao !
  3. Raiso ny fahaizako
    Ento mba hanaja Anao ;
    Raiso koa ny volako
    Ho Anao tokoa izao !